TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 24 oktobra 2023 – Lapam-panjakana MAHAZOARIVO

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany talata 24 oktobra 2023 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta Ifarimbonana, ary natrehin’ireo minisitra isan-tokony sy ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Sekretera Jeneraly Lefitra, ny Talen’ny Kabinetra, ary ny Tale misahana ny raharaha araka ny lalàna eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISTERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana mikasika ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Foibem-pitondrana Ankapobe misahana ny Fadintseranana mahakasika ny tetikasa fametrahana ny Akademian’ny Fadintseranana (Académie des Douanes) sy ny fananganana ny trano ho an’ny Sekolin’ny Etamazaoro (Ecole de l’Etat-Major).

    Tanjona iraisan’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Foibem-pitondrana Ankapobe misahana ny Fadintseranana ny hanatsara hatrany ny kalitaon’ny fampiofanana ireo mpiasa iandraiketan’izy ireo. Izany indrindra no nahatonga azy ireo hanao ity fifanarahana ity, izay miendrika toy izao ny fiaraha-miasa izay raiketiny :

    - Ny famerenana indray amin’ny Fanjakana na “desaffectation” ny tany atao hoe “Cercle Mess Mixte de la Garnison de la région Militaire n°3 » titra lf 14161-BA, ao Toamasina izay nampiasain’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, ka omena ho sitrahan’ny Foibem-pitondrana Ankapoben’ny Fadintseranana hanorenana ny Akademian’ny Fadintseranana (Académie des Douanes);

    - Ny fandraisan’ny Foibem-pitondrana Ankapoben’ny Fadintseranana an-tanana ny asa fananganana ny fotodrafitrasa izay mifanaraka tsara amin’ireo fepetra manokana takian’ny fampiofanana ny miaramila ka hatao ho Sekolin’ny Etamazaoro (Ecole de l’Etat-Major).

    MINISTERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny Filan-kevitra Maharitry ny Firenena miteny frantsay andiany faha 124 (124ème Conseil Permanent de la Francophonie) sy ny Fikaonandohan’ny Minisitry ny Firenena miteny frantsay (44ème Conférence Ministérielle de la Francophonie) izay hatao any Yaoundé - Cameroun ny faha 03 hatramin’ny faha 05 novambra 2023.

    Ny lohahevitra ho an’ity taona ity dia ny “Fanjakana tsara tantana : antoky ny fahamarinan-toerana ara-politika, ara-toekarena sy ara-kolotsaina ho an’ny olom6pirenena miteny frantsay”. Ny Ministry ny Raharaham-bahiny no hitarika ny délégasiona Malagasy amin’io fivoriana io.

    MINISTERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny firosoan’ny Ministera amin’ny fanatanterahana ny asa fanarenana ny Fonjan’Ambatoboeny sy ireo Fonjaben’Ambatondrazaka, Ankazobe ary Maintirano.

    Izany asa fanarenana izany moa dia hatao indrindra mba hitandroana hatrany ny fanajàna ireo fenitra mifehy ny famonjàna sy hanajàna ny zon’ireo voafonja. Ao anatin’izany àry, ny fanarenana ny fonjan’Ambatoboeny dia ahafahana mandray ny ampahany amin’ireo voafonja ao Mahajanga, izay asaina hiasa hampihodina ny tobim-pamokarana ao an-toerana. Ho an’Ambatondrazaka kosa, ny asa izay hatao dia hahafahana manome efitra mitokana avy ho an’ireo vehivavy voafonja sy ireo zaza tsy ampy taona. Fanatsarana ny efitra famonjàna an’ireo zaza tsy ampy taona kosa no hatao ao Ankazobe. Ho an’i Maintirano manokana, satria asa maromaro no hatao, ary satria ihany koa efa akaiky ny fahataperan’ny fe-potoam-pampiasam-bola, dia tapaka fa ny antsasaky ny tetibola no ampiasaina amin’ity taona 2023 ity.

    MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana avy any “Chine” izay ilaina ampiasaina amin’ny fanatanterahana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena MIAMI ao Toamasina.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana sorabola fanampiny ho an’ny fandaniana ho amin’ny fampandehanan-draharaha (dépenses de fonctionnement) ho an’ny Sampandraharaha Malagasy Iadiana amin'ny Famotsiambola na ny SAMIFIN.

    Izany sorabola izany moa dia entina hamatsiana ireto asa ireto :

    - Asa fanamboarana fotodrafitrasa,

    - Fandraisana anjara amin’ny fivoriana iraisam-pirenena ao anatin’ny Vondrona « Egmont »;

    - Fandoavana ireo latsak’emboka iraisam-pirenena;

    - Fanjifana ny aterineto;

    - Fanatanterahana ny « Plan de mise en conformité » ;

    - Fanaparitahana ny Tomban’ezaka nasionaly antsoina hoe « Evaluation Nationale des Risques »

    - Fanatanterahana ireo asa takian’ny iraka manokana tonga teto Madagasikara antsoina hoe « High Level Mission » na HLM.

    MINISTERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena Misahana ny Fifidianana na “CENI” amin’ny fividianana fiarampanjakana miisa efatra (04) mba ahafahany manatontosa ny andraikiny sy mahatratra ny tanjona napetraka aminy ao anatin’ny drafitrasa ao anatin’ny taona maro (Plan de travail pluriannuel).

    Fiara tsy mataho-dalana miisa roa (02) sy fiara “minibus” miisa roa (02) no hovidiana, araka ity fahazoan-dalana ity.

    MINISTERAN’NY FIZAHANTANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hetsika manokana hanaovana fitsangatsanganana anaty balaonina mafana na “montgolfières” maromaro izay hotontosaina ny faha- 05 ka hatramin’ny faha- 26 novambra 2023 ho avy izao.

    Tanjona amin’ity hetsika ity ny fanolorana tolotra samihafa entina hampiroboroboana ny fizahantany eto Madagasikara. Mpizaha tany maro avy amin’ny firenena samihafa no ho tonga ka hanamory “montgolfières” miisa fito (07) ary handalo tanàna maromaro izy ireo : Ampefy, Antsirabe, Ambalavao, Fenoarivo Andonaka, Isalo ary ny lalan’ny Baobab Morondava (allée des Baobabs Morondava). Ny Ministeran’ny Fizahantany no hanokatra ny hetsika amin’ny fomba ofisialy ny faha -05 novambra 2023 hariva, eo amin’ny Araben’ny Fahaleovantena eo alohan’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo.

    MINISTERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Ao anatin’ny tetikasa fanitarana ny seranantsambon’i Toamasina, dia misy ampahany amin’ireo fitaovana izay nafarana no tsy tonga dia nandoavana hetra sy haban-tseranana manontolo fa nosokajiana tao anatin’ny antsoina hoe “admission temporaire spéciale” (ATS). Voafetra ao anatin’ny efatra (04) taona ihany anefa ny fahafahana manao izany ka raha tapitra io fe-potoana io dia tokony averina ny fitaovana. Ankehitriny anefa, dia mbola ilaina amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ireo fitaovana ireo, izay efa nohafarana tamin’ny taona 2018 ny ankamaroany.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra araka izany ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana izay tokony mbola haloa ho an’ireo fitaovana ireo mba ahafahana mampiasa azy ireo eto an-toerana ao anatin’ny fotoana tsy voafetra ary indrindra mba ahafahana manatanteraka soa aman-tsara ny tetikasa fanitarana ny seranantsambon’i Toamasina.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanaovan-tsonia ny tovana laharana voalohany amin’ny Fifanarahana natao tamin’ny 06 aogositra 2023 mikasika ny fepetra fandraisana an-tanana fanampiny ataon’ny Fanjakana ny fandaniana amin’ny fividianana solika “HFO” ho an’ny orinasa JIRAMA mba hiantohana ny famatsiana 17,000m3 isam-bolana.

    Antony roa no nahatonga ny fanaovana ny tovana amin’io fifanarahana io:

    - Ny fiakaran’ny vidin’ny famatsiana ny solika antsoina hoe “HFO” avy amin’ny fitomboan’ny “platts” etsy andaniny ;

    - Etsy ankilany kosa, ny fitomboan’ny filàna HFO eo anivon’ny orinasa JIRAMA amin’izao vanim-potoana maintany izao (oktobra ka hatramin’ny desambra) : raha 15.000m3 izany amin’izao, dia lasa miampy 2.000m3 ankehitriny;

    Ity fifanarahana ity moa dia nosoniavin’ny Fanjakana Malagasy (Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’afo), ny orinasa JIRAMA ary ny orinasa JOVENA.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana manokana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fiarakodia sy fitaovana avy amin’ny JICA ho an’ny tetikasa fanatsarana ny fikirakirana ny fako eto Antananarivo (Projet de Gestion des Déchets Solides pour une ville propre à Antananarivo na GESDA).

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana manokana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ny fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny fotodrafitrasa fampidirina rano fisotro madio na “AEP” any amin’ny Kaominina ambanivohitr’Antanimora, Andalatanosy ary Isoanala ao amin’ny Faritra Androy sy Anosy.

    Ny fanafarana ireto fitaovana ireto dia tafiditra ao anaty tetikasa RANOSOL izay mikendry ny hanatsarana ao anaty fotoana maharitra ny famatsiana rano fisotro madio ary ny hiadiana amin’ny maintany any amin’ny Faritra atsimon’i Madagasikara. Ny “Fondation Enérgie pour le Monde » (FONDEM) sy ny « Alimentation en Eau dans le Sud » (AES) no miara-miasa ao anatin’ity tetikasa ity.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny anomezana alalana ny ministera hanefa ireo fandaniana momba ny saran’ny fanadihadiana ara-tontolo iainana (Etude d’Impact Environnementale (EIE) sy ny fisahanana ara-tontolo iainana (Plan de Gestion Environnementale (PGEP) mikasika ny tetikasa fanatsarana ny TANA-MASOANDRO Andiany voalohany.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tolo-bidy nomen’ny orinasa naharaiki-barotra hisahana ireo asa fanajariana, andiany faharoa, momba ny sisin-dranomasina « Beach Games » ao Toamasina (MIAMI SUD) sy ny sisin-dranomasina ao Seranandaka ao Toliara.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tolo-bidy nomen’ny orinasa naharaiki-barotra (entreprises adjudicataires) izay hisahana ny asa fanamboarana ny trano antsoina hoe « maisons communautaires » ao Farafangana, Fenoarivo Atsinanana, Vatomandry, Mahanoro ary Mananjary.

    Ireto fanorenana ireto moa dia tafiditra indrindra ao anatin’ny tetikasa fampandrosoana sy fanatsarana ny trano fonenana. Miisa roa amby folo (12) ireo trano izay haorina ireo, ary marobe ny azo ampiasaina azy : azo ampiasaina ho biraom-pokontany ho an’ireo toerana izay mbola tsy manana, azo atao toeram-pivoriana, na fanaovana hetsika maro samihafa ary indrindra indrindra, azo andraisana ireo tra-boina raha sanatria misy ny loza voajanahary toy ny rivo-doza.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana fitaovana ilaina amin’ny fanamboarana ny fitanterana an-tariby ho an’ny ampahan-dalana Soarano-Ivandry, amin’ny zotra Volomboasary mampitohy an’Anosy sy Ambatobe.

    Ny fitaovana izay hafarana amin’ity andiany vao tonga ity dia ireo izay hampiasaina amin’ny “appareil n°2-3” toy ny “pylonnes”, sy ireo kojakoja miaraka aminy, ao ihany koa ireo kojakoja ilaina amin’ny toeram-piantsonana na “gares”.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Noraisina ny didim-panjakana amindrana ny sorabola fanampiny mitentina 3 947 190 000 Ariary avy ao amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola hoan’ny tetibola taona 2023 ka homena ho an’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana ao anatin’ny fikarakarana ny fifidianana filoham-pirenena.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISTERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana izay anendrena an-dRamatoa ANDRIATSIMIHETRY RAMESY Farasoambolanoro Marie Jackia, ho Governoran’ny Faritra Analamanga mpisolo toerana.

 

Natao ny 24 oktobra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta Ifarimbonana,

Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany

RAMAHOLIMASY Pierre Holder

Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana

RAHANTANIRINA Gabriella