TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 11 oktobra 2023 – Lapam-panjakana MAHAZOARIVO

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany alarobia 11 oktobra 2023 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta Ifarimbonana, ary natrehin’ireo minisitra isan-tokony sy ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Sekretera Jeneraly Lefitra, ny Talen’ny Kabinetra, ary ny Tale misahana ny raharaha araka ny lalàna eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISTERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovan’ny Ministeran’ny Fitsarana famindrana sorabola ao anaty fandaharan’asa na « amenagement de crédit » mba ahafahany mampiasa ny vola mitentina 284 445 500 Ariary entina hamelomana sy hampandehanana ireo tobim-pamokarana na « camps pénaux » miisa sivy (9) ao Tsaratanana, Vatomandry, Andaloasy (Antsiranana), Ambatoboeny, Ihadilalana Ambositra, Ampanihifana (Moramanga), Andilanomby (Ambatondrazaka), Andonaka Fianarantsoa ary Mitsinjoarivo (Morondava). Io vola io dia natokana hividianana fitaovam-pamokarana, masomboly ary hanofàna ireo fiara lehibe toy ny “tracteurs” ampiasaina amin’ny fambolena amin’ny velaran-tany lehibe. Voafonja miisa 17.000, fonja miisa 14 no kendrena hisitraka ny vokatra azo avy amin’ireo tobim-pamokarana ireo; ary Fitaleavam-paritra momba ny Fandraharahana ny Fonja miisa 10 no hitantana izany. Ankoatra izay, ny famelomana ireto Tobim-pamokarana ireto dia hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny tetibolan’ny Minisiteran’ny Fitsarana satria dia ampahany lehibe amin’izany tetibola izany ankehitriny no atokana ho an’ny fividianana ny sakafon’ny voafonja avokoa.

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana avy any ivelany ireo fitaovana izay vatsian’ny tetikasa MIONJO. Ireo fitaovana izay hafarana ireo dia ahitàna fiara tsy mataho-dalana miisa 24, moto miisa 18, solosaina miisa 453 ary fitaovana informatika maro isan-karazany. Ireo Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ao anatin’ny Faritra Anosy, Androy ary Atsimo Andrefana no hisitraka ny ankamaroan’ireo fitaovana ireo.

    MINISTERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana avy any ivelany, pasipaoro miisa 22000.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana avy any ivelany ny fitaovana entina ametrahana ny “laboratoire de science médico-légal numérique (digital forensic laboratory).”

    Ireo fitaovana ireo moa dia fanomezana avy amin’ny firenena sinoa araka ny fifanaraham-piaraha-miasa voasonia tamin’ny taona 2022

    MINISTERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitsaharana ny fivarotana sy fanomezana ireo tanim-panjakana natokana na “terrains du domaine privé affectés” ho an’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, ireo Oniversitem-panjakana, ireo Ivotoeram-pikarohana nasionaly na « Centres Nationaux de Recherche” ary ireo Sampam-pianarana ambony momba ny Teknolojia na “Institut Supérieur des Technologies ” (IST). Noraisina izao fanapahan-kevitra izao mba hiarovana an’ireo sokajina tanim-panjakana ireo izay matetika iharan’ny fifanolanana sy fibodoana ataon’ny olon-tsotra. Ankoatra izay dia maro ihany koa ankehitriny ireo olon-tsotra no mametraka fangatahana hividy an’ireo tanim-panjakana ireo. Manoloana izany àry, dia tapaka fa:

    - Atsahatra tanteraka ny fivarotana na ny famindrana ho an’ny hafa an’ireo tany voatsiahy etsy ambony ireo, singanina manokana amin’izany ny tanin’ny “Centre National d’Application des Recherches Pharmaceutiques” (CNARP) sy ny an’ny Foibem–pirenena momba ny Fikarohana ampiharina amin’ny Fampandrosoana ny ambanivohitra na FOFIFA, ireo tanin’ny oniversite sy ny IST ary ireo Ivotoeram-pikarohana rehetra miankina amin’ny fanjakana;

    - ireo tany ireo dia natokana ho an’ny ministera sy ny oniversite mba entina hanatrarany ireo tanjona sy andraikitra nankinina aminy, noho izany, dia tsy azo atao ny mizara amin’ny Mpampianatra na Mpiasa sy Mpandraharaha eny anivon’ny ministera sy oniversite, IST ary ny CNR ireo tany ireo.

    MINISTERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana avy any ivelany ny milina antsoina hoe « unité de désalinisation solaire” miaraka amin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fampihodinana azy, izay hapetraka ao Belitsaka, Kaominina Ambanivohitra Itampolo, Distrikan’i Ampanihy, Faritra Atsimo-Andrefana. Ny fanafarana an’io milina io dia entina hanamafisana ny ezaka famatsian-drano fisotro ho an’ny mponina miaina any ambanivohitra ao anatin’ny Faritra Atsimo Andrefana, ary tohana azo avy amin’ny Fikambanana antsoina hoe « TRANS-MAD DEVELOPPEMENT » izay miara-miasa amin’ny Ministeran’ny rano, ny fanadiovana ary fidiovana.

    MINISTERAN’NY MPONINA, NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY ARY NY FAMPIROBOROBOANA NY VEHIVAVY + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana avy any ivelany ireo “conteneurs” miisa 50 izay mitondra fanomezana natokana ho an’ireo ankizy sahirana manerana ny nosy. Ao anatin’ireo fanomezana ireo dia ahitana fitafiana, kilalao, fitaovam-pidiovana na koa fitaovam-pianarana, tolotra avy amin’ny fikambanana amerikana antsoina hoe “Samaritan’s Purse” izay soloin’ny Fikambanana “Tetikasa Ankizy Krismasy” na TAK tena eto Madagasikara. Tombanana eo anelanelan’ny 150 000 Ariary ka hatramin’ny 300 000Ariary ny vidin’ny fanomezana anaty baoritra iray, saingy natao hozaraina maimaim-poana amin’ny ankizy sahirana, 2 ka hatramin’ny 14 taona manerana ny nosy izany.

    SEKRETERAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana avy any ivelany ny milina mpihary herinaratra na “groupe électrogène” hampiasaina ho an’ny ampahan-dalana voalohany Anosy – Soarano amin’ny Fitaterana an-tariby na “Transport par câble” ao anatin’ny Zotra Volomboasary mampitohy an’Ambatobe sy Anosy.

    Izany milina mpihary herinaratra izany moa dia natao indrindra hampiasaina hitsinjovana ny mety ho fahatapahan-jiro mba ahafahana mampandeha sy tsy hampiato ny Fitaterana an-tariby.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    GOVERNEMENTA

    Noraisina ny didim-panjakana iantsoana ny Antenimieran-doholona hanatontosa fivoriana tsy ara-potoana ny Alakamisy 12 oktobra 2023.

    Ny Alarobia 11 oktobra 2023 dia nametraka taratasy fangatahana teo anivon’ny Governemanta ny Loholon’ny Madagasikara miisa 14 ny amin’ny ahafahan’izy ireo hanatanteraka ny fivoriana tsy ara-potoana. Ny lalàm-panorenana dia mametraka ny fepetra fa mba ahazoan’ny Antenimeran-doholona manao izany fivoriana tsy ara-potoana izany dia mila manao fangatahana ny antsasa-manila amin’ny Mpikambana ao amin’izany Antenimiera izany.

    MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Noraisina ny didim-panjakana hanatanterahana ny famindrambola enti-mamokatra na “crédits d’investissement” mitentina 387 845 676 Ariary ao anatin’ny tetibola 2023, avy ao amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ho an’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny Fifidianana na ny CENI, entina hanomanana ny fikarakarana ny Fifidianana ho Filoham-pirenena.

    MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISTERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA + MINISTERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA + MINISTERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    Noraisina ny didim-panjakana hamaritana ny fandrindrana, fampandehanan-draharaha ary ny firafitry ny Vovonana nasionaly antsoina hoe « UNE SEULE SANTE » eto Madagasikara.

    Madagasikara dia mpikambana ao amin’ny tambajotra iraisam-pirenena antsoina hoe « Réseau de Surveillance et de Gestion des Alertes (SEGA) One Health » de la Commission de l’Océan Indien ». Ny tanjon’ity tambajotra ity dia ny fanamafisana ny fanaraha-maso ireo areti-mifindra sy ny fanatsaràna ny fomba enti-misoroka sy fiatrehana an’ireo aretina ireo. Ny fametrahana an’ity Vovonana nasionaly ity àry dia hahafahana mampihatra eto an-toerana ireo asa sy tolotra avoitra ny maha-mpikambana antsika ao anatin’izany tambajotra iraisam-pirenena izany. Ny Vovonana nasionaly « UNE SEULE SANTE » dia rafitra eo anivon’ny Primatiora ary ministera maromaro no handrafitra azy: ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy, Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana.

 

Natao ny 11 oktobra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta Ifarimbonana,

Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany

RAMAHOLIMASY Pierre Holder

Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana

RAHANTANIRINA Gabriella