
FIADIDIANA NY REPOBLIKA
TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA NATAO NY ASABOTSY 05 SEPTAMBRA 2020
I- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA:
MITOHY NY HAMEHANA ARA-PAHASALAMANA FA HISY KOSA IREO FEPETRA ISAN-TSOKAJINY HAPETRAKA SY HANDRINDRANA NY FIAINAM- PIRENENA :
Nandritra ny Filankevitry ny Minisitra natao androany 05 Septambra 2020 dia noraisina ny didim-panjakana hanohizana ny hamehana ara-pahasalamana hoentina mandrindra ny ady amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara araka ny fanapahana avy amin’ny Filoham- pirenena, nolaniana nandritra izany ireo fepetra isan-tsokajiny tokony hapetraka rehetra hoentina miaro ny ain’ny Malagasy ary koa iahiana ihany koa ny fiainana andavanandron’ny mponina sy ny isambatan’olona.
Noho izany : mipetraka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny « FAHAMEHANA ARA-PAHASALAMANA» (état d’urgence sanitaire) manomboka androany 05 Septambra 2020 ary mihatra avy hatrany.
Ireo fepetra rehetra sy ny andinidininy mikasika ny lamina sy ny fandrindrana rehetra hoentina miatrika ny 15 andro manaraka dia hohazavain’ny Filoham-pirenena mandritra ny fandaharana manokana hotanterahana rahampitso alahady 06 septambra 2020 amin’ny 08 ora alina ao amin’ny Televizionina Malagasy.
Toy izao ny didim-panjakana laharana faha 2020-1087 tamin’ny 05 septembra 2020 noraisina:

FIADIDIANA NY REPOBLIKA
*********
DIDIM-PANJAKANA LAHARANA faha-2020-1087 tamin’ny 05 septambre 2020
MANAMBARA AMPAHIBEMASO NY FAHAMEHANA ARA-PAHASALAMANA MANERANA NY TANIN’NY REPOBLIKA
NY FILOHAM- PIRENENA,
Araka    ny    lalampanorenana,    ao    amin’ny    andininy    faha    61; 
Araka    ny    lalàna    faha 91-011    tamin’ny    18    jolay    1991    mahakasika    ny    Vanim-potoana    manokana 
Araky     ny     lalàna     laharana     faha  2011-002     tamin’ny     15     jolay  2011     mikasika     ny     fifehezana     ny    fahasalamam-bahoaka ; 
Araka     ny     didim-panjakana     laharana     faha     2019-1407     tamin’ny  19     jolay  2019     manendry    ny    Praiminisitra,    lehiben’ny    Governemanta; 
Araka     ny    didim-panjakana    laharana    faha-2020-070    tamin’ny  29     janoary 2020    nanendry    ny    mpiakambana    ao    amin’ny    governemanta;    
Araka    ny didim-panjakana    laharana    faha    2020-359    tamin’ny    21    martsa    2020    milaza    ny        manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika. 
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    2020    – 370    tamin’ny    04    Aprily    2020    milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika. 
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-420 tamin’ny    17    Aprily 2020    milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika. 
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-457 tamin’ny    02    May 2020    milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika. 
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-483 tamin’ny    16    May 2020    milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika. 
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-592 tamin’ny    30    May 2020    milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika 
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-610 tamin’ny    13    Jona 2020    milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika.
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-687 tamin’ny 27    Jona    2020     milaza    sy manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika 
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-748   tamin’ny 11    Jolay    2020        milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika, 
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-818   tamin’ny 25    Jolay    2020        milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika 
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-890     tamin’ny 08    Aogositra    2020        milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika 
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-1020     tamin’ny 22 Aogositra    2020        milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana ny    tanin’ny    repoblika.
Nandritra ny Filankevitry ny Minisitra taorian’ny fakan-kevitra natao tamin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny filohan’ny Antenimieran-doholona ary ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana ;
DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PANJAKANA MANARAKA IZAO :
ANDININY VOALOHANY. - mitohy mandritra ny 15 andro eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ity didim-panjakana ity ny « Fahamehana ara-pahasalamana » noho ny antony ara-pahasalamana, nohon’ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dàlanan’ny asan’ireo fahefam-panjakana araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 martsa 2020 sy laharana faha2020-370 tamin’ny 04 Aprily 2020 sy ny laharana faha 2020- 420 tamin’ny 17 Aprily 2020, ny laharana faha 2020-457 tamin’ny 02 May 2020, ny laharana faha 2020-483 tamin’ny 16 May 2020, ny laharana faha 2020-592 tamin’ny 30 May 2020, ny laharana faha 2020-610 tamin’ny 13 Jona 2020, ny laharana faha 2020-687 tamin’ny 27 Jona 2020, ny laharana faha 2020-748 tamin’ny 11 Jolay 2020, ny laharana faha 2020-818 tamin’ny 25 Jolay 2020 , ny laharana faha- 2020 -890 tamin’ny 08 Aogositra 2020, ary ny laharana faha faha 2020-1020 tamin’ny 22 Aogositra 2020 voalaza etsy ambony.
ANDININY FAHAROA. - Ity didim-panjakana ity dia mitarika ny fampiharana ireo fepetra rehetra voafaritry ny fehezan-dalàna mahakasika ny Vanim-potoana Manokana (situation d’exception) mametra ny atao hoe Fahamehana.
ANDININY FAHATELO. - Ho    fampiharana    ny    andininy    faha 18    ao    amin’ny    làlana    faha 91-011    tamin’ny 18    jolay 1991    mikasika    ny    Vanim-potoana    Manokana,    izay    mamaritra    ny    fahefan’ny    Filoham-pirenena     amin’ny     fampiharana     ny     fanaraha-maso ny     fivezivezen’ny     olona     sy     ny    fiara,     ny     fanaraha-maso ny    famatsiana    rehetra     ary    ny     fanaraha-maso ny     fitaovam-piadiana    dia natolotra    ny    Praiminisitra    ny    fanatanterahana    izany.   
ANDININY FAHA - EFATRA. - Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Minisitry ny Fitsarana, ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram- pahefana, ny Minisitry ny Fahasalamambahoaka, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Minisitry ny Paositra, ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Sekreteram-panjakana misahana ny Zandarimaria eo ambany fiahian’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena no miantoka ny fanatanterahana izao didim-panjakana izao.
ANDININY FAHA-DIMY. - Noho ny hamehana ary ho fampiharana ny voalazan'ny andininy faha-6 ao anatin'ny didy hitsivolana laharana faha-62-041 tamin'ny 19 septambra 1962 momba ny fepetra ankapoben'ny lalàna anatiny sy ny lalàna iraisam-pirenena mifehy ny fifandraisana manokan'ny samy olona, ity didim-panjakana ity dia manan-kery avy hatrany raha vantany vao havoaka amin'ny onjampeo sy/na ny fahitalavitra, ary izany dia tsy miankina amin'ny famoahana azy amin'ny gazetim-panjakan'ny Repoblika.
Antananarivo faha 05 Septambra 2020
Ny Filoham-pirenena 
Andry RAJOELINA 
Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta 
NTSAY Christian 
Natao androany faha 05 Septambra 2020 
Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny 
Fiadidiana ny Repoblika
 
             
                 
                     
	
 
                         
                    