I. FAMPITANA AM-BAVA

MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fampitomboana ny taha isaky ny telovolan'ny fisotroan-dronono ho an'ireo mpiady tia Tanindrazana 1947-1948.
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanamboarana ny isan'ireo mpianatra ho manamboninahitra lefitra ho an'ny andiany faha IV ao amin'ny Sekolin'ny Manamboninahitra Lefitra (ENSOA) Antsirabe.
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fananganana ny Kômity Tekinika Nasiônaly Mpikarakara ny fankalazana ny faha-66 taona niverenan'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara sy nijoroan'ny Foloalindahy Malagasy.
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanendrena ny Filohan'ny Kômity Tekinika Nasiônaly Mpikarakara ny fankalazana ny faha-66 taona niverenan'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara sy nijoroan'ny Foloalindahy Malagasy.

MINISITERAN'NY FITSARANA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny famindrana fitaovana sy fanaka ho an'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Sambava, sy ny Fitaleavana Jeneraly vaovao ary ireo Fitaleavana vaovao eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitsarana.

MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraketana ireo fandaniana momba ireo asa fanamboarana fanampiny ny Ivon-toerana Fampiofanana Araka asa Akamasoa.
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraketana ireo fandaniana momba ireo asa fanarenana sy fanajariana anatiny ny ambanin'ny tranon'ny (sous sol) Amphithéâtre Faculté Economie, Gestion et Sociologie (E.G.S) Ankatso.

MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FAHALEOVANTENA ARA-TSAKAFO

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny taom-piotazana 2026, Andro fanentanana sy fampisehoana ireo fitaovana sy milina fitantanana ny vokatra sy aorian'ny fijinjana vary.
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ireo hetsika manoloana ireo ambana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimon'ny Nosy noho ny haintany.

MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandaniana ny volavolan-taratasy pôlitika ho fampandrosoana ny fahandroana madio eto Madagasikara.

MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny paikady handraisana an-tanana ny lalam-pamokarana volamena sy fanamafisana ny fiandrianana amin'ireo harena an- kibon'ny tanin'i Madagasikara.

MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA.

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fivoriana nasiônalin'ny fandrindrana ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana (EAH).

MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana alalana hamindrana mankany amin'ny TAFITA ny fandoavana ireo saram-piaramanidin'ireo atleta malagasy nandray anjara tamin'ireo fifaninanana iraisam-pirenena.
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fandraisana an-tanan'ny minisiteran'ny tanora sy ny fanatanjahantena ny andiany fahefatra amin'ny andro iraisampirenena ho an'ny Fanatanjahantena, ho an'ny Fampandrosoana sy ny Fandriampahalemana, ny 24 hatramin'ny 26 aprily 2026 eto Antananarivo.

II. FANDRAISANA DIDIM-PANJAKANA

FIADIDIANA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA

  • Nolaniana ny didim-panjakana momba ny fandaminana sy ny fampandehanana ny Sampan-draharaha malagasy iadiana amin'ny famotsiam-bola sy ny famatsiana ny fampihorohoroana ary famatsiana ny fanapariahana fitaovam-piadiana mahery vaika na SAMIFIN
  • Nolaniana ny volavolana didim-panjakana miantso ny Antenimieram-pirenena hiatrika fivoriana tsy ara-potoana. Ny lahadinika amin'izany fivoriana tsy ara-potoana izany dia :

- Fanoloran'ny Praiminisitra ny Fandaharan'asa fanatanterahana ny pôlitika ankapoben'ny Fanjakana momba ny Fanavaozana (Programme de Mise en Œuvre de la Politique Générale de l'Etat pour la Refondation).

- Fandaniana ireo volavolan-dalana hafa.

MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1003 tamin'ny 20 aogositra 2020 sy nanendry "Administrateur non-exécutif" iray eo anivon'ny Banky Foiben'i Madagasikara misolo tena ny Antenimieram-pirenena

MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA + MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-553 tamin'ny 20 aprily 2022 mifehy ny "digitalisation"-n'ireo fandoavam-bola amin'ny alalan'ny karatra "e-poketra" an'ny Paositra Malagasy (PAOMA)

 

MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manome alalana ny fandraisan'ny Fanjakana Malagasy anjara mivantana amin'ny renivolan'ny orinasa Digital Money S.A.

MINISITERAN'NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manova sy mameno ny didim-panjakana laharana faha 2021-548 tamin'ny 19 mey 2021 momba ny fandaminana ny lalam-pihariana lavanilina.

MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana mamaritra ny rafitra mihatra amin'ireo Tetikasa ho an'ny tombontsoan'ny Firenena sy amin'ireo fifanarahana momba ny harena an-kibon'ny tany izay ataon'ny Fanjakana.

MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana mamaritra ny fandaminana, ny andraikitra sy ny fampandehanana ny "Organisme Régulateur du Service Public de l'Eau et de l'Assainissement (OREA).

III. FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

PRIMATIORA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1252 tamin'ny 19 novambra 2025 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARISOA Tantely Hanitra ho "Directeur Administratif et Financier Adjoint" eo anivon'ny Primatiora.

MINISITERAN' NY FOLOALINDAHY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1412 tamin'ny 18 oktobra 2023 ary manendry ny Colonel RAJOMA Jean Yves Rodolphe ho "Directeur du Bureau de Programmation et Evaluation de l'Etat-Major des Armées".
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1884 tamin'ny 06 novambra 2024 ary manendry ny Colonel RAKOTONIRINA ANDRIANASOLO Finiavana ho "Directeur du Bureau Communication et Actions Civilo- Militaires de l'Etat-Major des Armées".
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Colonel RABENJARISON Mamiarivelo Jacqueliat ho "Directeur d'Ecole d'Etat-Major". 
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1093 tamin'ny 08 septambra 2023 ary manendry ny Colonel ANTILAHY Louis Hervé ho "Directeur du Centre de Perfectionnement des Officiers".
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-547 tamin'ny 22 mey 2025 ary manendry ny Dentiste-Colonel RANTONITSIMBA Andry Lala ho "Chef de Département Odontostomatologie du Centre Hospitalier de Soavinandriana" eo anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy.

MINISITERAN' NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1260 tamin'ny 19 novambra 2025 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIASY Vonjy Maminjanahary ho Prefen'ny Pôlisy eto Antananarivo.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-902 tamin 'ny 11 aprily 2024 ary manendry an'Andriamatoa MAMY Dieudonné ho Lehiben'ny Distrikan'i Vohemar.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-892 tamin'ny 11 aprily 2024 ary manendry an' Andriamatoa TILAHIZANDRY Niaina Angelo ho Lehiben'ny Distrikan'i Vavatenina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-572 tamin'ny 28 mey 2025 ary manendry an'Andriamatoa RAMASY Solondady Pierrot ho Lehiben'ny Distrikan'i Befandriana-Avaratra.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-905 tamin'ny 11 aprily 2024 ary manendry an-dRamatoa RANIRINARISOA Hanitriniaina Janoeline ho Lehiben'ny Distrikan'Ambohimahasoa.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa TOMBOZARA ho Lehiben'ny Faritra vonjimaika ao Betsiboka.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an' Andriamatoa MAROVAVY Louis Francio ho Lehiben'ny Faritra vonjimaika ao Diana.

MINISITERA MISAHANA NY FANAVAOZANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana mamerina ny fanendrena tomponandraikitra ambony miisa 38: ny Sekretera Jeneraly, ireo Tale Jeneraly, ny Mpandrindra Jeneraly, ireo Tale foibe sy ireo Talem-paritra eo anivon'ny Minisitera misahana ny Fanavaozana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAHARIDERA Rambatsiarison ho Talem-paritra ao Alaotra Mangoro.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an' Andriamatoa JUVELIN Rezara ho Talem- paritra ao Atsimo Andrefana.

MINISITERAN' NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1000 tamin'ny 6 jolay 2022 ary manendry ny Dr ODILE Célestine ho "Directeur d'Etablissement du Centre Hospitalier Universitaire Tanambao Toliara" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-091 tamin'ny 27 janoary 2021 ary manendry an-dRamatoa RATSARALAFY Hary Tiana ho "Directeur des affaires juridiques" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1303 tamin'ny 19 novambra 2025 ary manendry an'Andriamatoa BARAKA Jean Arnaud ho "Directeur Général des Ressources" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka.

MINISITERAN' NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA- TSIANSA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1919 tamin'ny 13 novambra 2024 ary manendry an'Andriamatoa MANJARIBE Christophe ho Filohan'ny Oniversiten'i Sava.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-83 tamin'ny 24 janoary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAMAHAZOSOA Irrish Parker ho Talen'ny Fampianarana Ambony eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikaroana Ara-tsiansa.

MINISITERAN' NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FANOFANANA ARAKA ASA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-2042 tamin'ny 22 desambra 2025 ary manendry an'Andriamatoa TSIRAHAMBA ho Sekretera Jeneraly eo anivon'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Araka asa.

MINISITERAN' NY FAMBOLENA SY NY FAHALEOVANTENA ARA-TSAKAFO

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRABARY Fleury Justin ho Tale misahana ny Maha-olona eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahaleovantena Ara-tsakafo.

MINISITERAN' NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY FAMPIVELARANA NY SEHATRA TSY MIANKINA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa TATAMIARISOA Manankoraisina Landry ho Sekretera Jeneraly eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny sehatra tsy Miankina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa SAIDSON Jean Roger ho “Directeur Administratif et Financier" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny sehatra tsy Miankina.

MINISITERAN' NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIANARAHINJAKA Harivelo Jean Michel ho Tale Jeneralin'ny Akoranafo eo anivon'ny Minisiteran'ny Angovo sy ny Akoranafo.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRATSARA Jean Noël ho "Directeur des Ressources en Hydrocarbures et Dérivés" eo anivon'ny Minisiteran'ny Angovo sy ny Akoranafo.

MINISITERAN' NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa MANDA Andrianarison ho Talem-paritry ny Harena An-kibon'ny Tany ao Matsiatra Ambony.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ABDOURAHMAN HAMIDO ho Talem-paritry ny Harena An-kibon'ny Tany ao Melaky.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ATOMBOLA Cyprien Louis de Magloire ho Talem-paritry ny Harena An-kibon'ny Tany ao Ihorombe.

MINISITERAN' NY FIZAHANTANY SY NY ASATANANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-031 tamin'ny 20 janoary 2025 ary manendry an-dRamatoa ALY NAMBININA Anjaharinala ho "Directeur des Affaires Financières" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Asatanana.

MINISITERAN' NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-689 tamin'ny 11 mey 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAFIDIMANANTSOA Tojoandry Tiana ho Tale Jeneralin'ny Fanadiovana sy ny Fidiovana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIAMANANTENA Lucia Dorès ho "Coordonnateur Général des Projets et des Partenariats".
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RASOANIRAINY Diana Mirella Volahanta ho Tale Jeneralin'ny "Organisme de Régulation du Service Public de l'Eau et de l'Assainissement" (OREA).
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-524 tamin'ny 10 mey 2023 ary manendry an-dRamatoa RATIARISON Candice Marlène Tantely ho "Directeur des Affaires Juridiques" eo anivon'ny Minisiteran'ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1770 tamin'ny 09 oktobra 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAJAOFERISON Andry ho "Directeur de l'Assainissement" eo anivon'ny Minisiteran'ny Rano sy ny Fanadiovana sy ny Fidiovana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTOHARINIANA Barivola ho "Directeur en charge des Programmes et Projets".
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMANANTSOA Miora Lalaina Erica ho "Directeur en charge des Partenariats".
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTOARISOA Zafiarinjatovo ho "Chef de l'Unité de Suivi et d'Accélération des Activités".
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-580 tamin'ny 28 mey 2025 ary manendry an'Andriamatoa RANAIVONANDRASANA Seraphin ho Talem-paritry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana ao Alaotra Mangoro.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-780 tamin'ny 16 jolay 2020 ary manendry an' Andriamatoa MANAMIARO Maherisoa Johnson ho Talem-paritry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana ao Androy.

MINISITERAN' NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an' Andriamatoa ANDRIANASOLO Rija Jean Serge ho Tale Jeneralin'ny Paositra Malagasy.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Général de Brigade RAKOTONIRAINY Rivo Andry ho « Directeur des Systèmes d'Information » eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-330 tamin'ny 21 febroary 2024 ary manendry an' Andriamatoa RASAMIMANANTSOA Olivier Rija ho « Directeur des Affaires Juridiques » eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra.

MINISITERA DELEGE MISAHANA NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-951 tamin'ny 17 septambra 2025 ary manendry ny Colonel ANDRIAMIHARINJARA Jemy ho "Directeur du système d'information et des télécommunications" eo anivon'ny Minisitera Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena.

IV. FANAFOANANA FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 667 tamin'ny 23 jona 2021 manafoana ny fanendrena ny Prefen' Antsirabe

MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FAHALEOVANTENA ARA-TSAKAFO

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025 tamin'ny 19 novambra 2025 izay nanendry ny "Directeur des Ressources Humaines" teo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana

MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAINJAFY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1452 tamin'ny 13 oktobra 2022 izay nanendry ny "Directeur Général de la Gouvernance Environnementale" (DGGE) teo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2026-359 tamin'ny 20 janoary 2026 izay nanendry ny "Coordonnateur Général de l'Organe de Coordination des actions stratégiques de la Diplomatie Verte et des Organismes Rattachés" (OC-DVOR) teo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1352 tamin'ny 19 novambra 2025 izay nanendry ny “Directeur Administratif et Financier" (DAF) teo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.

MINISITERAN' NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1195 tamin'ny 10 aogositra 2022 izay nanendry ny Talem-paritry ny Rano, Fanadiovana sy ny Fidiovana ao Vatovavy.

Antananarivo, 08 aprily 2026,

Rahajason Harry Laurent

Talen'ny Serasera

eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika