TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 28 Jona 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany mikasika ny fampidirana ireo kojakoja samihafa, menaka sy akora fikajiana ny angidimbin’ny Tafika Malagasy AS350B2 sy H130.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana ny trano fananan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ho lasa fananan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM). Io trano io dia ilay antsoina hoe « HOTEL DU TRÉSORIER GÉNÉRAL » ampiasain’ny Komity « CSI » eo Antaninarenina ankehitriny. Mila fanitarana manko ny biraon’ny BFM satria efa tsy ampy intsony ny birao misy azy ankehitriny, hahamora kokoa ny fanitarana ny fahafahan’izy ireo mampiasa ilay trano « Hotel du trésorier général » izay mifanila amin’ny biraon’ny BFM ankehitriny sy ny trano vaovao vao haoriny. Efa misy toerana hafa kosa hatolotra ny CSI mba ho birao fiasany eny Andohatapenaka. Marihina rahateo fa efa misy vina hamondronana amin’io toerana iray io ny rafitra rehetra miady amin’ny kolikoly (CSI, BIANCO, SAMIFIN, ARAI, hatramin’ny PAC) ary nanome toromarika Andriamatoa Filohan’ny Repoblika nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra mba hijerena akaiky ny fahafahana manatanteraka izay vina izay amin’ny fanamboarana ireo trano fiasana samihafa eo Andohatapenaka ireo.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fananganana foibe tokana “guichet unique” hikirakirana ny antontan-taratasim-panjakana amin’ny fanatanterahana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena. Izany dia ho fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 05 aprily 2023 izay nametraka lamina vaovao hanafainganana ny fikarakarana ny antontan-taratasy mikasika ireo tsenan’asam-panjakana takian’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena. Ny andraikitry ny « guichet unique » dia hanoro hevitra ireo mpisehatra amin’ny fanatanterahana ny tetibolam-panjakana (acteurs budgétaires) eny anivon’ny andrim-panjakana sy ny minisitera samihafa manana tetikasan’ny Filoham-pirenena, ary natao koa hikirakira ireo antontan-taratasy ireo ao anatin’ny fotoana fohy.

    Ireo avy no handrafitra ny « guichet unique » :

    • Mpiasam-panjakana avy amin’ny sampan-draharaha fanarahamaso ny volam6panjakana (contrôle financier) ahitana “inspecteur d’Etat” delegen’ny « contrôle financier » izay ho lehiben’ny « guichet unique » sy « inspecteur d’Etat » mpisolo toerana ny « contrôle financier ». Izy ireo no manana fahefana hametraka ny « visa » amin’ny tsenan’asam-panjakana sy ny fifanarahana atao amin’ny orinasa mahazo tsenan’asam-panjakana ary ny « engagements financiers »;

    • Mpanaramaso (vérificateurs) miisa 4

    • Solontena avy amin’ny Vaomieram-pirenena amin’ny tsenan’asam-panjakana (CNM)

    • Solontena avy amin’ny Fitaleavana ankapoben’ny tahirimbolam-panjakana (DG Trésor)

    • Solontena avy amin’ny Birao fanarahamaso ny fampiasana volam-panjakana (Bureau de Suivi des Engagements)

    • Solontena avy amin’ny Fitaleavana Ankapoben’ny Hetra (DGI)

    • Mpitan-tsoratra

    Ireto avy kosa no karazana antontan-taratasy karakarain’ny “guichet unique”:

    • Antontan-taratasy mikasika ny tsenan’asam-panjakana sy ny fifanarahana asa mifandraika amin’izay tetikasan’ny Filoham-pirenena izay

    • Antontan-taratasy mikasika ny famindrana vola na “transferts” mikasika ny tetikasan’ny Filoham-pirenena,

    • Antontan-taratasy mikasika ny hetra hanaovana “enregistrement”

    • Antontan-taratasy fangatahana fampiasana ny volam-panjakana (demande d’engagement financier)

    • Antontan-taratasy mikasika ny « mandatement ».

    Eny amin’ny biraon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola “Cador” Ambatonakanga no hapetraka ny “guichet unique” ary hisokatra amin’ny ora fisokafan’ny biraom-panjakana. Raha vao vita ny didim-pitondrana mametraka ity foibe manokana ity dia hafindra eny avokoa ireo asa fanarahamaso sy fankatoavana (vérification et visa) mifandraika amin’ny asa nankinina aminy.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana foibe an-tanana ny hetra « Impôt sur la Plus-Value Immobilière - IPVI » amin’ny fividianana ny tany antsoina hoe « site de confinement d’Iarinarivo » TN°41.473-H (état parcellaire n°23) mirefy 57ara 80 santiara sy tany eo akaikiny antsoina hoe « site de confinement d’Iarinarivo » ihany, TN°42.451-H (état parcellaire n°25) mirefy 64 ara 00 santiara, samy eny Ambohibolalehibe, Fokontany Amboasary, kaominina ambanivohitra Iarinarivo distrika Ambohidratrimo faritra Analamanga. Ireo tany ireo dia voakasika amin’ny tetikasa « PRODUIR », ary natao hametrahana ireo fotaka afindra avy amin’ny fanadiovana lakan-drano.

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo solosaina miisa 8 « mobile workstation » sy « tablettes » miisa 16, izay fanomezana avy amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD) ho an’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fikitihana ny tetibolan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana mba hisy ampahany hampiasaina amin’ny fanajariana sy fanondrahana ny lemaka hambolena any Anjahana distrika Maroantsetra Faritra Analanjirofo, Ampahitrosy sy Fidasiana disitrika Antananarivo Atsimondrano Faritra Analamanga, ary Mahavavy Ambany distrika Ambilobe faritra DIANA.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Manoloana ny krizy lehibe izay lalovan’ny orinasa JIRAMA amin’izao fotoana izao dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hamaranana ny dingana handraisana manam-pahaizana iray izay hisahana ny fanarenana maika ny orinasa JIRAMA. Hiandraikitra ny toeran’ny « manager de redressement » izany tompon’andraikitra izany, izany hoe hanao izay fomba rehetra hamahana ny krizy lalina amin’ny fomba fitantanana eo anivon’ny orinasa ao anatin’ny fotoana voafetra. Nanomboka tamin’ny volana aprily 2023 lasa teo no efa nisy ny fandraisana “cabinet de recrutement” iraisam-pirenena, novatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola ao anatin’ny tetikasa LEAD (Least Cost Electricity Access Developpement) ka io « cabinet de recrutement » io no nanao ny antso fitadiavana an’io manam-pahaizana io teto an-toerana sy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena koa. Ny 24 may 2023 no fara-fandraisana ireo kandidà maniry hiandraikitra io asa stratejika eo anivon’ny orinasa JIRAMA io, 19 izy ireo no namaly ka ny 5 tamin’ireo ihany no Malagasy. Nisy ny mason-tsivana miisa 13 napetraka hahalalana ny tena fahaiza-manaon’ireo kandidà, ka taorian’ny fampiharana ny mason-tsivana dia kandida 6 sisa no tavela. Taorian’ny dinika (entretien) izay dingana manaraka natao, dia kandidà 4 sisa, izay manana fahalalana teknika sy fahaiza6mitantana ary traikefa lasa lavitra amina fanarenana orinasa anaty fahasarotana tahaka ny JIRAMA, ary mahalala tsara ny zava-misy eto Madagasikara no voatazona. Hiditra amin’ny dingana manaraka indray ny « cabinet de recrutement » izay hametrahana mason6tsivana avo dia avo mikasika ny drafitra hanarenana ny orinasa hanaovan’ny kandidà tolo-kevitra, ny haitarika (leadership et gestion) ananany sy ny fitiliana ny mombamomba ilay olona manokana (tests de personnalité) dia kandidà 2 sisa no ho tavela farany izay hatolotra ny Filan-kevitry ny Minisitra mba handraisana fanapahan-kevitra ao anatina fotoana fohy. Ny tena tanjona maika dia ny hahafahana mamarana tanteraka ny fahatapahan-jiro miverimberina izay mampikaikaika ny vahoaka malagasy maro ankehitriny.

    MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny firosoana amin’ny dingana hisitrahan’i Madagasikara ny vola azo avy amin’ny « CRÉDIT CARBONE REDD+ » mitentina 50 tapitrisa dolara USD. Hisy ny komity manokana hatsangana handinika sy hanapaka ny fampiasana io vola io, izay hatokana amin’ny fanatsarana ny tontolo iainana tahaka ny fandrakofana ala indray an’i Madagasikara. Faritra 5 no voakasika manokana, izay ahitana kaominina 189 sy velarana ala mando mirefy 2,06 tapitrisa hektara.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Araka ny efa voafaritry ny lalàna mifehy ny tetibola 2023, ao amin’ny « ligne budgétaire » 02-21-0-253-00000 compte 2615, dia noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana entina hanitsiana ny fandraisana anjaran’i Madagasikara ao anatin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena (FMI). Izany moa dia fanao isan-taona, mifanaraka amin’ny antsoina hoe « quote-part » ny firenena tsirairay mpikambana ao anatin’ny FMI. Isaky ny 30 aprily isan-taona, dia manao antso ny FMI amin’ny fanitsiana io fandraisana anjaran’ny firenena tsirairay io, mba ahafahan’izy ireo mitazona ilay « quote-part » arakaraky ny lanjan’ny volan’ireo firenena ireo. Ho an’i Madagasikara dia mitentina 244 tapitrisa DTS io « quote-part » io, izany hoe vato 3.909 isa na 0,08% ny totalin’ny isam-bato rehetra eo anivon’ny FMI. Miankina amin’ny isam6bato ananan’ny firenena tsirairay avy eo anivon’ny FMI ny famatsiam-bola azony. Koa satria nihena ny lanjan’ny Ariary raha ampitahaina amin’ny DTS, dia tsy maintsy manao ny fanitsiana isika mba tsy hihena ny isam-bato ananantsika ao anatin’ny FMI.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2014- 1521 tamin'ny 25 septambra 2014 ary manendry an'Andriamatoa RAMANANTOANINA Andriasy, ho Lehiben'ny Distrikan'Ivohibe

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANA ASA , NY ASAM-PANJAKANA ary ny LALANA SOSIALY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2016- 1067 tamin'ny 27 jolay 2016 ary manendry an'Andriamatoa M. JAOROBY Wili Chrétien, ho "Directeur du Développement et du Partenariat de l’Ecole Nationale d’Administration de Madagascar "(ENAM).

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa CHRISTOPHE Tovondraza Juliot, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina ao Menabe

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 2039 tamin'ny 30 oktobra 2019 ary manendry an'Andriamatoa KOTOSON Andriambololona Seth, ho "Directeur de la Législation et des Affaires Juridique"

 

Natao ny 28 Jona 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO