Teny amin'ny Toby famokarana herinaratra teny Ambohimanambola androany 18 oktobra no nanatanterahin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara ny fidinana ifotony voalohany. Tao anatin'izany no nijerena akaiky, niaraka tamin'ireo solontenan'ny tanora, ny olana fototra mahakasika ny famokarana herinaratra.
 
Betsaka ny olana hita nandritry ny fitsidihana, misy ireo afaka vahana ao anatin'ny fohy ezaka, ao ihany koa ireo mila fotoana, fa ho ezahina jerena ny ahafahana mamaha izany, hoy ny filoham-panjakana Kolonely Michael RANDRIANIRINA.