TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Satria tsy eto an-toerana fa mamita iraka any ivelany, manatrika ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny asa andiany faha-111 izay atao any amin’ny foiben’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA dia natao tamin’ny fampitan-davitra ny filan-kevitry ny minisitra androany Alarobia 14 Jona 20

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny dingana manaraka amin’ny fanatanterahana ny tetikasa fampandrosoana an-drenivohitra « Projet de Développement Urbain Intégré et de Résilience du Grand Antananarivo - PRODUIR » izay natao hanadiovana tanteraka ny lakan-drano C3 mirefy 12 km. Izany dia mba hanenana ny ambana amin’ny tondra-drano eto amin’ny tanànan’Antananarivo, ka hanaovana ny famindrana toerana ireo mponina mipetraka manamorona ny lakan-drano izay atahorana hatrany rehefa miakatra ny rano. Hisy ny tanàna vaovao izay hatsangana ao anatin’ny tetikasa mihitsy eo Andavamamba, hamindrana ireo mponina ireo sy ny fananany, ka hiantohana ny fiarovana azy ireo sy hanatsarana ny faripiainany ihany koa. Fianakaviana 84 mipetraka manamorona ny lakan-drano C3 no ho voakasik’izay famindrana toerana izay, ka tombanana amin’ny volana desambra 2023 any ho any no ho vita tanteraka ny famindrana, aorian’ny fandoavana onitra amin’izy ireo sy ny fanentanana sy fanazavana amin’ireo voakasika mba hisorohana ny olana vokatry ny tsy fifankahazoana.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ireo fanampiana amin’ny maha-olona (dons humanitaires) izay ahitana fonosana 326 sy fiara iray « MITSUBISHI L200 châssis n°MMBJNK7401D038953 ». Izany dia araka ny fangatahan’ny fiangonana EKAR « Œuvres Sociales Carmélites » Marovoay, avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena « ASSOCIAZONE DI SOLIDARITE AMICI, DI PADRE BRUNO FOR MADAGASCAR ONLUS ».

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ireo afomanga miisa 1285 baoritra hampiasaina amin’ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovan-tena amin’ny 26 jona 2023, manerana an’i Madagasikara.

    MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ireo pasipaoro elektronika malagasy.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fikitihana ny tetibola anatin’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka mba hisy ampahany hampiasaina hanohizana sy hamitana ny asa fanamboarana ny Hopitaly manarapenitra miisa 13 natomboka ny taona 2019, ny Hopitaly manarapenitra miisa 15 natomboka ny taona 2022, ny Hopitaly manarapenitra Ihosy, ary ny tobim-pahasalamana CSB miisa 44 natomboka ny taona 2022. Hampidirina ao anatin’ny fampiasana io tetibola ampahany hanaovana fanamboarana anatiny io koa ny asa fanarenana tsy maintsy atao ao amin’ny Hopitaly manarapenitra Andohatapenaka sy ny fividianana ireo fanampin-tsakafo ho an’ny zaza ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo tsaboina eny amin’ny tobim-pahasalamam-bahoaka, dia ny « plumpy nut ».

    Miisa 1 hatramin’ny 4 isan-kerinandro eo raha be indrindra ny trangana COVID-19 hita manerana ny Nosy ankehitriny. Azo lazaina, araka izany fa efa voafehy tanteraka ny fiparitahan’ny valan’aretina eto Madagasikara. Noho izany dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanajanonana amin’izay ny asan’ny foibe fitiliana sy fitsaboana COVID-19 na CTC eny amin’ny tanàna Voara Andohatapenaka, manomboka ny 15 jona 2023. Ny fitiliana amin’ny alalan’ny TDR kosa dia aparitaka manerana ny tobim-pahasalamana CSB rehetra manerana ny Nosy.

    Ho fanatanterahana ny fampanantenana nataon’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoan’ny Minisiteran’ny fahalasamam-bahoaka amin’ny fifanarahana mivantana amin’ny ozinina mpanamboatra any ivelany, mba hividianana fitaovana fitiliana ny nono na « mammographies » miisa 2. Izany dia noho ny mason-tsivana teknika manokana tsy maintsy ilaina amin’ny fitaovana ka tsy ahitana azy eto an-toerana. Ny hopitalim-panjakana no hampiasa ireo “mammographies” ireo izay hanampiana ny vehivavy Malagasy amin’ny fitiliana ny nono, mba hisorohana ny homamiadan’ny nono na ahafahana mandray an-tanana haingana ny fitsaboana raha sanatria ka hita ny soritr’aretina. Marihana mantsy fa ny ankamaroan’ireo vehivavy mararin’ny homamiadan’ny nono, izay miafara amin’ny fahafatesana, dia noho ny fahataran’ny fahalalana ny fisian’ny aretina. Fampanantenana nataon’ny Filohan’ny Repoblika ny hahafahan’ny vehivavy Malagasy misitraka ny fitiliana ny nono maimaim-poana entina misoroka sy miady amin’izany areti-mandoza izany.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Minisiteran’ny Toekerana sy ny Fitantanam-bola an-tanana ny anjaran’ny Fanjakana Malagasy amin’ny famatsiam-bola ny tetikasa fanamboarana ny fanajariana ny lalam-pirenena ambaratonga faharoa RNS5 mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Mananara Avaratra (Travaux d’aménagement et d’Asphaltage de la Route Nationale Secondaire N° RNS5). Mpamatsy vola maromaro no miaraka mamatsy vola ny tetikasa, fa misy koa ampahany izay tsy maintsy raisin’ny Fanjakana Malagasy an-tanana araka ny fifanaraham-piarahamiasa izay nifanaovana tamin’ireo mpamatsy vola ireo. Efa mandeha ny asa ankehitriny, eo amin’ny 23% eo no fahavitany amin’ny ampahan-dalana 75 km, eo anelanelan’i Soanierana Ivongo sy Vahibe izay anjaran’ny Fanjakana Malagasy, ankoatra ny fandoavana ny fanadihadiana ara-bola (audit comptable et financier) nanomboka ny 2019 ka hatramin’ny 2023, sy ny fanaraha-maso ny fanajana ny tontolo iainana mba hahazoana ny antsoina hoe « quitus environnemental ». 

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ireo fampitaovana avy amin’ny Governemanta Japoney ho entina manara-maso sy mitily ny kalitaon’ny tetezana sy ny lalana eto Madagasikara. Izany dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa fampiroboroboana ny fahaiza-manao amin’ny fitantanana ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana eto Madagasikara, iarahana amin’ny Sampandraharaha JICA misolo tena ny Governemanta Japoney. Ahitana « structure scanner », « marteau de test pour béton » ary « testeur de sol à impact » ireo fampitaovana ireo.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fandaharanasa « Programme Intégré d’Assainissement d’Antananarivo – Phase II – PIAA2 » izay vatsian’ny Sampandraharaha Frantsay momba ny Fampandrosoana (AFD) sy ny Vondrona Eoropeana (UE) vola. Vita sonia tamin’ny 08 desambra 2022 ny fifanaraham-piaramiasa mikasika ity PIAA2 ity, ka ny volana Mey 2023 lasa teo no nankatoavin’ny Parlemanta 2 tonta araka ny lalàna. Haharitra 5 taona ity fandaharanasa ity, izay miompana amin’ny fanadiovana sy fanajariana eto Antananarivo, ka amin’ny 23 jona 2023 no hanombohana azy amin’ny fomba ofisialy, miaraka amin’ireo mpiara-misehatra amin’ny fanatanterahana azy, tahaka ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny SMA (Société Municipale d’Assainissement), ary ny rafi-pahefana miady amin’ny tondra-drano amin’ny Lemak’Antananarivo (APIPA).

    Ho tohin’ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra momba ny asa maika ho fampidirana rano fisotro madio ao amin’ny tanànan’i Mananara Avaratra sy ny tanàna manodidina azy, sy ny fanaovana lavaka isintoman-drano (forage) ao amin’ny tobim-pahasalamana CSB Analanampotsy, dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Minisitry ny rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana, mba hijerena ny vahaolana teknika mahomby indrindra hanaovana ny asa. Nivoaka taorian’izany fidinana ifotony izany ny asa maika mila hatao, ka ilaina hirosoana tsy mangataka andro. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra araka izany ny hanaovan’ny Minisitera tolo-bidy misokatra amin’ny tsenan’asam-panjakana, hafohezina ao anatin’ny 15 andro. Olom-pirenena miisa 44.988 any an-toerana no kendrena hisitraka ity fampidirana rano fisotro madio ao Mananara Avaratra sy ny manodidina, sy fanaovana lavaka isintoman-drano ao amin’ny CSB Analanampotsy ity, rehefa vita tanteraka ny asa izay haharitra 90 andro.

     

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna entina mankatoa araka ny lalàna (ratification) ny fifanarahana fampindramam-bola izay nifanaovan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fampandrosoana (IDA) eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena. Vita sonia tamin’ny Alakamisy 9 jona 2023 teo io fifanarahana io, izay tafiditra ao anatin’ny fanohanana ara-tetibola ataon’ny IDA mba hisian’ny fampandrosoana mifandanja sy afa-miatrika (Appui Budgétaire à une Croissance Equitable et Résiliente). Fampindram-bola 100% tsy misy zana-bola ity hositrahan’i Madagasikara ity, ary arotsaka amin’ny kitapom-bolantsika indray mandeha miaraka, ka tombanana ho tafavoaka alohan’ny faran’ny volana Jona 2023 ho avy izao ny fandrotsahana izany amin’i Madagasikara. Mbola haroso hodinihana sy holanian’ny parlemanta 2 tonta ny volavolan-drijatenin-dalàna ao anatin’izao fepotoam-pivoriana ara-potoana izao. 

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manova sy manampy ny andininy sasantsasany amin’ny didim-panjakana lf°2023-051 tamin’ny 18 janoary 2023 mikasika ny tambin-karaman’ny lehiben’ny fokontany sy ny lefiny. Araka izany dia hisy ny fepetra vaovao amin’ny fandoavana izany tambin-karama izany, ka alefa amin’ny alalan’ny « mobile banking » ny vola, mba hialana ihany koa amin’ny fandehanana lavitra ataon’ireo lehiben’ny Fokontany sy ny lefiny ireo, izay tsy maintsy namonjy ny biraon’ny distrika teo aloha rehefa nandray izany tambin-karama izany. Hisy ny fifanarahana hifanaovan’ny Minisiteran’ny ati-tany amin’ireo mpandraharaha amin’ny « mobile banking » ireo mba tsy ho tara intsony ny fandraisan’ireo tompon’andraikitra eny ifotony ireo ny tambin-karamany.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    GOVERNEMANTA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2017- 032 tamin'ny 11 janoary 2017 ary manendry an'Andriamatoa NAZMOUL, ho Tale Teknika eo anivon’ny "Conseil de Discipline Budgétaire et Financière."
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2017- 1116 tamin'ny 02 desambra 2017 ary manendry an'Andriamatoa RAMAROLAHY Rojo Nirina, ho "Directeur de la Prévention" eo anivon’ny "Conseil de Discipline Budgétaire et Financière".

    MINISITERAN'NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 022 tamin'ny 12 janoary 2022 ary manendry ny Général de Division RAMBININTSAOTRA Lanto Ny Aina, ho Inspecteur Général eo anivon’ny "Inspection Générale des Armées".
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1322 tamin'ny 24 novambra 2021 ary manendry ny Général de Brigade KOTO Paul, ho "Commandant de Zone de Défense et de Sécurité de Tsiribihina" (Ouest) Morondava

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRAZAKA Adrien Ladislas, ho "Coordonnateur National des Projets Pôles Intégrés de Croissance"(PIC).

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1181 tamin'ny 27 oktobra 2021 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMASIMANDIMBY Karl, ho "Directeur du Système d’Information"

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTOSON Diary Manjaka, ho "Directeur du Système d’Information et de la Gestion des Données".
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa MARC Sergio Clerc, ho Tale Mpanatanteraka mpisolo toerana ny EITI-Madagascar.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 944 tamin'ny 15 septambra 2021 ary manendry ny Général de Division RAPO Nicholson Edouard, ho Inspecteur Général eo anivon’ny "Inspection Générale de la Gendarmerie nationale".

 

Natao ny 14 Jona 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO