Noraisin’i Kolonely Michaël RANDRIANIRINA, Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, androany teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny solontenan’ ireo Masoivoho vahiny mipetraka sy monina eto Madagasikara.
Ity fihaonana ity, izay niompana tamin’ny fifampiresahana, ny fametrahana ny fangaraharana ary ny fiaraha-miasa, dia nahafahan’ny Filohan’ny Fanavaozana nizara ny hafatra fototra sy ny laharam-pahamehana amin’ny Fanavaozana, izay narafitra manodidina ny andry enina :
• Ny fisitrahan’ny rehetra angovo, indrindra ny angovo azo havaozina ;
• Ny fahazoana rano fisotro madio sy fidiovana ;
• Ny fitsaboana manaraka fenitra ho an'ny rehetra ;
• Ny fanabeazana sitrahan'ny rehetra sy ara-drariny ;
• Ny famoronana asa ho an’ny tanora ;
• Ny fanavaozana ny fiaraha-miasa sy fiaraha-miombon’antoka.
Nohamafisin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny hetahetan’ny vahoaka hametrahana ny Fanjakana tan-dalàna, ny rariny ara-tsosialy, ny ady amin’ny kolikoly sy ny fampandrosoana maharitra ary ny fametrahana ny vahoaka ho ivon’ny hetsika rehetra.
