TTATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY

«VISIOCONFERENCE» NY 26 MAY 2021

NATAO  TAMIN’NY  ALALAN’NY  VISIOCONFERENCE  NY  FILANKEVITRY  NY MINISITRA ANDROANY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY :

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    HANDRAY ANJARA ISIKA AMIN’NY FIVORIAN’NY MINISITRA SY NY FIVORIANA  AN-TAMPONY  NY  FILOHAM-PANJAKANA  SY  NY LEHIBEN’NY  GOVERNEMANTA EO  ANIVON’NY  SADC  HATAO AO MAPUTO-MOZAMBIKA:

    Nampahafantarina  nandritra  ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny fivorian’ny Filankevitry ny Minisitra eo anivon’ny SADC izay hatao ao Maputo. Ao aorian’io dia hisy ny fivoriana an-tampony iarahan’ireo Filoham-pirenena sy ny lehiben’ny governemanta  mpikambana  ao  amin’ny  SADC.  Hifantoka  amin’ny fandriampahalemana ny fivoriana izay hatao.

    FANAMBOARANA « ABATTOIRS » MANARAPENITRA AO ANTSIRABE I SY NOSY VARIKA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanitsiana ny sora-bola ao anatin’ny teti-bolan’ny ministeran’ny fambolena, fiompiana ary ny jono momba  ny  tetik’asa  mikasika  ny  fanamboarana  “abbatoirs” manarapenitra. Voarafitra ao anatin’ny  lalàna mifehy ny Fitantanam- bolam-panjakana 2021 ity tetikasa ity saingy nasiam-panitsiana ny sora- bola hoenti-manangana ny “abattoirs” ao Antsirabe I sy Nosy Varika.

    MADAGASIKARA SY NY  VONDRONA ERAOPEANINA HIFAMPIDINIKA NY 27 SY 28 VOLANA MAY 2021 MIKASIKA NY FIFANARAHANA MOMBA NY FANJONONA « ACCORD DE PECHE »

    Hotanterahina ny fifampidinihina momba ny fanjonona eo amin’ny Fanjakana  Malagasy  izay  soloin-tenan’ny  Ministeran’ny  Raharaham- bahiny, Ministeran’ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono ary ny APMF amin’ny Vondrona Eraopeanina mba :

    -  hametrahana ny fiandrianam-pirenena amin’ny fari-dranomasina Malagasy azo anjonona ;
    -  hampiroboroboana ny lalam-piharian’ny jono ;
    - hanitsiana ny haba tokony haloan’ireo sambo eraopeanina araka ny tahan’ ny haba vaovao nofaritana  tamin’ny  Filankevitry ny Minisitra tamin’ny 2 may 2021 ;
    -  hamerana ny isan’ireo sambo afaka miasa amin’ny fari-dranomasina Malagasy ;

    HAMPIHARINA MANERANA NY NOSY NY FEPETRA NORAISINA TAO NOSY BE MOMBA NY MPANDRAHARAHA  ARA-PIZAHANTANY

    Mba hiantohana ny fitoviana eo amin’ny samy Mpandraharaha ara- pizahantany dia ampiharina manerana ny Nosy ireo fepetra noraisina tao Nosy Be toy ny fanemorana ny fara-fandoavan-ketra sy ny fahafahana mangataka ny fandoavana tsikelikely ny saran’ny jiro sy rano eo anivon’ny JIRAMA.

    FANDAHARANASA   FANORENAN-TRANO   AO   ANTSAPANIMAHAZO ANTSIRABE :

    Nankatoavina  ny fanomezana  teti-bola  ao  anatin’ny  « Nouveaux Projets d’Emergence » ho fanamboarana sy fanorenana Trano fonenana miisa 36 ao Antsapanimahazo, District Antsirabe II ahafahana mandray ireo fianakaviana sahirana, izay sahanin’ny ministeran’ ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fampiroboroboana ny vehivavy

     

  • II - FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry  ny Ati-tany  sy ny Fitsinjaram- pahefana :

    Nolaniana  nandritra  ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  volavolan- dalàna mankato ny antontan-taratasy momba ny politika ny fitsinjaram- pahefana, izay sori-dalana entina manatanteraka ny Velirano faha 12. Anisan’ny foto-kevi-dehibe ao anatin’io Politikan’ny fitsinjaram-pahefana vaovao   io   ny   famolavolana   ny   politikam-panjakana   izay   tokony  mifanaraka amin’ny filàna eny ifotony (territorialisation des politiques publiques).

    Hatao fomba fiasa ny fanaovana « Conférence régionale » hamaritana ireo laharam-pahamehana amin’ireo tetik’asa izay hampandroso ny faritra tsirairay.

    Tokony hofaritana ireo fotodrafitrasa izay tsy maintsy mipetraka eo anivon’ny Distrika tsirairay avy. Asiam-panavaozana ny fitsinjarana ny fampiasana ny teti-bola eo amin’ny Fanjakana Foibe sy ny Vondrom- bahoaka  itsinjaram-pahefana.  Hamafisina  ny  fahaiza-manaon’izy  ireo mampiditra ireo haba sy hetra voafaritra ho fidiram-bolany manokana ka ahafahan’izy ireo manao ny asa fampandrosoana tandrify azy avy.

    Ny  fitsinjaram-pahefana  tena  mahomby  dia  tsy  maintsy  miara- dalana amin’ny fanapariaham-pahefana (déconcentration). Ireo sampan- draharam-panjakana ifotony dia ifantoka amin’ny fanampiana ara-kevitra sy ara-teknika ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana mba hisian’ny fitondrana tsara tantana sy fampandrosoana maharitra eny ifotony.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa vaventy:

    Nolaniana  nandritra  ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  didim- panjakana  milaza  ny  filan’ny  fanjakana  ireo  toerana  voakasiky  ny fanamboarana ny « flyover » ao Andohatapenaka sy ny « Voie rapide » izay mampitohy an’Andohatapenaka sy Imerintsiatosika eo anivon’ny Faritra Analamanga sy Itasy.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fitaterana, Fizahantany ary ny Famantarana ny toetr’andro :

    Nolaniana  nandritra  ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  didim- panjakana  milaza  ny  filan’ny  fanjakana  ireo  toerana  voakasiky fanamboarana ny fotodrafitrasa momba ny fitaterana an-dalamby  eto Antananarivo manomboka eo Soarano PK0 hatrany Ambohimanambola PK 12 (Corridor Sud).

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina:

    Nolaniana  nandritra  ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  didim-panjakana  mametraka  ny  Ofisin’ny  Rovan’i  Madagasikara  (ORMada) manaraka ny fenitra ankapobe napetraky ny lalàna manan-kery.

  • III- FANENDRENA

    Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny didim-panjakana manendry ireto olom-panjakana ambony manaraka ireto:

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana:

    • Ramatoa RANDRIANAIVO Voahangindraibe  Ravakiniaina   dia voatendry ho lehiben’ny Distrika ny BETAFO.
    • Ramatoa RASATA Volahasina dia voatendry ho lehiben’ny Distrika Antananarivo faha V.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanambeazam-pirenena :

    • Ramatoa  RAZAFIMANANTSOA  Elisah dia voatendry ho tale misahana ny fampiroboroboana ny « intrants scolaires ».
    • Atoa.  RALAINIRINA Razokiny Eric dia voatendry ho talen’ny ivom-paritra misahana   ny   fampiofanana   eo   anivon’ny  Ranomasimbe Indianina .

    Araka  ny  tolo-kevitry ny Ministry ny Harena  an-kibon’ny sy  ny Loharanon-karena Stratejika :

    • Atoa. RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier dia voatendry ho Mpikambana eo  anivon’ny filankevim- pitantana eo anivon’ny OMNIS

    Araka ny tolo-kevitry ny Ministry ny Mponina, ny Fiahiana ara- tsosialy sy ny fampiroboroboana ny vehivavy :

    • Atoa.   RANDRIAMIARINARIVO   Jean   Bruno   Abel   dia voatendry ho tale misahana ny Fitantanana ny mpiasa .
  • IV- FANAFOANANA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manafoana ny fanendrena ireto olom-panjakana ambony manaraka ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1238 tamin’ny 30 Septambra 2020  nanendrena ny Tale jeneraly  misahana ny sekolim-panjakana.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1310 tamin’ny 07 oktobra 2020 nanendrena ny Tale jeneraly ny serasera .
    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1262 tamin’ny 06 jona 2019 nanendrena ny tale ny Televiziona Malagasy eo anivon’ny ORTM

                                 

Natao androany faha 26 May 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika