Nanapa – kevitra ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika fa omena tambim – pankasitrahana ireo mpiasam – panjakana tsirairay avy.

Efa niarahan’ny Vahoaka Malagasy manontolo naheno ireo fanambarana nifanesy nataon’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika mikasika ny fahasahiranana lalina mianjady amin’ireo mpiasam – panjakana rehetra eo am – panatanterahana ny asan’izy ireo kanefa tsy nisy mihintsy izay mba tambim – pankasitrahana nomen’ny Fanjakana azy ireo.

Koa manoloana izany, dia nanapa – kevitra ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika fa hanolotra tambim – pankasitrahana (Prime) mitentina IRAY ALINA SY TELO HETSY ARIARY (310 000 Ar) hoan’ireo mpiasam – panjakana tsirairay avy, na ireo efa raikitra izany na ireo mbola tsy raikitra (non encadrés).

Ireo mpiasam – panjakana eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Vola kosa, izay efa fantatry ny rehetra fa efa nandray an’izany tambim – pankasitrahana izany isan – taona hatrizay, dia tsy misitraka an’ity tambim – pankasitrahana atolotra ankehitriny ity.

Ho fanatanterahana an’izany fanapahan – kevitra, goavana sy manan – tantara, noraisin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika izany, dia nolaniana teo anivon’ny Filankevitry ny Governemanta, tamin’ny faha 23 Desambra lasa teo, ny Didim – panjakana laharana faha 2025 – 2119 manome tambim – pankasitrahana manokana mifandraika amin’ity taona 2025 ity, mitentina IRAY ALINA SY TELO HETSY ARIARY (310 000 Ar), hoan’ireo mpiasam – panjakana raikitra sy tsy mbola raikitra tsirairay avy. Ka tsy ao anatin’izany kosa ireo mpiasam – panjakana miasa eo anivon’ny Ministieran’ny Toekarena sy ny Vola.

Antananarivo, faha 27 Desambra 2025

Rahajason Harry Laurent

Talen’ny Serasera

eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika