FANDRESENA 2025
 
Tanteraka tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Academie Militaire Antsirabe ny lanonana famoahana ireo Manamboninahitra miisa 85 avy amin’ny andiany mivantana faha-46, mitondra ny anarana « Général de corps d'armée RAZAFITOMBO Léon Evariste », sy ireo avy amin’ny andiany manokana faha-27 « Masoalina ».
 
Notsofina rano nandritra izany fotoana izany ihany koa ireo andiany faha-47 mitondra ny anarana « VASIA », ary ireo andiany iraisam-piadiana faha-22, mitondra ny anarana « 60ème anniversaire de l'Académie Militaire ».
 
Toy ny mahazatra amin’ny fotoana manan-tantara tahaka izao, dia natao koa ny famindrana sabatra eo amin’ireo andiany zokiny sy zandry, izay mariky ny fanajana sy ny fanohizana ireo soatoavina miaramila.
 
Nosafidiana ihany koa ny andro anio ho fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny fametrahana ny vatofototry ny fanavaozana sy ny fanitarana ny « Place d’armes », izay toerana ivon’ny lanonana ara-miaramila eo anivon’ny Akademia Miaramila, ary notokanana ihany koa ny “Infirmerie” vaovao.
 
Ny Jeneraly RATSARAHEVITRA Andriamisetra, Kaomandin’ny sekoly, no nitarika ny fotoana androany, notronin’ireo Mpanolotsaina Avo eo anivon’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ireo Manamboninahitra, ary ireo Minisitra mandrafitra ny Governemanta.
 
Teo am-pamaranana dia nanao lahateny fisaorana sy fankasitrahana ho an’ny Akademia Miaramila ny Mpanolotsaina Avo, Kolonely Lucien RABEARIMANANA. Notsindriany tamin’izany ny maha zava-dehibe ny firaisankina sy fiaraha-mientana eo amin’ny Foloalindahy, ary nambarany fa izany no nahafahana nahatratra ity Fandresena ity.