Noraisin’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely Michaël RANDRIANIRINA, androany teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ireo delegasionin’ny SADC izay tarihan-dRamatoa Mary Dominica KACHALE, Sekretera voalohany misahana ny lafiny lalàna sady Minisitry ny Raharaham-bahiny ao amin’ny Repoblikan’i Malawi.

Ity iraka ara-teknika fanamarinana ny zava-misy eto Madagasikara ity, dia vokatry ny fanapahan-kevitry ny Fihaonana tampony tsy ara-potoanan'ny Troïka, ao amin'ny vondron' ny SADC, ny 16 oktobra 2025, ary tanterahina eto Madagasikara ny 19 hatramin’ny 27 oktobra 2025.

Ahitana delegasionina avy amin’ny firenena : Malawi, Eswatini ary Tanzania, izany iraka izany, ary tohanan’ny Sekretariam-panjakanan’ny SADC izay misahana ny raharaha ara-politika sy ara-piarovana.

Mandritra ny fitsidihana, dia hihaona amin’ireo antoko isan-tsokajiny eto an-toerana ny delegasiona, anisan’izany ny andrim-panjakana, ny Tafika, ny antoko politika, ny fivondronan'ny fiarahamonim-pirenena, ny solontenan'ny tanora (Gen Z), ary koa ny vondrona diplomatika sy iraisam-pirenena miasa eto Madagasikara.

Ny vokatra sy fehin-kevitra amin’ity iraka ity dia hatolotra amin’ny Fihaonambe manaraka eo anivon’ny SADC.