TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA MANOKANA MIKASIKA NY FANAMBOARANA NY LALAM-PIRENENA SY NY LALAN’ANTANANARIVO

Zoma 07 jolay 2023 – Lapam-panjakana Ambohitsorohitra

Nisy ny Filan-kevitry ny Minisitra manokana notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA, natrehin’Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta sy ny Minisitry ny Asa vaventy, ary ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina amin’ny maha-mpitondra tenin’ny Governemanta azy.

Ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN2, RN4, RN6, RN7, RN9, RN11 ary RN14 sy ny lalana eto Antananarivo Renivohitra no laha-dinika tamin’izany. Ankoatra ny asa fanamboarana ampahany izay efa mandeha amin’izao fotoana izao amin’ireo lalam-pirenena ireo, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra fa hisy ampahany hafa fanampiny ihany koa hirosoana ny fanamboarana azy ary horaisin’ny Fanjakana an-tanana ny famatsiam-bola azy madiodio (ressources propres internes -RPI) :

Lalam-pirenena RN2:

  • PK 11+000 ka hatrany amin’ny PK 78+100
  • Lalana mandalo ny tampon-tananan’i Moramanga.
  • PK 218+000 ka hatrany amin’ny PK250+000 eo anelanelan’Antsampanana ka hatrany Brickaville

Lalam-pirenena RN4 :

  • PK403+000 ka hatramin’ny PK460+000

Lalam-pirenena RN6:

  • PK32 ka hatramin’ny PK409+100

Lalam-pirenena RN7:

  • PK258+000 mandalo an’Ambositra ka hatramin’ny PK311+000 Ambodiala

Lalam-pirenena RN9 :

  • Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanombohana ny fanamboarana ny tetezana Mangoky, taorian’ny tolo-bidy dia ny orinasa CRBC izay nahazo ny tsenan’asam-panjakana no hisahana azy. Hanomboka amin’ny faran’ny volana Jolay ny asa fanamboarana ity tetezana lava indrindra eto Madagasikara ity. Ankoatra izay dia efa madiva hifarana koa ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN9 ary hotokanana tsy ho ela.

Lalam-pirenena RN11 :

  • Fanamboarana ireo tena lavaka (points noirs) no hatao eo anelanelan’i Mananjary ka hatrany Nosy-Varika.

Lalam-pirenena RN14 :

  • Fanamboarana ireo tena lavaka (points noirs) eo anelanelan’ny PK17 ka hatramin’ny PK 92 izay mandalo ireo faritra 2, Vatovavy sy Fitovinany ary tonga hatrany Ifanadiana sy Ikongo.

Lalana Antananarivo Renivohitra : efa misy ny asa fanamboarana mandeha amin’izao fotoana izao, fa manampy izany dia misy ampahan-dalana miisa 11 no nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra fa hirosoana ihany koa ny fanamboarana azy.

 

 

Natao ny 7 jolay 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO