TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 04 oktobra 2023 – Lapam-panjakana MAHAZOARIVO

Notanterahina teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo androany alarobia 04 oktobra 2023 ny filan-kevitry ny minisitra, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra Ntsay Christian, lehiben’ny Governemanta Ifarimbonana, ary natrehin’ireo Minisitra isan-tokony sy ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Sekretera Jeneraly lefitra, ny Talen’ny Kabinetra, ary ny Tale misahana ny raharaha araka ny lalàna eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanitarana ny fandrafokana ny fiantohana ataon’i Madagasikara ao anatin’ny « ARC REPLICA » fandaharanasan’ny African Risk Capacity na ARC. Raha tsiahivina, noho ny fahitana fa miha-mitombo ireo loza voajanahary tao anatin’ny taona vitsivitsy izay, tahaka ny rivo-doza, hain-tany, tondra-drano sy ny sisa, vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro izay mamparefo an’i Madagasikara, dia nanapa-kevitra ny Fanjakana malagasy fa hanitsy ny paikady entina miatrika ireny loza voajanahary ireny, ka niditra ho mpikambana amin’ny rafitra « Mutuelle Panafricaine de Gestion des Risques – African Risk Capacity (ARC). Nanomboka tamin’ny naha-mpikambana antsika tamin’ny 2019 dia nanana fiantohana hatrany isika ary efa nisitraka izany tamin’ireo loza voajanahary nandalovan’ny firenena. Mbola hotohizana izany paikady izany amin’ity taona 2023-2024 ity, ka hanamafy izany amin’ny alalan’ny “ARC Replica”. Ity farany ity dia natao indrindra hanitarana ny fanasokajiana ny olona marefo ho voarakotry ny fiantohana, kanefa tsy mampitombo ny latsakemboka aloantsika. Hiara-hiasa amintsika ao anatin’izany ny ONG Start Network izay efa mpisehatra eo amin’ny fiantohana ara-tsakafo, ankoatra ny efa fiaraha-miasantsika amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo na ny PAM. Ny ONG Start Network dia efa mpiara-miombon’antoka amin’ny ARC, ka ny foiben’ny ARC no nanolo-kevitra ny fiarahamiasan’i Madagasikara aminy, fa tsy maintsy ankatoavin’ny Fanjakana Malagasy kosa. Handoa latsakemboka tahaka an’i Madagasikara ihany koa, araka izany, ny ONG Start Network, ka raha misy ohatra ny loza voajanahary ahazoantsika tambim-piantohana dia hahazo izany ihany koa ny ONG ary tsy maintsy hampiasainy hanampiana ireo vondron’olona tra-pahavoazana eto Madagasikara ihany izany.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana akora ilain’ny Trano Printim-pirenena (Imprimerie Nationale) amin’ny fanontana ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny fikarakarana ny fifidianana (imprimés électoraux).

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanamaivanana ny dingana ara-panjakana mikasika ny fanomezana tsenan’asam-panjakana amin’ny fanamboarana ireo takela-kazo hametrahana ny peta-drindrina momba ny fifidianana, izay hampiasain’ny Vaomiera Mahaleo Tena Misahana ny Fifidianana (CENI).

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana ara-informatika, fanomezana avy amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD) hanampiana ny Birao Nasionaly mitantana ny Ambana sy ny Loza voajanahary (BNGRC). Hampitaovana ireo Sampan’ny BNGRC any Ambovombe, Mahajanga ary Toamasina.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana manokana mba hanafohezana ho 15 andro ny fe-potoana hanaovana ny tolo-bidy amin’ny fanomezana tsenan’asam-panjakana mikasika ny asa fanorenana ny fotodrafitrasa toha-drano eo amin’ny ilany havia amin’ny reniranon’i Sisaony, Kaominina Ambanivohitra Androhibe sy Antanetikely Ambohijoky, distrika Atsimondrano Faritra Analamanga. Efa notapahan’ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 20 Septambra 2023 ny fanamboarana ny tetibola anatin’ny Minisitera, mba ahafahana manao ny asa noho ny hamehana, hanarenana ny fotodrafitrasa mialohan’ny vanim-potoanan’ny orana.

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tatitra mikasika ny fahavitan’ny asa fanamboarana sy ny fanolorana ireo fotodrafitrasa hiadidian’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ao anatin’ny fandaharanasa « Fampandrosoana ny Jono sy ny harena an-dranomasina » :

    • Fotodrafitrasa miisa 07 namboarina avy tamin’ny famatsiambola madion’ny Minisitera (PIP) :

    - Toby fampangatsiahana (unités de froid) miisa 2 any Ambatondrazaka sy Morondava

    - Toby fanodinana trondro (unités de transformation) miisa 2 any Miandrivazo sy Manakara

    - Toeram-pitehirizana entana amin’ny tsena (hangars de marché) miisa 2 any Maevatanàna sy Morombe

    - Ary fari-pampivoarana fiompiana trondro (zone d’émergence piscicole) any Ihosy

    • Fotodrafitrasa miisa 16 namboarina avy amin’ny tetikasa « SWIOFISH II » :

    - Birao fiasana miisa 4 any Ambanja, Fenoarivo Atsinanana, Toliara, Ambovombe

    - Fampidinana entana (débarcadère) miisa 1 any Ambanja

    - Fotodrafitrasa maromaro ho an’ny jono (complexes de pêche) miisa 11 ka 2 any Maroantsetra, 1 any Mananara-Avaratra, 3 any Ambilobe, 2 any Nosy Be Hellville ary 3 any Ambanja.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny haba sy hetra ary tataon-ketra ao anatin’ny fifanarahana findramam-bola « EDCFn Loan Agrement N° MDG – 3 » nataon’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny EXIM Banque any Corée. Izany dia ho fanatanterahana ny tetikasa « Projet de Renforcement et d’Interconnexion des Réseaux de Transport d’Energie électrique à Madagascar (PRIRTEM-I) ».

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    Ho fanatanterahana ny tetikasa fanatsarana ny fahazoana rano fisotro madio na « PAAEP » vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola, dia hisy ny fanadihadiana ara-stratejika hatao ao anatin’ny volavolan-tetikasa mialoha (Avant-projet sommaire) mikasika ny fanamboarana toha-drano lehibe amin’ny reniranon’i Mandrare. Izany dia hitondrana vahaolana hafa ihany koa amin’ny olan’ny famatsian-drano ny faritra Atsimo. Efa nisy ny tolo-bidy natao mba hanatanterahana izay fanadihadiana ara-stratejika izay, ka taorian’ny dingana ara-panjakana ho fanokafana ny tolo-bidy dia ny vondrona « FUGRO GEIOD » sy ny « FUTURMAP » no nahazo ny asa, amin’ny maha-tsenan’asam-panjakana azy tamin’ny 21 Jolay 2023. Ao anatin’ny asa tsy maintsy hatao dia hisy ny sidina tsy maintsy hatao mba hakana ny torohay “topographiques” amin’ny alalan’ny teknika antsoina hoe « LIDAR ». Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana alalana manokana an’io vondrona io mba hanafatra fiaramanidina iray an’ny orinasa antsoina hoe « Tallow Africa » izay voafetra ho 30 andro ny faharetan’ny fampiasana azy, ary tsy azo ampiasaina ankoatra ny amin’io fanadihadiana ara-stratejika io any amin’ny faritra Atsimo.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana amin’ny fampanofana-fivarotana sy fivarotana sy ny fandraisana ireo vola miditra amin’ny fivarotana ireo « logements mora » na trano fonenana naorin’ny Sekreteram-panjakana, amin’ny alalan’ny Sampandraharaham-pirenena ho fanohanana ny toeram-ponenana na ANALOGH. Ankehitriny dia efa misy toeram-ponenana “trano mora duplex” miisa 920 ka 765 no efa vita tanteraka ary 155 andalam-panamboarana, izay mitsinjara amin’ny Distrika miisa 9. Efa misy ihany koa toeram-ponenana « appartements mora » miisa 186 efa vita ary efa azo amidy. Ny vola miditra rehetra amin’ny fivarotana ireo karazana trano sy toeram-ponenana ireo dia haompana amin’ny fampandehanana ny ANALOGH ankoatra ny saram-pitantanana 2% amin’ny vola azo amin’ny fampanofana-fivarotana sy ny fivarotana.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY FITSARANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin’ny lalàna lf : 2018-043 tamin’ny 13 febroary 2019, mifehy ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiana ny asa fampihorohoroana. Izany dia mifanaraka amin’ny tsoakevitra avy amin’ny « Groupe d’Action Financière” na GAFI. Mbola handalo hodinihana sy holaniana eny anivon’ny Parlemanta ihany ity volavolan-drijatenin-dalàna ity.

  • III- FANESORANA TOMPON’ANDRAIKI-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FANOFANANA ARAK’ASA

    Nofoanana ny didim-panjakana nanendry ny Tale iraisam-paritry ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa any Vatovavy sy Fitovinany.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBARATONGA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Nofoanana ny didim-panjakana lf : 2022-1293 tamin’ny 07 septambra 2022 nanendry ny Talen’ny « Réformes et Suivi-Evaluation ».

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    Nofoanana ny didim-panjakana lf : 2020-1205 tamin’ny 23 septambra 2020 nanendry ny Talen’ny « Partenariat et Coopération » eo anivon’ny Ofisin’ny Radio sy Televiziona ORTM.

    MINISITERAN’NY MPONINA SY NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY ARY NY FAMPIROBOROBOANA NY VEHIVAVY

    Nofoanana ny didim-panjakana lf : 2019-978 tamin’ny 03 marsa 2019 nanendry ny Talem-paritry ny Mponina, ny Fiahiana Ara-tsosialy ary ny Fampiroboroboana ny Vehivavy any Androy.

 

Natao ny 04 oktobra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta Ifarimbonana,

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY