FIADIDIANA NY REPOBLIKA

 

FANAMBARANA

Hifarana ny 12 martsa ho avy izao ny fotoam-piasan’ny mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, izay naharitra 07 taona. Ny didim-panjakana laharana faha 2014-102 tamin’ny 27 Febroary 2014 no nanendrena ny mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay natolotry ny Filoham-pirenena. Ny 12 martsa 2014 ny nanaovan’izy ireo fihanianana ary nanomboka tamin’io fotoana io ihany koa ny fotoam-piasan’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana.

Noho izany mihatra ny didim-panjakana vaovao mitondra ny laharana 2021-261 tamin’ny 04 martsa 2021 manambara ny fifaranan’ny fepotoam- piasan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ankehitriny.

 

 

Natao androany faha 10 Martsa 2021

Ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika