GOVERNEMANTAN'NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKAN'I MADAGASIKARA
Mahakasika ny fanendrena ireo mpikambana vaovao izay mandrafitra ny Governemanta
Nisy ny dinika niarahan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara tamin'ireo hery velona rehetra eto Madagasikara mialohan'izao fanendrena izao.
Nomena roa volana ny mpikambana ao amin’ny Governemanta mba hanatanterahan'izy ireo ny politikam-panjakana fohy ezaka.
Manana tamberin’andraikitra ary ho takiana vokatra ny tsirairay, hoy ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ka tsy maintsy hiroso amin'ny fanoloana ho an'ireo izay tsy mahavita izany.
Hafatra ho an'ireo minisitra mandrafitra ny Governemantan'ny Fanavaozana ny Repoblika
Namela hafatra ho an’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika.
Nambarany fa :
• Mitaky vokatra sy fahendrena amin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ny vahoaka, mba ho mendrika ny fitokisana izay napetraka.
• Mila manompo vahoaka fa tsy tompoina, ary mila mihaino ny feon’ny vahoaka.
• Tsy hisy ny fandeferana ho an'izay Tompon'andraikitra ara-panjakana tratra manao kolikoly na minia mbola manohy ireo fomba ratsy mambotry Firenena. Ny tombotsoa ambonin'ny Firenena hatrany no mila katsahana.
• Ho takiana ny fivoaran’ny asa sy ny vokatra mivaingana avy amin’ny asa ary tsy ho an’ireo minisitra ihany fa ho an’ny mpiasam-panjakana rehetra ihany koa.
Nanao antso avo ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny amin'ny fandrasaina mendrika ny vahoaka malagasy rehetra tsy ankanavaka eny anivon'ny biraom-panjakana rehetra sy ireo Ministera : Aoka izay ny fiavonavonana amin'ny vahoaka malagasy amin'ny fandraisana azy ireo, hoy ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ary aoka isika hampanaja ny lalàna velona sy hametraka fiaraha-miasa madio sy mahomby.
