TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 05 Jolay 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriambe ara-potoanan’ny Filan-kevitra mpanatanteraky ny Vondrona Afrikana, andiany faha-43 izay ho tanterahina any Nairobi Kénya, ny 13 sy 14 Jolay 2023 ho avy izao. Ny minisitry ny raharaham-bahiny sy ny minisitra misahana ny fitantanam-bola rehetra avy amin’ireo firenena mpikambana no handray anjara amin’ny fivoriambe, ka anisan’ny hodinihana ny mikasika ny tetibolan’ny Vondrona Afrikana, ny fifidianana ireo mpikambana hitantana ny rafitra samihafa ao anatin’ny Vondrona Afrikana, ary ny fankatoavana ny filatsahan-kofidian’ireo kandida hisolo tena ny Vondrona Afrikana amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena tahaka ny Komitin’ny Firenena Mikambana misahana ny fiarovana ny zon’ireo mpiasa nifindra monina sy ny fianakaviany, sy ny Komitin’ny Firenena Mikambana miady amin’ny fampijaliana olona.

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana ny Minisiteran’ny Fitsarana hampiasa ny ampahany amin’ny tetibolany hividianana fandriana sy kidoro vaovao mba hampitaovana ireo fonja vaovao vao natsangana.

    Ireto avy ireo fonja ireo :

    - Fonja misy fiarovana manokana (maisons de force) : Toamasina sy Ihosy

    - Fonja be (maisons centrales) : Belo Tsiribihina, Amboasary Atsimo, Ambositra, Antananarivo Avaradrano.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Ho fanatanterahana ny fampanantenana nataon’ny Filohan’ny Repoblika, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny firosoana amin’ny fanombohana ny asa fanamboarana ny Anjerimanontolon’i Maroantsetra (campus universitaire).

    Izany dia ahitana :

    - Trano lehibe voalohany hisy efitrano fianarana, efitrano malalaka fivoriana, efitrano informatika, toeram-pitsaboana, efitrano ho an’ny mpampianatra, birao isan-tsokajiny. 

    - « Amphithéâtre »,

    - Trano lehibe faharoa izay hisy tranomboky, laboratoara, efitrano fanolorana voka-pikarohana,…

    - Kafetaria

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fikitihana ny tetibola anatin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, mba hisy ampahany alefa amin’ny fividianana fanafody sy kojakoja fanabeazana aizana haparitaka amin’ny hopitalim-panjakana amin’ity taona 2023 ity. Vehivavy sy renim-pianakaviana miisa 3.496.701 izay efa manao fandrindram-piterahana no hisitraka an’ireo fanafody sy kojakoja fanabeazana aizana ireo, ary hiampy mpisitraka vaovao miisa 1.700.000 manerana ny Nosy. Marihana fa fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana UNFPA ity fandaharanasa fanabeazana aizana eto Madagasikara ity. 

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanatontosana ny atrikasa hakana ny hevitry ny besinimaro mikasika ny fanondranana henomby, ny 06 ka hatramin’ny 10 Jolay 2023. Izany dia manoloana ny fitsanganan’ny orinasa BOVIMA, novatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola. Any Ambovombe, faritra Androy sy Tolagnaro, faritra Anosy no hatao ny fakan-kevitra.

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoan’ny Minisitera amin’ny fanaovana fifanarahana jono amin’ireo sambo mpanjono ara-indostrialy aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Araka izany dia nekena ny fanavaozana ny fifanarahana miisa 4 izay mahakasika orinasa mpanjono 3 lehibe, mampiasa sambo mpanjono miisa 28. Tombanana hahatratra 3.769 taonina ny vokatra jono ho azon’ireo sambo ireo, izay hampiditra tamberim-bidy mitentina 1.809.700.000 Ariary ho an’ny firenena malagasy sy hamorona asa hatrany amin’ny 261 any anaty sambo. Sokajiana ho ara-indostrialy ny sambo mpanjono iray manana tanjaka motera mihoatra ny 50 CV. Mba hialana amin’ny mety ho fifanolanana amin’ireo mpanjono madinika dia any amin’ny fari-dranomasina lavitra kokoa izy ireo no omena alalana hanjono, izany hoe aorian’ny “08 miles marin” any amin’ny sisiny andrefan’ny Nosy, ary “02 miles marin” kosa amin’ny sisiny atsinanan’ny Nosy.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoan’ny Minisitera amin’ny fanaovana fifanarahana jono amin’ireo sambo mpanjono madinika (pêche artisanale) aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Orinasa 2 sy mpanjono miasa tena manana sambo mpanjono miisa 29 sy sambo mpanao tohana miisa 1 no voakasiky ny fifanarahana, tombanana hahatratra 4.059 taonina ny vokatra jono ho azon’izy ireo, izay hampiditra tamberim-bidy amin’ny firenena malagasy mitentina 1.829.900.000 Ariary.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanapahana ny fifanarahana nanamboarana sy itrandrahana foibe famokarana sy fizarana angovo ara-herinaratra ao amin’ny Fokontany Joffre Ville Centre, Tanambao, Antsakoamasina ary Morafeno ao amin’ny kaominina ambanivohitra Joffre ville, distrika Antsiranana II, faritra DIANA. Raha tsiahivina dia tamin’ny 11 jolay 2016 no nanasonia io fifanarahana io niaraka tamin’ny orinasa Mad’Eole SARL ny Minisiteran’ny Angovo, ka namatsiana herinaratra ireo fokontany voalaza eo ambony ireo. Naharay fitarainana matetika amin’ny fomba fiasan’ny orinasa ny Minisitera, ka nisy ny fidinana ifotony tany an-toerana nataon’ny solontenan’ny Minisitera, ny sampandraharaha fampiroboroboana ny famatsiana herinaratra ambanivohitra na ADER ary ny Ofisin’ny fandrindrana herinaratra na ORE, nijerena ny zava-misy marina. Hita tamin’izany fa nijanona tanteraka mihitsy ny famokarana sy ny fitsinjarana herinaratra ataon’ny orinasa. Nomena fampitandremana « mise en demeure » ny orinasa ny 26 Avrily 2023, ary nomena 20 andro mba hamerenany ny asa famatsiana herinaratra ny mponina any an-toerana. Izany dia mifanaraka amin’izay voalazan’ny fifanarahana nifanaovan’ny 2 tonta, ao amin’ny andininy faha-16 andalana faha-4 sy faha-21. Na dia teo aza anefa ny fampitandremana, dia tsy mbola nisy fiovana ny zava-nisy avy amin’ny orinasa Mad’Eole SARL. Noho izany dia voatery hotapahana ny fifanarahana. Koa satria tsy mifanalavitra amin’ny tambajotran’ny JIRAMA ny tanàna dia hampifandraisina amin’ny tambajotran’ny JIRAMA ny famatsiana herinaratra any an-toerana.

    MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHAN-TENA

    Ho fanomanana sy fiatrehana ny Lalaon’ny Nosy aty amin’ny Ranomasimbe Indiana izay hatao eto Madagasikara, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ireo fitaovana ara-panatanjahan-tena rehetra hampiasaina amin’ny lalaon’ny Nosy.

    Nankatoavina ihany koa ny hanomezana alalana ny Komity Nasionaly mikarakara ny Lalao (COJI), mba ho afaka hanao dingana manokana mikasika ny tsenan’asam-panjakana amin’ ireo asa tsy maintsy hatao ao anatin’ny fanomanana sy ny fandraisana izay lalaon’ny Nosy izay, mifanaraka amin’ny « manuel de procédure » efa nankatoavin’ny Fahefana mandamina ny tsenan’asam-panjakana (ARMP), amin’ny maha-rafitra ara-diplomatika azy misolo tena ny Komity iraisam-pirenena ho an’ny Lalaon’ny Nosy (CIJ).

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Mba hiantohana ny fikojakojana ny Kianja BAREA amin’ny fomba manara-penitra, ka mba hampaharitra azy, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hananganana orinasam-panjakana manokana hisahana ny fitantanana ny Kianja. Orinasa tsy mitonona anarana izay ahitana ny fandraisana anjaran’ny Fanjakana Malagasy (société anonyme à participation publique) antsoina hoe « SOCIETE DE PATRIMOINE KIANJA BAREA SA » no hatsangana, ka ny 75% ny petra-bola no an’ny Fanjakana Malagasy ary ny 25% dia an’ny Kaominina ambonivohitra Antananarivo (CUA) izay tompon’ny tany. Hatreto dia ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana no mitantana ny Kianja BAREA, fa aorian’ny fitsanganan’ny orinasa « SOCIETE DE PATRIMOINE KIANJA BAREA SA » dia hankinina aminy ny fitrandrahana, ny fiarovana, ny fikojakojana, ny fampitaovana ary ny fitantanana ity fotodrafitrasa goavana ity, amin’ny anaran’ny Fanjakana Malagasy.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manambara fa ilaina ho amin’ny tombontsoam-bahoaka ny asa fanorenana sy fanajariana foibe famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny rano (centrale hydroélectrique) any amin’ny reniranon’i Lokoho ao anatin’ny Kaominina Ambanivohitra Belaoko Lokoho, distrikan’Andapa, sy ny zotra fitaterana herinaratra ao anatin’ny Kaominina ambanivohitra Belaoko Lokoho, Ambohimanga 1, Andrakata, Ankiakabe, Ambodidivaina, Tanandava, Belaoko Marovato, Matsohely, Andranomena, Ambodiangezoka, Marovato, Andasibe Kobahina, Ambalamanasy, Betsakotsako Andranotsara sy Bealampona, Distrikan’Andapa sy ny Kaominina Ambanivohitra Maroambihy, Ambodiampana Lokoho, Ambodivoara sy Ambohimalaza, Distrikan’i Sambava, faritra SAVA. Ao anatin’ity didim-panjakana ity ihany koa ny fanomezan-dalana hahafahana maka ny ampahana tany na trano tafiditra ao anatin’ny asa fananganana ny Foibe famokarana herinaratra, na amin’ny alalan’ny fifanarahana amin’ny tompon’ny tany na trano ka ahafahana mividy izany tany na trano izany (acquisition par voie amiable), na amin’ny alalan’ny fanalana ireo olona voakasika noho ny tombontsoam-bahoaka (expropriation pour cause d’utilité publique).

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manambara fa ilaina ho amin’ny tombontsoam-bahoaka ny asa fanajariana ny foibe famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny rano (centrale hydroélectrique) any amin’ny reniranon’Ampanobe, ao anatin’ny Kaominina Ampanefena, sy ny asa fanamboarana foibe famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro ao anatin’ny Fokontany Antohomaro, kaominina ambanivohitra Tsarabaria sy ao anatin’ny Fokontany Antsahamanara, kaominina Ambodisambalahy, ary ao anatin’ny Fokontany Antanamiketraka, Antsarakiaka ary Andampilava, Kaominina ambanivohitra Antsirabe Avaratra ; sy ny asa fananganana ny zotra fitsinjarana herinaratra ao anatin’ny Kaominina ambanivohitra Tsarabia, Ambodisambalahy, Ampanefena ary Antsirabe Avaratra, Distrikan’i Vohémar, faritra SAVA. Ao anatin’ity didim-panjakana ity ihany koa ny fanomezan-dalana hahafahana maka ny ampahana tany na trano tafiditra ao anatin’ny asa fanajariana ny Foibe famokarana herinaratra, na amin’ny alalan’ny fifanarahana amin’ny tompon’ny tany na trano ka ahafahana mividy izany tany na trano izany (acquisition par voie amiable), na amin’ny alalan’ny fanalana ireo olona voakasika noho ny tombontsoam-bahoaka (expropriation pour cause d’utilité publique).

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA + MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    Ho fanatanterahana ny Veliranon’ny Filohan’ny Repoblika, mikasika ny toeram-ponenana mendrika ho an’ny rehetra, dia nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana hamaritana ny fenitra araka ny lalàna amin’ireo tahirin-tany hampiasaina amin’ny toeram-ponenana sy tanàna vaovao ary ireo faritra manokana hananganana izany (régimes juridiques de réserves foncières pour l’habitat, les nouvelles villes et les nouveaux pôles). Ireo tanim-panjakana izay efa voatilin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana niaraka tamin’ny Minisitera ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany no voakasik’ity fenitra araka ny lalàna ity.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa M. AUGUSTE Rakotofiringa Jean Marc, ho "Responsable de l’Unité de Partenariat Public-Privé" (UPPP)

    MINISITERAN'NY RANO NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFIMAHATRATRA Arnaud Fidzérald, ho Talem-paritry ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana ao Atsimo Andrefana

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-424 tamin'ny 20 martsa 2019 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIANARIMBOLA Jocelyn, ho "Directeur des Ressources Humaines"

 

Natao ny 5 Jolay 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO