TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 07 Jona 2023 – Lapam-panjakana Ambohitsorohitra 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny Fihaonana an-tampony mikasika ny fifanarahana ara-bola vaovao maneran-tany na « Nouveau Pacte Financier Mondial » izay hotanterahina ny 22 ka hatramin’ny 24 Jona 2023 any Paris, France. Ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana no mpiara-miombon’antoka amin’ny fikarakarana, izay haompana indrindra amin’ny fikarohana vahaolana hanampiana ireo firenena sahirana manoloana ny krizy ara-toekarena sy ara-bola maneran-tany ankehitriny. Manana fihaonana maromaro amin’ny tompon’andraikitr’ireo firenena lehibe mandray anjara, izay vonona hanampy an’i Madagasikara, Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA izay hitarika ny delegasiona malagasy amin’ity Fihaonana an-tampony ity.

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiasana tetibola eo anivon’ny Minisiteran’ny fitsarana mba ahafahana mividy fitaovana ara-informatika ho an’ireo fitsarana sy rafi-pitsarana misahana ny raharaha ady tany.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana handefasana tetibola any amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana mba ahafahana manomboka avy hatrany ny asa fanamboarana ny Fitsarana ambaratonga voalohany any Mananara Avaratra. Izany dia ho fanatanterahana ny fampanantenana nataon’ny Filohan’ny Repoblika.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ireo fitaovana ilaina amin’ny fanamboarana pasipaoro tsotra (passeport ordinaire) eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fampiakarana ny renivolan’ny Banky Afrikana amin’ny fanafarana sy fanondranana entana any ivelany (BANQUE AFRICAINE D’IMPORT-EXPORT - AFREXIMBANK), araka ny efa fanapahan-kevitra noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny 02 Marsa 2023 lasa teo.

    MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanaovana sonia ny fifanarahana vaovao eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny orinasa mpitrandraka fasi-mainty QIT Madagascar Minerals (QMM S.A) any Tolagnaro.

    Raha tsiahivina dia tapitra tamin’ny volana Febroary 2023 lasa teo ny fifanarahana fidirana teto Madagasikara (convention d’établissement) izay nankatoavina araka ny lalàna ny 19 Febroary 1998 ary naharitra 25 taona. Araka ny toromarika nomen’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika moa dia nilaina naverina nodinihina mihitsy ny fifanarahana mba tena hahazoan’ny firenena Malagasy tombontsoa tokoa, ka efa tamin’ny volana Jolay 2022 no nanomboka ny fifampidinihana vaovao teo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny orinasa. Vita tanteraka izany fifampidinihana izany, ka nahazoana fifanarahana vaovao tanteraka mihitsy izay tsy misy ifandraisany amin’ny teo aloha izay tsapa fa namono antoka goavana an’i Madagasikara.

    Ireto avy ary raha fintinina ireo fifanarahana vaovao ireo:

    - Fanafoanana trosa fampiakarana renivola : Nisy vola naloa mialoha (avance) nampindramin’ny QMM ny Fanjakana Malagasy nanaovana fampiakarana ny renivola tamin’ny taona 2012 sy 2015 mitentina 77, 2 tapitrisa USD. Tapaka fa hofoanana avy hatrany io trosa io ka tsy ho averin’ny Fanjakana Malagasy amin’ny QMM intsony. Tapaka koa fa amin’ny hoavy na misy aza ny fampiakarana renivola (izay atao matetika rehefa maty antoka ny orinasa ao anatin’ny taom-pikatrohana iray) dia tsy mandray anjara amin’ny fampiakarana renivola intsony ny Fanjakana Malagasy fa mijanona ho 15% ny petra-bolany ahazoany ny tombony (droit aux dividendes) ary 20% ny “droits sociaux” izany hoe hananany solotena 2 ao anaty Filankevim-pitantanana. Izany hoe tsy mandray anjara manarina ny mety ho voalaza fa fatiantoky ny orinasa intsony tahaka ny teo aloha ny Fanjakana Malagasy raha misy izany. Izay ilay antsoina hoe fandraisana anjara “free carry non diluable” ho an’i Madagasikara.

    - Zara tombom-barotra mialoha: Amin’ity taona 2023 ity dia handoa vola 12 tapitrisa USD amin’ny Fanjakana Malagasy avy hatrany ny QMM ho zara tombom-barotra mialoha (dividende anticipée).

    - Fandraisana anjara amin’ny fanamboarana ny RN 13 : Ankoatra izay dia handoa 8 tapitrisa USD ihany koa ny QMM raha vantany vao manan-kery ny fifanarahana vaovao, mba ho fandraisany anjara amin’ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13 mirefy 109 km.

    - Politikam-pizarana ny tombom-barotra manomboka ny taona 2023: koa satria tao anatin’ny fifanarahana tany aloha dia namaritra fa tsy mandoa zara tombom-barotra amin’ny Fanjakana Malagasy mihitsy aloha ny orinasa QMM mandram-piverin’ny fampiasam-bola nataony, mitentina 1 lavitrisa USD, manomboka amin’ity taona ity dia miova izany ka hatramin’ny taona 2030 dia tsy maintsy mandoa ny zara tombom-barotra 40% amin’ny Fanjakana Malagasy ny QMM, na mbola tsy vita aza ny famerenany ny fampiasam-bolany tany am-piandohana. Manomboka ny taona 2031 ka hatramin’ny 2048 kosa dia miakatra ho 60% izany zara tombom-barotra izany, mandram-piverin’ny totaliben’ny fampiasam-bola. Marihina fa mbola manana trosa 704 tapitrisa USD tokony aloa amin’ny orinasa reny Rio Tinto ny QMM amin’izao fotoana izao.

    - Tetibola atokana ho an’ny lafiny sosialy (budget RSE) : hakarina ho 4 tapitrisa USD isan-taona ny vola tsy maintsy ampiasain’ny QMM amin’ny lafiny sosialy eto Madagasikara, tafiditra ao anatin’izany ny famerenana fambolen-kazo. Hasiana fiakarana 2% isan-taona izany tetibola 4 tapitrisa USD izany. Ny fitsinjarana io vola io dia toy izao: 500.000 USD hatokana ho an’ny fambolen-kazo, 50% ambiny ho an’ny fampiasam-bola an’ireo kaominina any an-toerana izay voakasiky ny tetikasa fitrandrahana, ary ny 50% ambiny kosa ho an’ny Faritra misy ny fitrandrahana.

    - Fandraisana an-tanana ny fikirakirana ny rano maloto ateraky ny tetikasa : hanokana 13 tapitrisa USD ny QMM hanaovana io asa io (traitement des eaux usées), tsy maintsy mamoaka ny tatitra “rapport de synthèse et consolidation des résultats d’analyse des eaux useés et autour de la mine de Mandena » izay nataon’ny rafi-pahefana nasionaly misahana ny rano sy ny fanadiovana (ANDEA) niarahana tamin’ny QMM tamin’ny volana May 2022 ny Fanjakana Malagasy.

    - Fitrandrahana ao Petriky : Raha vao miroso amin’ny fitrandrahana ao Petriky (gisement de Petriky) ny QMM dia mandoa avy hatrany 3,3 tapitrisa USD amin’ny Fanjakana Malagasy.

    - Fitrandrahana ao sainte-Luce : Raha vao miroso amin’ny fitrandrahana ao Sainte-Luce (gisement de Sainte-Luce) kosa indray dia mandoa avy hatrany 15 tapitrisa USD amin’ny Fanjakana Malagasy.

    - Fepetra ara-ketra : tazomina ny fepetra ara-ketra ho an’ny QMM afatsy ny “taxe professionnelle” sy ny “IFPB” izay efa tsy misy intsony ao anatin’ny lalàna Malagasy ankehitriny. Haharitra 25 taona indray io fepetra ara-ketra vaovao io izay tsy maintsy mbola hatolotra holanian’ny parlemanta.

    - Foibe famokarana angovo azo havaozina : Ao anatin’ny 5 taona manaraka raha vao mihatra ny fifanarahana vaovao dia takiana amin’ny QMM ny hametrahany foibe famokarana angovo azo havaozina (centrale d’énergie renouvelable) ao Tolagnaro mitentina 35 tapitrisa USD, izay hotombanana hamokatra angovo hatramin’ny 20 MW izay hampiasain’ny mponina ao Tolagnaro.

    - Firosoana amin’ny fampitomboana ny famokarana : Ankoatra izay dia takiana amin’ny QMM koa ny fampandehanana ny fampitaovana faharoa entina hanohanana ny famokarana isan-taona ataony, fampitaovana izay mitentina 50 tapitrisa USD, na koa ny fanombohana ny fitrandrahana ao Petriky mba hisian’ny famokarana ara-barotra voalohany ao anatin’ny 2 taona.

    - Fametrahana “guichet unique” : Hanampy amin’ny fanamorana ny pitsopitsony ara-panjakana rehetra kosa ny Fanjakana Malagasy hanamorana ny fanafainganana ireo fampiasam-bola fanampiny ireo. Ao anatin’izany indrindra dia tapaka fa hisy ny fametrahana “guichet unique” hanamorana izay dingana ara-panjakana samihafa izay.

    - Fametrahana rafitra fiaraha-midinika : Hisy ny fametrahana rafitra mpanara-maso ny asan’ny QMM sy ny Komity fiaraha-midinika iraisan’ireo minisitera voakasiky ny fitrandrahana (comité de concertation interministériel) sy ny fametrahana fantsona hanamora ny fifampitam-baovao sy ny fifandraisana eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny orinasa.

    - “Credit carbone” : hanao fampiasam-bola mivantana mitentina 5 tapitrisa USD ny orinasa mba hahazoana “credit carbone” ho fiarovana ny tontolo iainana ao anatin’ny faritra arovana Tsitongombarika ho an’ny Fanjakana, ary mbola misy ko any vina hividianana “credit carbone” amin’ny Fanjakana Malagasy mitentina 10 tapitrisa USD ao anatin’ny 5 taona manaraka. Marihana fa ny fampiasana ny vola azo avy amin’ny vidin’ireo “credit carbone” ireo dia ny Fanjakana Malagasy no hanapaka azy ao anatin’ny Filan-kevitry ny Minisitra. 

    - Tahan’ny tamberim-bidy (taux de redevances) : nakarina ho 2,5% izany raha 2% tao anatin’ny fifanarahana teo aloha.

    - Trosan’ny QMM amin’ny JIRAMA : mbola ananan’ny orinasa QMM trosa mitentina 3 tapitrisa USD ny JIRAMA izay mifandraika amin’ny famatsiana herinaratra rehetra tany aloha ka tombanana ho eo amin’ny 3 tapitrisa USD eo izany trosa hatramin’ny 31 Jolay 2023. Tapaka fa hofoanana tanteraka izany trosa izany amin’ity fifanarahana vaovao ity.

    Misy ny teboka sasantsasany amin’ireo fifanarahana vaovao ireo no tsy maintsy lalàna no mampanan-kery azy ka dia hirosoana avy hatrany ny fanolorana ny volavolan-drijatenin-dalàna mirakitra izany mba hisian’ny fankatoavana araka ny lalàna

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasana ampahany amin’ny tetibolan’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ao anatin’ny tetikasa fampiasam-bolam-panjakana 2023 (PIP 2023) hividianana « motos » ho an’ny lehiben’ny boriborin-tany ara-panjakana (chefs d’arrondissement administratif) izay solotenam-panjakana miasa eny anivon’ny Kaominina. Miisa 800 ireo motos ireo, mitondra ny marika « HONDA » izay hovidiana eto amin’ny tsena anatiny ihany, amin’ny alalan’ny fanaovana tsenan’asam-panjakana tahaka ny mahazatra.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasana ampahany amin’ny tetibolan’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ao anatin’ny tetikasa fampiasam-bolam-panjakana 2023 (PIP 2023) hananganana ny biraom-panjakana ho an’ny Faritra Vatovavy, sy ho an’ny Faritra vaovao Ambatosoa izay efa andalam-pametrahana amin’izao fotoana izao, ary ny biraon’ny Fileovana na prefektioran’i Maroantsetra izay ho renivohitry ny faritra Ambatosoa.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ireo fampitaovana hanarenana, hikojakojana ary hanamboarana lalam-pirenena. Izany dia azo avy amin’ny famatsiam-bola tsy averina intsony (dons non remboursables) avy amin’ny Governamanta Japoney, soloin’ny JICS tena eto Madagasikara.

    Ireto avy ireo fitaovana ireo :

    • Stabiliseur 01

    • Compacteur de sol vibrant 01

    • Compacteurs rouleau tandem vibrant 02

    • Compacteur pneumatique 01

    • Niveleuses 02

    • Camion à benne 01

    • Camion épandeur 01

    • Chargeuse 01

    • Porte-engin 01

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny saram-pandaniana amin’ny tombana ara-tontolo iainana ataon’ny Ofisim-pirenen’ny Tontolo Iainana (ONE) sy ny fanaraha-maso ny dingana faharoa amin’ny tetikasa « Projet de Renforcement et d’Interconnexion des Réseaux de Transport d’Energie électrique à Madagascar (PRIRTEM-II) ».

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana fitaovana « boîtier photométrique portable et accessoires Viso LighSpion », izay natao hampiasain’ny ekipa teknika eo anivon’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoran’afo, eny an-kianja amin’ny fanaraha-maso ny fantsona fitarihana herinaratra, mba hitiliana na manara-penitra na tsia izy ireny. Izy ity dia fanomezana avy amin’ny Rafitry ny Firenena Mikambana misahana ny fampandrosoana ny Indostria (ONUDI) amin’ny alalan’ny tetikasa “Energy Efficient Lighting and Appliances in Southern Africa”.

     

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Ho tohin’ny fankatoavana ny fampitam-bava tery ambony dia noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manome alalana ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny fampiakarana ny renivolan’ny AFREXIMBANK notapahan’ny Fivoriam-be fanao isan-taona tamin’ny 18 ka hatramin’ny 23 Jolay 2021.

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna hankatoavana araka ny lalàna ny fifanarahana findramam-bola eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fampandrosoana (IDA) mikasika ny famatsiam-bola ny tetikasa fampiasam-bola entina hanohanana ny fahaiza-manao ara-tarehimarika eo anivon’ny SADC (Projet d’Investissement de Soutien aux Capacités Statistiques de la Communauté de Développement de l’Afrique Australe -SADC). Vita sonia tamin’ny 14 jona 2023 lasa teo ity fifanarahana findramam-bola ity.

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna entina hankatoavana araka ny lalàna ny fifanarahana findramam-bola eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fampandrosoana (IDA) mikasika ny famatsiam-bola ny fandaharanasa « Programme Régional de Résilience Climatique pour l’Afrique de l’Est et Australe ». Vita sonia ny 08 Jona 2023 lasa teo ity fifanarahana findramam-bola ity.

    MINISTERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY SY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    Araka ny fampitana am-bava efa nankatoavina tery ambony, dia noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna entina hankatoavana araka ny lalàna ny tovana laharana voalohany (avenant n°1) amin’ny fifanarahana eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny OMNIS ary ny QMM S.A. mikasika ny fikarohana, fitrandrahana fasi-mainty any Tolagnaro. Ity tovana laharana voalohany ity no mirakitra ireo teboka rehetra azo ao anatin’ny fifanarahana vaovao nifanaovana tamin’ny QMM S.A. izay tsy maintsy ao anatin’ny valan’ny lalàna no hanovàna sy hankatoavana azy.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna entina hankatoavana araka ny lalàna ny fifanarahana famatsiam-bola ny fandaharanasa fanamafisana ny fandraharahana maharitra sy fanohanana ny fampidirana ireo tanora any ambanivohitra eo amin’ny sehatry ny toekarena (Programme de Renforcement de l’Entrepreneuriat durable et de Soutien à l’Insertion Economique des Jeunes Ruraux - PROGRES), teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Tahirimbola Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana ny Fambolena (Fonds International de Développement Agricole – FIDA).

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA EO ANIVON’NY MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana natao hanomezana “bonification d’ancienneté” 6 volana ho an’ireo manam-boninahitra eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena noho ny asa nataony.

    • Ny Capitaine RAZAFIMANGASOA Fias, kaomandin’ny Kompaniam-paritry ny Zandarmariam-pirenena Morondava

    • Ny Lieutenant RATSIMBAZAFY Andriatiana Nestor (officier du peloton mobile porté n°53 Morondava)

    Izy ireo dia nanaraka andian-dahalo maherin’ny 70 lahy, mitam-piadiana mavesatra nanafika tany Ankijabe fokontany Tanambao Marofototra, kaominina ambanivohitra Bemanonga Morondava. Noho ny fahasahiana sy ny herimpon’izy ireo dia tafaverina ny 135 tamin’ireo omby 160 nangalarin’ny andian-dahalo. Nisy ny fifandonana mahery vaika ka naratra mafy tamin’izany ny Capitaine Razafimangasoa Fias, ary nisy mihitsy aza zandary 1 namoy ny ainy avy tao amin’ny Borigadim-paritry ny Zandarimariam-pirenena tao Morondava. Rariny loatra araka izany ny hankasitrahana ny ezaka sy ny herim-po lehibe nananan’izy ireo.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2016- 1540 tamin’ny 19 desambra 2016 ary manendry an’Andriamatoa RAMANJATO Richard Paulin, ho Lehiben’ny Distrikan’i Bekily.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 579 tamin’ny 20 aprily 2022 ary manendry ny Général de Brigade DABAKA Jean Michel, ho « Inspecteur Général adjoint à l’Inspection Générale de la Gendarmerie nationale ».

 

Natao ny 21 Jona 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO