Nijery ifotony ny olan'ny mpianatra teny amin'ny Sekoly ambony polyteknika Vontovorona sy ny Oniversiten'Ankatso ny Kolonely RAMPANARIVO Solofoniaina Thierry, mpiara-mitantana amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, androany faha-24 Oktobra 2025.

Dingana voalohany izany amin'ny fandraisana an-tanana ny zo fototra amin'ny fahazoana jiro sy rano izay notakian'ireo mpianatra.

Ho an'ny eny amin'ny Sekoly ambony polyteknika Vontovorona manokana dia efa nanomboka androany ny fandavahana. Mpandraharaha iray nivoaka avy amin'io toeram-pampianarana io no misahana izany. Afaka iray volana dia hisitraka rano avokoa ireo mpianatra rehetra eny an-toerana.

Ny momba ny Oniversite Ankatso sy ireo Oniversite hafa manerana ny nosy kosa dia anatin'ny dinika sy ny famolavolana vahaolana maharitra ny tompon'andraikitra.

Ny rehetra no miaraka mitondra ny fanavaozana sy ny fampandrosoana, ka nanamafy ny Kolonely RAMPANARIVO Solofoniaina Thierry amin'ny maha-zava-dehibe ny fifanampiana eo amin'ny fitondram-panjakana sy ny vahoaka.

Afaka samy mandray ny andraikiny, mitondra ny fahaiza-manaony sy ny traikefany ny tsirairay, ary ho an'ireo mpianatra dia azo atomboka amin'ny fanajana ny fananana iombonana sy ny fotodrafitr'asa efa mipetraka izany.