TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA - ALAROBIA 09 SEPTAMBRA 2020

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    «FAMETRAHANA ORINASA ANY ATSIMO  MAMOKATRA SAKAFO HO AN’NY ZAZA SY IADIANA AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO:

    Tafiditra  ao  amin’ny  lamina  sy  ny tetikasa  mati-paika  hoentina hametrahana vahaolana maharitra any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ny Filohampirenena mba hanaisotra tanteraka ny olan’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny  haintany  any  Atsimo indrindra  ireo  mianjady  amin’ny  zaza  madinika. Nampahafantarina  nandritra  ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  fifanaraham- piaraha-miasa eo amin’ny fitondrana Malagasy sy ny  Nutriset izay miara- dalana amin’ny Fondation Mérieux, hanokatra orinasa fanodinana sakafo be otrikaina ho an’ny zaza sy ny reny ary indrindra ireo iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo.

    Tetikasa azo refesina sy misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny mponina no hoentina sy hotanterahana any Atsimo araka ny efa nolazaina hatrany am-boalohany. Afaka herinandro vitsy dia ho tonga eto Madagasikara ny milina rehetra fanodinana izay entin’ireto mpandraharaha sy mpiray antoka amin’ny fitondram-panjakana ireto ! Toy izao ny taratasy nataon’Atoa. Filoham- pirenena hoan’ny mpikambana rehetra ao anatin’ny Governemanta :

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    TARATASIN’ANDRIAMATOA FILOHAM-PIRENENA

    Andriamatoa Praiminisitra,

    Ramatoa sy Andriamatoa isany Minisitra,

    Andriamatoa Minisitra lefitra,

    Andriamatoa Sekreteram-panjakana,

    Isika  eto  Madagasikara  dia  isan’ireo  voafidin’ny  firenena  maro hitarika ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, izay isan’ny noraisiko ho ady manokana sy goavana mandritra ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Mila vahaolana maharitra anefa izany, ary mitaky fandavan-tena sy fahavonona hanarina sy hitondra sosokevitra mafonja, azo tsapain-tanana, azo faritana ary azo hampiharina avy hatrany amin’ny alalan’ny fampiasana ny zava-misy eto an-toerana sy ny fandrisihana ny fahaiza-manao misy eto amintsika. 

    Fantantsika tsara fa ny antsasaky ny zaza malagasy dia mizaka io tsy fanjarian-tsakafo io ary izay no mahatonga azy ireo kely miohatra amin’ireo zaza hafa satria misy fahatarany ny fitomboany ary izay ihany koa no isan’ny mahafohy ny fotoam-pahavelomantsika Malagasy amin’ny ankapobeny.

    Ny vahaolana maharitra entiko eto aminareo hiadiantsika amin’ity tsy fanjarian-tsakafo ity izay saika mahakasika ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy indrindra ny any Atsimo dia ny fananganana orinasa afaka mamokatra ireo sakafo be otrikaina natokana ho an’ny zaza. Izany no antony nifanatonako manokana tamin’ny Fondation Mérieux izay naneho ny fahavononany sy ny fahaiza-manaony  eo  amin’ny  sehatra  ara-tsosialy  hifanohana  amintsika Malagasy.

    Isan’ny sangany ary fanta-daza maneran-tany ny Fondation Mérieux eo amin’ny fanatsarana ny fahasalamana amin’ny alalan’ny fampivelarana ireo ady rehetra amin’ny areti-mifindra izay tena mahakasika ny olona marefo indrindra ny mahakasika ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ary isan’ny mitana toerana goavana amin’izany ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

    Tao  anatin’ireo  dinika  rehetra  nifanaovana  tamin’izy  ireo,  no nahafahantsika  nampifandray  ny  Fondation  Mérieux sy  ny  Nutriset,  izay orinasa  matanjaka  sy  sangany  amin’ny  famokarana  sakafo  be  otrikaina natokana hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ka izy ireo no hamokatra, hanodina ary hitsinjara sy hanaparitaka ny vokatra manerana ireo toeram- pitsaboana sy ireo toerana miahy ny vehivavy bevohoka sy ny ankizy.

    Ny  anjara  andraikintsika  ato  anatin’ny  fitondram-panjakana  dia  ny manampy ny orinasa Nutriset amin’ny alalan’ny fanatanterahana io tetikasa fananganana ity orinasa ity any amin’ny faritra atsimo, mametraka ihany koa ny fandaharanasa hoentina mampiroborobo ireo orinasa mamokatra ireo sakafo ara-pahasalamana be otrikaina entina misoroka sy mitsabo ny tsy fanjarian- tsakafo arakaraky ny filan’ny mponina sy ny toe-java-misy eto amintsika isam- paritra. Eo ihany koa ny fijerena sy fametrahana ireo fepetra sy didy aman- dalàna isan-tokony hanamorana ny fijoroan’ny orinasa, ny fampiodinana ilay orinasa, ny fanalefahan-ketra sy ny haba izay mila ampandalovina eto anivon’ny Filankevitry ny Minisitra. Izany no atao dia ny mba hampanjariantsika ho mendrika ilay ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny politika sy ny paik’ady hampiharintsika  ato  anatin’ny  fitondram-panjakana  satria  isika  dia  tsy mitondra famatsiam-bola fa mametraka lamina fotsiny ihany ahafahan’ilay orinasa mivelatra sy ireo vokatra hipaka any amin’ny vahoaka Malagasy tsy an- kanavaka izay tokony hisitraka izany.

    Ny Fondation Mérieux no hitondra manontolo ny famatsiam-bola, ny orinasa NUTRISET no hametraka sy hampiodina ny orinasa miaraka amin’ireo mpisehatra ara-pahasalamana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ny toky nomen’ny NUTRISET ankoatra ny famoahana vokatra ara-pahasalamana sy manaraka ny fenitra ary ny filan’ny mponina dia ny hamorona asa ho an’ny faritra iasany ihany koa, ary hampiasa ny vokatra avy eto an-toerana.

    Zava-dehibe amintsika ity ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ity satria io no mitsinjo ny mahaolona ary miantoka koa ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy manontolo. Noho izany manana lanjany manokana ity tetikasa ity koa manantena  ny  fiaraha-mientantsika  rehetra  ato  anatin’ny  governemanta amin’ny fanatanterahana sy fanarahana akaiky ity tetikasa ity.

    Antananarivo, faha 09 Septambra 2020

    Ny Filoham-pirenena

    Andry RAJOELINA

    ADY AMIN’NY COVID-19 :

    NANAFATRA FITAOVANA HIADIANA AMIN’NY FIHANAKY NY COVID-19 ny Ministeran’ny  angovo  sy  ny  akoran’afo  izay  ahitana  aro-vava  sy  fitaovana fitsaboana  maro  isan-karazany hotsinjaraina  eny  anivon’ny  tobim- pahasalamana sy ireo mpisehatra eo amin’ny asan’ny fahasalamana ary koa ireo  miady  amin’ity  valan’aretina  ity  eny  anivon’ny  sampan-draharaham- panjakana izay efa voafaritry ny tetikasa.

  • II – FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA :

    Araka ny tolo-kevitry ny Ministry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy :

    Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mamaritra ny filan’ny fanjakana ireo toerana voafaritry ny drafitra fanorenana tanàna eny Vontovorona (Plan d’Urbanisme de Détail de Vontovorona).

  • III – FANENDRENA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena  ireto mpiasam- panjakana ambony ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana :

    • Atoa  RAKOTONDRATSIMBA  Masiaritovo  Antoni,  dia  voatendry  ho Lehiben’ny Distrikan’i Maroantsetra.
    • Atoa BELAMY Mamitiana Ramamonjisoa Claude, dia voatendry ho lehiben’ny Distrikan’Isandra.
    • Ramatoa ZARA Amélie, dia voatendry ho Préfet ao Farafangana.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Filaminam-Bahoaka :

    • Commissaire  Principal  de  Police  RAZAKA  Andriamahasoa,  dia voatendry ho Talem-paritra ao Sava.
    • Commissaire Principal de Police MORATAMBY Roger, dia voatendry ho Talem-paritra ao Sofia.
    • Contrôleur  Général  de  Police  RAKOTOMALALA  Andriamarolahy Fanomezantsoa, dia voatendry ho Talem-paritra ao Boeny.
    • Commissaire  Divisionnaire  de  Police  TOMBOHASY  Christian,  dia voatendry ho Talem-paritra ao Diana.
    • Commissaire Principal de Police RAKOTOMAHEFA Oriel Mikneia, dia voatendry ho Talem-paritra ao Melaky.
    • Commissaire Divisionnaire de Police RAKOTOTIANA Laubel Valisoa, dia voatendry ho Talem-paritra ao Atsinanana.
    • Commissaire Principal de Police GERVERIN Raelison, dia voatendry ho Talem-paritra ao Atsimo Atsinanana

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanabeazam-Pirenena :

    • Atoa RAVELOSAONA Anjara Ranto, dia voatendry ho tale misahana ny raharam-pitsarana

    Araka  ny  tolo-kevitry  ny  Minisitry  ny  fampianarana  teknika  sy  ny fanofanana arak’asa :

    • Atoa SAMUEL RAKOTONDRAINY Herimandimby Rajaona, dia voatendry ho Sekretera Jeneraly.
    • Atoa RAKOTONANAHARY  Tovoherindrainy  Rivonandrianina,   dia voatendry ho Tale misahana ny fitantanambola.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka :

    • Ramatoa RASAMOELINA Fanjambololoniaina Dominique, dia voatendry ho Sekretera Jeneraly

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fambolena, fiompiana ary ny jono :

    • Atoa RATSIMANARISOA Njaka, dia voatendry ho Tale misahana ny « Développement de la Pêche » (DDP)

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika:

    • Atoa RANDRIANANDRASANA Herinarahinjaka Eryck, dia voatendry ho « Secrétaire Exécutif » an’i EITI Madagascar.
    • Ramatoa RANDRIAMIHARISOA Lalaina Hajanirina, dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny Harena an-kibon’ny tany.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Asa, ny fampananan’asa ny asam- panjakana ary ny lalàna sosialy:

    • Ramatoa RATEFIARISON  Njarasoa  Antenaina,  dia  voatendry  ho « Directeur de la Perspective Economique et Sociale de l’Office National de l’Emploi et de la Formation (ONEF) »

    Araka   ny   tolo-kevitry   ny   Minisitry   ny   Tontolo   iainana   sy   ny Fampandrosoana maharitra

    • Atoa RABENANDRIANINA Rivosoa, dia voatendry ho « Directeur de la Diplomatie Verte et des Partenariats ».
    • Atoa ZAZABE Bertrand, dia voatendry ho Talem-paritra ao Anosy.
    • Atoa RABOTOVAO Mamisoa Hervé, dia voatendry ho Talem-paritra ao Matsiatra Ambony
    • Atoa RADISON Jean Claude, Talem-paritra ao Diana.
    • Ramatoa RAZAKAMANARIVO Herintsitohaina, dia voatendry ho Coordonnateur Général de l’Organe de Coordination des actions stratégiques pour la Diplomatie Verte et des Organismes Rattachés (OCDVOR).
    • Ramatoa ANDRIAMBALOHERY Zo Hanitry Ny Ala, dia voatendry ho Directeur du Mécanisme de Financement Durable (DMFD).
  • IV – FANAFOANANA:

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka:

    Foana  ny  didim-panjakana  laharana  faha-2019-2220  tamin’ny 11 desambra 2019  nanendrena  ny  « Directeur  d’Etablissement  Centre Hospitalier Universitaire Tanambao Antsiranana ».

    Araka ny  tolo-kevitry ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika :

    Foana  ny  didim-panjakana  laharana  faha  2019-1500  tamin’ny 07 aogositra 2019 nanendrena ny  « Directeur des Bourses Nationales et Extérieures ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny tontolo Iainana sy ny fampandrosoana maharitra:

    Foana  ny  didim-panjakana  laharana  faha  2019-1506  tamin’ny  07 aogositra 2019 nanendrena ny « Directeur de la Lutte contre les Menaces Environnementales et des Contentieux Forestiers (DMECF) ».

Natao androany faha 09 Septambra 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika