Tao aorian’ny fanolorana ireo fitaovana ahafahana manamboatra ireo milina miisa 3 simba amin'ireo efatra mpamokatra herinaratra eo anivon’ny JIRAMA Ambohimanambola, dia tonga nanaraka ny fivoaran’ny asa fanamboarana ny Fiadidiana ny Repoblika.
Nisy ny dinika nifanaovana tamin’Andriamatoa RALITERA Ny Ando Jurice, Minisitry ny Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures sy ny Tale Jeneralin'ny Jirama ofisialy, Andriamatoa Ron Weiss ary ireo teknisiana, mahakasika ny vahaolana momba ny herinaratra eto Antananarivo fa ihany koa eny amin’ny Anjerimanontolo Ankatso sy Vontovorona.
Raha tsiahivina dia 30 MW ny tsy fahampiana amin'ny herinaratra ilain'Antananarivo. Ao aorian'ny fanamboarana ireo milina, hiampy 20 MW ny famokarana ary hihena ny fahatapahan-jiro raha ny nambaran’ ny teknisiana.
Marihina fa novidiana teto an-toerana avokoa ary tsy nilana fanafarana ireo fitaovana, izay mitentina 3,3 Miliara Ariary, hahafahana manamboatra ireo milina ireo.
