TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY « VISIOCONFERENCE »

ALAROBIA 19 MAY 2021

NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY VISIOCONFERENCE NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY :

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    MITOHY  NY  ASA  FANADIOVAN-DRANO  ANY  AN-TSEKOLY  SY  ISAM-PARITRA :

    Nampahafantarina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny haba ho fanafarana  ireo fitaovana avy amin’ny UNICEF ireto toy ny : « appareil à électrolyse produisant du chlore actif » hotsinjaraiana manerana ny faritra rehetra any amin’ireo sekoly, toeram- pitsaboana ary ireo mila vonjy taitra izany.   Ho raisina an-tanana ihany koa ny fandoavana ireo haba nanafarana  « pompe manuelle INDIA MARK III » fanomezana avy any amin’ny UNICEF natokana ho an’ny faritra Androy.

  • II - FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA :

    Araka  ny  tolo-kevitry  ny  Minisitry  ny  Ati-tany  sy  ny  Fitsinjaram- pahefana :

    Nolaniana nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolan-dalàna manova ny andininy vitsivitsy ao amin’ny lalàna laharana 2014-020 tamin’ny 27  Septambra 2014  mikasika  ny  fidiram-bolan’ireo  vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny mikasika ny fombafomba fifidianana ary ny anjara andraikitr’ireo ratsa-mangaika any amin’ny faritra araka ny voafaritra ao anatin’ny lalàna faha 2018-011 tamin’ny 11 jolay 2018.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa vaventy sy ny Minisitry ny toekarena sy ny Fitantanam-bola :

    Nolaniana nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana hampiharana ny voalazan’ny lalàna laharana faha 2015-039 tamin’ny 03 febroary 2016 mikasika ny « partenariat public-privé relatif à la mise en œuvre du dialogue compétitif » eo amin’ny fanatanterahana ny asa fanaovana ny lalana migodana mampitohy an’ Antananarivo sy Toamasina.

  • III- FANENDRENA

    Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny didim-panjakana manendry ireto olom-panjakana ambony manaraka ireto:

    Araka ny tolo-kevitry ny  Minisitry ny Fiarovam-pirenena :

    • Général de Brigade RAFALIMANANA Léonard Gabriel, dia voatendry ho lehiben’ny Kaomandin’ny « Zone de Défense et de Sécurité de Tsiafajavona » (Centre Ouest) Miarinarivo.

    Araka ny tolo-kevitry ny  Minisitry ny Fanajariana ny Tany, ny Asa vaventy :

    • Ramatoa RALIHARISOA Hermine, dia voatendry ho Tale misahana ny « Bureau de Traitement des Doléances ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fahasalamam-Bahoaka :

    • Atoa RANDRIANJAKA Herinirina Francis, dia voatendry ho Tale mitantana Centre Hospitalier Universitaire Mintsinjo Betanimena ao Toliara.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana :

    • Atoa RAVALOERA Antsatiana, dia vaotendry ho Tale Jeneraly ao amin’ny « Autorité Nationale de l’Eau et de l’Assainissement » (ANDEA).
    • Ramatoa RAKOTOBE RAHELIARISOA Holinantenaina, dia voatendry ho Tale misahana ny « Réglementation et de Protection des Ressources en  Eau »  ao  amin’ny  « Autorité  Nationale  de  l’Eau  et  de l’Assainissement » (ANDEA).
    • Atoa RAJERISON Gallego Richard, dia voatendry ho Tale misahana ny fitantanana ara-bola ao amin’ny « Autorité Nationale de l’Eau et de l’Assainissement » (ANDEA).
    • Ramatoa RASOAMIARAMANANA  Ngolatiana  Hobinantenaina,  dia vaotendry ho tale misahana ny « Planification, de l’Evaluation et des Ressources en Eaux, de l’Information et de la Communication» ao amin’ny Autorité Nationale de l’Eau et de l’Assainissement (ANDEA).

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosona Lovainjafy :

    • Atoa RABENANDRIANINA Rivosoa, dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny Fampandrosoana Lovainjafy.
    • Ramatoa RATOVO Olitiana, dia vaotendry ho Tale misahana ny « Programmation et de Suivi-Evaluation ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Paositra, ny Fifadraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra :

    • Ramatoa RAKOTOARIMANANA Linah Hanjarisoa, dia voatendry ho Tale misahana ny fitantanan ny mpiasa.
  • IV- FANAFOANANA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manafoana ny fanendrena ireto olom-panjakana ambony manaraka ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Raharaham-bahiny :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-374 tamin’ny 20 Martsa 2019 nanendrena ny Tale misahana ny mpiasa.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fambolena, Fiompoana ary ny Jono :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2016-993 tamin’ny 20 jolay 2016 nanendrena ny Coordonnateur de l’Unité de Gestion du Projet Swiofish2 (UGP/Swiosfish2)

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1134 tamin’ny 06 oktobra 2020 nanendrena ny « Directeur de la Diplomatie Verte et des Partenariats »

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Paositra, ny Fifadraisan-davitra ary Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy Mirindra :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-236 tamin’ny 27 febroary 2019 nanendrena ny Directeur des Projets, du Partenariat et de la Vulgarisation des TICs.

                                 

Natao androany faha 19 May 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika