TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY « VISIOCONFERENCE » NY 04 JOLAY 2020

NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY VISIOCONFERENCE NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY KA  TANY  AMIN’NY  TOERAM-PIASANY  AVOKOA  IREO  MINISITRA  NO  NANATRIKA  TAMIN’NY ALALAN’NY  FAHITALAVITRA  SY  ANTSO  ANTARIBY  MIARAKA  LAMINA  ARA-TEKNIKA  NY FIVORIANA  NATAO  ANDROANY  FAHA 04 JOLAY 2020 NOTARIHIN’NY  FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY :

FEPETRA NORAISINA HO AN’NY 15 andro MANARAKA

Noho ny fiparitahan’ny valan’aretina sy noho ny fitombon’ny tahan’ny olona mitondra ny otrikaretina, nohamafisina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny fepetra rehetra horaisina ary ny paika sy ny drafitra ho entina miatrika ny ady amin’ny  fihanahan’ny valan’aretina  COVID-19 izay  hihatra  manomboka  ny alatsinainy izao :

MIVERINA AMIN’NY FIHIBOHANA TANTERAKA NY FARITRA ANALAMANGA :

Miverina  mihiboka  ny  faritra  Analamanga. Mikatona  manomboka  ny
alatsinainy izao ka hatramin’ny alatsinainy 20 Jolay 2020 ary tsy azo hivezivezena na mivoaka na miditra ato anatin’ny faritra Analamanga. Misokatra mandritra ny tontolon’ny andro ny fivarotam-panafody rehetra. Misokatra ireo toerana fivarotana ny zavatra ilaina andavanandro ka olona 1 ihany isan-tokantrano no mahazo mivoaka amin’ny 06 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora maraina ihany.

FITATERANA : FIARAKARETSAKA (TAXI) SISA MIASA ANATY FEPETRA

Foana avokoa ny fanomezan-dalana manokana rehetra ary tsy misy olona
mahazo fahazoan-dàlana intsony na iza na iza, mba ahafahana mitondra ny marary na mamonjy toeram-pivarotam-panafody na toeram-pitsaboana, ny taxi ihany no omena alàlana hiasa fa olona 3 ihany no entiny, mampiasa ny gel tsy maintsy manao désinfection isan’andro.

Mahazo mivezivezy ny fiara mpitatitra entana.

FAMPIANARANA : MIATO NY FAMPIANARANA

Miato avokoa ny fampianarana rehetra eto Analamanga. Mikatona avokoa ny sekoly  rehetra  manerana  ny  faritra  Analamanga.  Holazaina  amin’ny  fotoana manaraka ny daty hanaovana ny fanadinana.

Mitohy rahampitso 05 Jolay 2020 ny filankevitry ny Minisitra ka aorian’izany dia  hisy  ny  fandaharana  manokana  hanazavan’ireo  minisitra  isan-tokony  ny fepetra maro isan-tokony sy isan-tsokajiny araka ny sehatra misy azy ireo avy. Ireo fepetra rehetra teo aloha ankoatra ireo dia mbola mihatra avokoa.

Natao androany faha 04 Jolay 2020
Ny sampan-draharaha ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika