TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY « VISIOCONFERENCE »

NY ALAROBIA 12 MAY 2021

NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY VISIOCONFERENCE NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY :

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    HIROSO  AMIN’NY  FANDRAISANA  MPIASAM-PANJAKANA  MANANA FIFANARAHANA  MANOKANA  NY  FANJAKANA  HANATSARANA  NY SEHATRY NY FANABEAZANA- FAHASALAMANA- FILAMINANA

    Nampahafantarina nandritra  ny  Filankevitry  ny  Minisitra ny fanatanterahana ny toromariky ny Filoham-pirenena amin’ny handraisana mpiasam-panjakana amin’ny alalan’ny « fifanarahana ara-kasa  manokana » izay  hamaritana  ny  asa  andrasana  aminy,  ny  tamberin’andraikitra iantsorohany, ny toerana iasany, ny fe-potoana hiasany, ary koa ny sazy hihatra  aminy  raha  tsy  manatanteraka  ny  fifanarahana  araka  izay voasoratra.

    Ny sehatry ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny filaminana no hahazo izany ka ireo faritra ambanivohitra, na koa ireo tsy ampy mpiasam-panjakana amin’ireo  sehatra  voalaza  ireo  no hisitraka  izany. Mpitsabo,  mpitsabo mpanampy,  mpampianatra  mitazona  lakilasy,  mpitandro  ny  filaminana miantoka mivantana ny filaminana isam-paritra no horaisina amin’izany. Izany no natao dia mba hanatsarana ny tolotra omena ny vahoaka ary koa handrisihana ny fandraisana ireo olona manana ny marim-pahaizana sy ny fepetra mifandraika amin’izany ao amin’ilay faritra niaviany mba hisian’ny famoronana asa any amin’ny faritra.

    Ny lamina rehetra amin’izany sy ny tamberin’andraikitra ho an’ireo mpiasam-panjakana horaisina ary hampidirina amin’ireo sehatra 03 voalaza ireo dia hofaritana araky ny sehatra misy azy avy, saingy hisy kosa ny lamina iraisana rehetra mba hahamari-toerana ilay fifanarahana amin’ny endriny vaovao.

    Hisy  araka  izany  ny  vaomiera  iraisan’ny  ministera  hametraka  sy hamolavola  ny  fehezan-dalàna  mamaritra  izany  fifanarahana  arak’asa manokana  izany, ka hanolotra  volavolan-dalàna  mifandraika  amin’izany amin’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  manaraka izy  ireo  aorian’ny fifampidinihana.

    IREO OLONA AFAKA MIDITRA SY MIVOAKA ETO MADAGASIKARA

    Nohamafisin’ny Filankevitry ny Minisitra fa mbola mikatona amin’ny sidina avy any ivelany i Madagasikara, saingy ireto kosa no omena fahazoan- dalana  manokana hiditra  sy  hivoaka  eto  Madagasikara, ka  vaomiera iraisan’ny  ministera  4  tonta  no  manapaka  izany  dia  ny  ministeran’ny fitaterana,  ny  ministeran’ny  raharaham-bahiny,  ny  ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ary ny ministeran’ny varotra sy ny indostria. Ireto avy izy ireo sokajin’olona vokasiak’izany :

    - Ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara na ireo iraka manokan’ny firenena iray na ny firenena mikambana sy ireo mpiasa  ao  aminy,  araky  ny  fifanarahana  iraisam-pirenena  izay mifehy antsika.

    - Ireo manam-pahaizana manokana eo amin’ny sehatra ara-indostria stratejika ka miara-miasa amin’ny fanjakana.

    - Ireo iraka manokan’ny fitondram-panjakana na mpiasam-panjakana nahazo  fahazoan-dalana  ara-dalàna na  « ordre  de mission” manokana.

    - Ireo  mpanao  fanatanjahantena  teratany  Malagasy  ka  mandray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena lehibe.

    Toy izao kosa ny fepetra ara-pahasalamana manokana mahakasika azy ireo : tsy maintsy manao fihibohana mandritra ny 08 andro izy ireo ary mitondra valina fitiliana PCR 72 ora mialoha ny hahatongavany ary manao fitiliana eny am-pahatongavana sy mialoha ny hivoahany ny fihibohana. Ireo hita fa miabo kosa dia tsy maintsy manao fihibohana mandritra ny 14 andro ary manaraka ny fepetra sy fitsaboana ara-pahasalamana mipetraka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

    Ireto sokajin’olona ireto kosa na teratany na vahiny dia tsy mbola afaka ny hiditra na hivoaka eto Madagasikara mihitsy ary tsy azo omena fahazoan- dalana:

    - Ireo mpizahatany

    - Ireo mikasa ny hamangy havana na hiala sasatra

    - Ireo izay mikasa hitsabo havana na handevina havana.

    Ireo fepetra ireo dia mipetraka sy mihatra mandritra ny fe-potoana hampiharana  ny  hamehana  ara-pahasalamana eto  amin’ny  tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

    HIROSO  NY FAMPIHARANA NY FEPETRA NORAISINA MIKASIKA NY FANATANTERAHANA NY VOIE RAPIDE OUEST ANTANANARIVO :

    Hirosoana ny fampiharana  ny fepetra manokana voafaritry ny tsenam- barom-panjakana  mba  hisafidianana  ireo  orinasa    hanao  ny  asa fanamboarana ilay lalana antsoina hoe VOIE RAPIDE OUEST Antananarivo izay mampitohy ny Tanamasoandro sy Antananarivo. Araka ireo fepetra voalazan’ny tsenam-barom-panjakana no hisafidianana ny orinasa hanao ny asa. Hisy komity iraisan’ny ministera maromaro no hanao ny tomban’ireo tolo-bidy.

    HIHEMOTRA  NY  FANDOAVAN-KETRA  HO  AN’IREO  ASA  VOAKASIKA MIVANTAN’NY VALANARETINA EO AMIN’NY FAMPIANARANA :

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanemorana ny fandoavan- ketra ho an’ireo sehatr’asa eo anivon’ny fampianarana misedra mivantana ny vokatry ny valanaretina Covid-19.

    FANALEFAHAN-KETRA    HO    AN’IREO    FITAOVANA    NAFARAN’NY FANJAKANA IADIANA AMIN’NY COVID-19 :

    Nankatoavin’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  fanalefahan-ketra  ho an’ireo  fitaovana  novidian’ny  fitondram-panjakana  hiadiana  amin’ny valanaretina Covid-19.

    BOLABOLA  ANDRAMENA  30.000  TRATRA  TANY  SINGAPOUR HIADY HATRAMIN’NY FARANY NY FITONDRANA MALAGASY:

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana indray, ny raharaham-pitsarana izay ao amin’ny fitsarana any Singapour, noho ny fanondranana an-tsokosoko bolabola andramena miisa 30.000, izay mitenti- bidy 50 tapitrisa dolara.

     

  • II - FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fitsarana :

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisana ny volavolan- dalàna  manome  alalana  an’i  Madagasikara  hifanaraka  amin’ny  firenena mikambana ao amin’i SADC sy ireo fanintsiana atao amin’izany.

    Toy izany ihany koa ny volavolan-dalàna mahakasika ny fifanaraham- piaraha-miasa ara-pitsarana ara-keloka bevava eo anivon’ny fivondronam- ben’ny  firenena  mikambana  ao  amin’i  SADC.  Ireo  dia  hatolotra  ny Antenimieram-pirenena  hodinihana  mandritra  izao  fivoriana  ara-potoana izao.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola :

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisana ny volavolan-dalàna mikasika ny loi de Règlement 2018 izay atolotra hodinihana eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’izao fivoriana ara-potoana izao.

                                 

Natao androany faha 12 May 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika