Tao aorian'ny fanendrena ireo mpikambana mandrafitra ny Governemantan'ny Fanavaozana dia notanterahina avy hatrany ny Filankevitry ny Minisitra voalohany, ahafahan’ny Governemanta vaovao manomboka amin’ny fomba ofisialy ny asan’izy ireo.
Izany dia notarihan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara.
Laharam-pahamehana enina (6) no napetraka ho fandrindrana ny asa, izay ahitana ny :
1. Fisitrahan'ny rehetra ny angovo ;
2. Fisitrahan'ny rehetra rano fisotro madio sy fanadiovana ;
3. Fisitrahan'ny rehetra fahasalamana ;
4. Fisitrahana fanabeazana tsara kalitao sy mendrika ;
5. Famoronana asa ho an'ny tanora ;
6. Fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana ho amin'ny fanavaozana.
