TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 18 oktobra 2023 – Lapam-panjakana MAHAZOARIVO

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany alarobia 18 oktobra 2023 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta Ifarimbonana, ary natrehin’ireo minisitra isan-tokony sy ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Talen’ny Kabinetra, ary ny Tale misahana ny raharaha araka ny lalàna eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISTERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fisokafan’ny fifaninanana nasionaly na ny « Concours National d’entrée à l’Internat Qualifiant en Médecine » amin’ity taona 2023 ity.

    Ny mombamomba rehetra mahakasika ny fifaninana dia ho hita ao anatin’ny didim-pitondrana mahakasika izany. Mpianatra mpitsabo miisa enimpolo (60) no kendrena horaisina amin’ity fifaninana ity ka ny dimampolo (50) amin’izay no sivily ary ny folo (10) kosa dia miaramila.

    MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana sorabola fanampiny ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, entina handoavana ny ampaham-bola sisa izay tsy mbola voaloa tamin’ny asa fanorenana ny Tobim-pahasalamana fototra na “CSB” Manarapenitra ao Tanambao I sy Lazaret, Faritra Atsinanana.

    MINISTERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoan’ny Ministera amin’ny fampiasana ny sorabola natokana hanaovana ny asa fanamboarana ny lalana RR-ALG-1 (EX-RIP 1) mampitohy an’Anosizato Carrefour RNS1-Ampefy-Ambohijoky sy ny lalam-pirenena RNP7 ao amin’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

    Tanjona amin’ity fanamboaran-dalana ity ny fanamoràna ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra avy any ambanivohitra fa indrindra koa hiatrehana ny fahasimbana ateraky ny rotsak’orana. Mirefy roa amby roapolo kilometatra eo ho eo ny lalana hamboarina ary ny “Fonds routier” no hamatsy ny fanamboarana azy.

    MINISTERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovan’ny Ministera famindrana sorabola ao anaty fandaharan’asa na « amenagement de crédit » ahafahany manao ireo asa fampidiran-drano ao Ankivanja, Kaominina Ambanivohitra Antsiranana II, Distrika Antsiranana II, Faritra Diana.

    Velaran-tany mirefy 350Ha no voakasik’izany asa fampidiran-drano izany ary ny tanjona kendrena dia ny hampitombo betsaka ny tahan’ny famokaram-bary amin’ny taom-piotazana manaraka

    MINISTERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA + MINISTERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo milina fanodinana ovy sy ireo fitaovana samihafa miaraka aminy.

    Ireo fitaovana ireo izay vatsian’ny tetikasa MIONJO, dia nafaran’ny Ivon-toeram-pikarohana iraisam-pirenena momba ny ovy na « Centre de recherche internationale de la Pomme de terre » (CIP) ao anatin’ny fiaraha-miasany miaraka amin’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

    MINISTERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoan’ny ministera amin’ny fanatanterahana ireo asa maika entina amahana ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo.

    Tafiditra ao anatin’izany asa izany ny fividianana ny fantsona lehibe antsoina hoe “bonbonnes” miisa roapolo (20) hanampiana an’ireo izay efa ampiasaina ankehitriny. Ankoatra izay dia hisy ihany koa ny fanofàna fiara fitateran-drano na “camion citerne” ahafahana mitatitra rano eny amin’ireny fantsona lehibe fitehirizan-drano ireny. Haharitra efapolo (40) andro moa ity asa entina amahana ny famatsian-drano eto Antananarivo ity, ary kendrena indrindra mba hanampiana ny mponina amin’ny fiatrehana ny vanimpotoan’ny main-tany. Entina anampiana ireo tetik’asa lavitra ezaka maro izay efa ataon’ny Ministera moa izao hetsika izao. Ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola no handray an-tanana ny fandaniana rehetra voafaritra amin’izany.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoan’ny Ministera amin’ny asa fanorenana ireo trano lehibe misy rihana efatra (immeuble R+4) ao Nosy Be, Antsiranana ary Fianarantsoa.

    Tranobe iray, izay ahitàna efitra fonenana na « appartements » miisa dimy amby folo (15) no haorina ao Nosy Be, ary ao Tsararivotra no hanaovana azy. Ao Ambatomena kosa ny an’i Fianarantsoa, ary tranobe miisa roa ahitana “appartements” roapolo (20) no haorina ao. Ny ao Antsiranana kosa dia tranobe iray ahitana “appartements” miisa roapolo (20) no haorina eny amin’ny SCAMA.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana ilaina amin’ny fanamboarana ny fitaterana an-tariby izay ho an’ny ampahan-dalana Soarano - Ivandry, ao anatin’ny zotra Volomboasary mampitohy an’Anosy sy Ambatobe.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana ilaina amin’ny fametahana ny « pylonnes » ho an’ny « appareil n°2 » ao anatin’ny fametrahana ny fitaterana an-tariby ho an’ny ampahan-dalana Anosy -Ivandry, ao anatin’ny zotra Volomboasary.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISTERAN’NY FITSARANA + MINISTERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Noraisina ny Didim-panjakana ankatoavana ny fanendrena an’ireo Mpikambana vaovao handrafitra ny Vaomiera Mpanara-maso ny Fiainana ara-politika na « Commission de Contrôle du Financement de la vie politique. ».

    Araka ny voalazan’ny lalàna féhizoro laharana faha 2018-008 momba ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana tamin’ny 11 may 2018, ao amin’ny andininy 89, andalana voalohany dia miisa dimy (05) ny mpikambana mandrafitra ny Vaomiera Mpanara-maso ny Fiainana ara-politika. Telo (03) amin’izy ireo dia Mpitsara avy ao amin’ny Fitsarana ny Kaonty na « Cour des Comptes » izay tendren’ny Filohan’izany rafi-pitsarana izany, ary ny roa (02) kosa dia « experts-comptables » izay tendren’ny Filohan’ny olafitry ny « experts-comptables ». Ireto avy àry ny anaran’ireo Mpikambana vaovao voatendry:

    Ireo Mpitsara avy ao amin’ny Fitsarana ny Kaonty :

    - Ramatoa RAHARIMALALA Lydia Clémence,

    - Andriamatoa RAKOTARIVELO Daudet,

    - Ramatoa RAKOTOMALALA Mbolanoronambinina Nathalie.

    Ireo “expert-comptables”:

    - Andriamatoa RAKOTOMAHANINA Genlis;

    - Andriamatoa RANDRIAMANANANDRO Hervé

    Tsiahivina moa fa efa tapitra ny fe-potoam-piasan’ireo Mpikambana teo aloha.

    MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Noraisina ny Didim-panjakana ametrahana ireo fepetra anomezana ny sorabola natokana ho an’ireo Tobim-pahasalamana fototra izay antsoina hoe « Dotation CSB ».

    MINISTERAN’NY ASA VAVENTY + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Noraisina ny Didim-panjakana ametrahana ny drafitra famindran-toerana tsy an-tsitrapo na « Plans de Réinstallation Involontaire » an’ireo olona izay voakasiky ny fanatanterahana ny asa fanorenana fefiloha ao Kiembe.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISTERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-365 tamin’ny 31 martsa 2021 ary manendry ny Kolonely RABEMIZANA Toky Fihandrihanana, « Major Général de l’Armée de l’Air auprès de l’Etat-Major de l’Armée de l’Air. »
    • Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-454 tamin’ny 26 aprily 2023 ary manendry ny Général de Brigade RANDRIANANTENAINA Félicien Arthur, « Directeur du Centre des Opérations InterArmées de l’Etat-Major des Armées ».
    • Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-642 tamin’ny 24 jona 2020 ary manendry ny Général de Brigade PIKULAS Démosthène, Directeur du Bureau de Programmation et Evaluation de l’Etat-Major des Armées.
    • Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-218 tamin’ny 24 febroary 2021 ary manendry ny Général de Brigade RABENIRINA Jérôme Norbert, Commandant de Zone de Défense et de Sécurité de Matitanana (Atsimo Atsinanana) Manakara eo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika.

    MINISTERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    • Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-904 tamin’ny 15 jona 2022 ary manendry an’Atoa FENO Jean Patrick, Talen’ny Serasera eo anivon’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny.

    MINISTERAN’NY FITSARANA

    • Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-067 tamin’ny 20 janoary 2021 ary manendry an-dRatoa RAKOTONDRARIVO Antsa Faniry, Directeur de la Formation Continue, de l’E-learning et du Partenariat eo anivon’ny Sekolim-pirenena Mampiofana Mpitsara sy Mpiraki-draharaha.

    MINISTERAN’NY TOEKARENA SY FITANTANAM-BOLA

    • Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-516 tamin’ny 13 aprily 2022 ary manendry an’Atoa RAMAROSON Walderanne James Joycien, Directeur des Systèmes d’Information et de la Communication eo anivon’ny « Institut National de la Statistique »
    • Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-924 tamin’ny 15 septambra 2021 ary manendry an’Atoa ROBINARY Andritiana Fanomezantsoa, « Directeur du Bureau d’Appui à la Coopération Extérieure ».

    MINISTERAN’NY FITATERANA SY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    • Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-215 tamin’ny 10 febroary 2022 ary manendry an’Atoa NOMENJANAHARY Rio Jean Ghislain, Talem-paritry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro ao amin’ny Faritra Diana.

    MINISTERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-966 tamin’ny 03 may 2019 ary manendry an’Atoa RAOELIMANANA Heritiana, “Directeur du Centre de Développement Rural et de Recherche Appliquée ou FIFAMANOR” (Fiompiana Fambolena Malagasy Norveziana).

 

Natao ny 18 oktobra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta Ifarimbonana,

Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany

RAMAHOLIMASY Pierre Holder

Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana

RAHANTANIRINA Gabriella