Tao aorinan'ny Synoda lehibe faha 20 notanterahana ny volana aogositra lasa teo, izay nifidianana sy nanendren'ny Fiangonan'i Jesosy Kristy eto Madagasikara ireo tompon'andraikitra hitantana ny foiben'ny FJKM ato anatin'ny fe-potoam-piasana vaovao, dia nisy ny fanompoam-pivavahana nanolorana sy nametrahana azy ireo teto amin'ny FJKM Ambohimalaza Firaisana Kanana vaovao.
 
Tonga niara niombom-bavaka tamin'ireo mpino FJKM ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Kolonely Michaël RANDRIANIRINA sy Ramatoa vadiny, notronon'ireo mpiara mitantana sy ny tompon'andraikitra maro eo anivon'ny Fiangonana sy ny Firenena.
 
Nitso-drano azy ireo ny Filoham-panjakana, ary nangataka ny Fiangonana izy hijoro sy hitsangana lalandava ho an'ny Firenena. Nangataka ihany koa izy ny amin'ny mba tsy hisalasalan'ireo Raiamandreny hanoro lalana sy hanitsy azy ireo raha sendra misy ny tsy mety.