FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Didim-panjakana Laharana faha 2021-060

Manendry ny mpikambana notendren’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara eo anivon’ny

Antenimieran-doholona

NY FILOHAN’NY REPOBLIKA,

Araka ny Lalàmpanorenana ;

Araka ny lalàna fehizoro faha-2015-007 tamin’ny  03 mars 2015 novain’ny hitsivolana laharana faha- 2019-006 tamin’ny 28 may 2019 mahakasika ny fomba fiasa, ny fomba fifidianana ary ny fanendrena ireo Loholon’i Madagasikara ;

Araka ny didim-pitsarana laharana faha-01-HCC/AR tamin’ny 07 janoary 2021 manambara amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana ny Loholon’i Madagasikara notontosaina tamin’ny 11 desambra 2020 ;

DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PANJAKANA IZAO :

Andininy voalohany .- Araky ny andininy faha 81 ao amin’ny lalàmpanorenana sy ny andininy faha 7 vaovaon’ny lalàna fehizoro nasiam-panovana laharana faha 2015-007, ny Filohan’ny Repoblikan’ny Madagasikara  dia  manendry  ho isan’ireo  mpikambana  ao  amin’ny  Antenimierandoholona  ireto manaraka ireto :

  • Andriamatoa Imbiki Herilaza ;
  • Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana
  • Andriamatoa ANDRIANANDRASANA Hajaniaina Tahina
  • Andriamatoa NDREMANJARY Jean André
  • Andriamatoa TSIEBO Mahaleo Richard Victor
  • Andriamatoa RAMANAMBITANA Richard Barjohn

Andininy faha 2.- Noho ny amehana, sy araka izay voalazan’ny andininy faha 4 sy faha 6 andalana faha 2 amin’ny hitsivolana laharana 62-041  tamin’ny 19 septambra 1962 mahakasika ireo fepetra ankapobeny momba  ny  lalàna  ifampitondrana  eto  an-toerana  ,  sy  ny  lalàna  iraisam-pirenena ifampitondran’ny isam-batan’olona, dia mihatra avy hatrany izao didim-panjakana izao vantany vao nampahafantarina tamin’ny alalan’ny haino aman-jery, ankoatra ny famoahana azy amin’ny Gazetim- panjakan’ny Repoblika.

Andininy faha 3.- Ity didim-panjakana ity dia ho raketina sy havoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika.

Natao tao Antananarivo, ny 18 janoary 2021

NY FILOHAN’NY REPOBLIKA

ANDRY RAJOELINA