TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY « VISIO CONFERENCE » NY 01 JOLAY 2020

NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY VISIO CONFERENCE NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY KA TANY  AMIN’NY  TOERAM-PIASANY  AVOKOA  IREO  MINISITRA  NO  NANATRIKA  TAMIN’NY  ALALAN’NY FAHITALAVITRA  SY  ANTSO  AN-TARIBY  MANARAKA  LAMINA  ARA-TEKNIKA  NY  FIVORIANA NATAO ANDROANY  FAHA  01 JOLAY  2020 NOTARIHIN’NY  FILOHAM-PIRENENA  ANDRY  RAJOELINA  ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY :

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    DRAFITRA MAROLAFY HO-ENTI-MANARINA NY SOSIALY SY NY TOE-KARENA :

    Nohamafisina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny fepetra rehetra horaisina ary ny paika sy ny drafitra ho entina miatrika ny ady ao aoriana sy mandritra ny valan’aretina COVID- 19 :

    Hamafisina ny ezaka ho entina miatrika ny valan’aretina sy ny fiantraikan’ny COVID- 19 eto amin’ny firenena eo amin’ny lafiny sosialy sy ara-toe-karena izay miankina tanteraka amin’ny fivoaran’ilay valan’aretina eto amintsika izay iarahan’ny fitondrana sy ny mpamatsy vola. Ny tanjona dia ny ahatratrarana ny fanafongarana ity valan’aretina ity, ary koa fiarovana sy fandrindrana ny lafiny ara-toe-karena mba hiatrehana ny fanarenana ao aoriana kely.

    Nohamafisina ny fepetra sy ny lamina eo amin’ny sehatry ny fampidiran-ketra amin’ny alalan’ny fitsinjovana ireo mpandraharaha amin’ny fanemorana ireo fandoavan-ketra indrindra ny sehatry ny fizahantany sy ny fitaterana ary ny orinasa afakaba toy ny suspension : fandoavana ny ampahambola ho an’ny IR, IRSA, TVA ary ny fanemorana izany hatramin’ny 15 aogositra 2020 (déclarations de paiement, report des déclarations et paiement de l’impôt synthétique jusqu’au 15 août 2020) ary ny fampiantoana ireo fitsirihana ny fampidiran-ketra sy ny fitsirihana (Suspension des contrôles fiscaux et des avis aux tiers détenteurs (ATD) hatramin’ny 15 aogositra 2020.

    Fanampiana sy fijerena ireo orinasa madinika sy salantsalany amin’ny alalan’ny fampindramam-bola amin’ny zanabola farany ambany.

    Ny tsy fanomezana sazy ireo mpandraharaha manao ny famerenana ireo vola avy any ivelany 80%. Ny fanemorana ny fandoavana ny latsakemboka sosialy eny anivon’ireo sampan-draharaha misahana izany ho an’ny telovolana voalohany sy faharoa ny taona 2020. Eo ihany koa ny fahafahana manemotra sy mifandraharaha amin’ny JIRAMA ny amin’ny fandoavana ny faktiora. Sy ireo fepetra maro isan-karazany natao ho entina hiadiana amin’ny valan’aretina ary koa ho entina manarina ny sosialim-bahoaka sy ny toe-karena eo amin’ny sehatra marolafy.

    IREO TERATANY MALAGASY TAVELA ANY IVELANY :

    Mijery akaiky ny vahaolana hoentina ho an’ireo teratany Malagasy tavela any ivelany ny fitondrana manoloana ny fepetra mipetraka ho fiarovana ny rehetra manoloana ny Covid- 19. Ary efa nodinihana teo anatrehan’ny filankevitry ny minisitra ny momba azy ireo. Voaray ary ren’ny fitondram-panjakana ny fitarainan’ireo teratany Malagasy tavela any ivelan’i Madagasikara ary hisy ny lamina hoentina amin’izany.

    “Program for Results” (P4R) IARAHANA AMIN’NY BANKY IRAISAM-PIRENENA

    Nampahafantarin’ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola teo anivon’ny filankevitry ny minisitra ny mikasika ny fanarenana ny sehatry ny herinaratra sy ny fitaterana ao anatin’ny tetikasa « Program for Results » (P4R) iarahana amin’ny banky iraisam- pirenena. Io tetikasa izay mety ahazoana famatsiam-bola io dia ahafahana manarina ny orinasa JIRAMA, manamboatra ny fanarenana ny vidin’ny herinaratra. Io dia sady fanampiana no fampindramam-bola mahazatra.

    CSP : AFAKA MAMPIASA INDRAY NY AMBIMBOLA TEO ALOHA :

    Nomena alalana ny sampana misahana ny fanaraha-maso ny jono na ny CSP mba hampiasa indray ny ambin’ny tetibola teo aloha araka ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny COI sy ny CSP teo amin’ny fanjonoana lamatra aty amin’ny fari-dranomasina Malagasy.

    TOERANA 5 NO HANAOVANA VOLY ANATY SERRES

    Ao Mahitsy, FIFAMANOR, FOFIFA Kianjasoa, Anjozorobe ary toerana iray hafa izay iarahana mamaritra no hanaovana ny toerana ahafahana manao « centre communautaire de serre » iarahana amin’ny Société GREEN 2000 Ltd Israël ary hisy ihany koa toerana hanaovana toeram-pambolena goavana amidy ao Anosibory sy ao Alaotra Mangoro. Ireo no tetikasa nahazoana ny fankatoavana nandritra ny filankevitry ny minisitra androany.

    Réserves Foncières Touristiques (RFT) :

    Hihatra ny fanafoanana ireo fifanarahana mikasika ireo RTF, manoloana ny fanararaotana sy tsy fanarahan-dàlana eo amin’ny fitantanana ireo toerana fizahantany voatokana ary nasiana fifanarahana. Hidina ifotony ny ministeran’ny fitaterana sy ny fizahantany ary ny famatarana ny toetrandro hanao ny fanaraha-maso rehetra manodidina ny tsy fanajana ireo fepetra mifehy ny fifanarahana eo amin’ny fitantanana ireo RFT rehetra

    TOBIN’NY ZANDARIMARIA 10 NO HIOVA ANARANA :

    Tobin’ny zandarimaria 10 no hahazo anarana vaovao manerana ny tany sy ny firenena toy ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena ao Toliara, Manandriana, Arivonimamo, Andreba, Fandriana, Talatanampano, Sakaraha, Befandriana-Avaratra, Betioky-Atsimo, Ambilobe. Ary hisy ny fepetra manokana sy lamina vaovao amin’ny fanomezana anarana ireo tobin’ny zandarimariam-pirenena manomboka izao.

  • II - FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA :

    Nolaniana teo anivon’ny filankevitry ny minisitra ny didim-panjakana natolotry ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola ny didim-panjakana mametraka ny fametrahana ny « Fonds de riposte à la pandémie covid 19 »

  • III – FANENDRENA OLOM-PANJAKANA :

    Ny filankevitry ny minisitra dia nanendry ireto olom-panjakana manaraka ireto:

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy

    • Atoa RAKOTONJANAHARY Ranto, dia voatendry ho Tale jeneralin’ny APIPA.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fitaterana sy ny fizahantany ary ny famatarana ny toetrandro :

    • Ramatoa RAMANAMBE Cécile Nathalie, dia voatendry ho Tale misahana ny « Systèmes d’Information et de la Communication ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny indostria, ny varotra ary ny asa-tanana

    • Ramatoa ANDRIANARIVO Lalaina Priscilla, dia voatendry ho tale Jeneralin’ny OMAPI.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra :

    • Atoa TEZENA Lionel Armando, dia voatendry ho Talem-paritra ao Atsinanana.
    • Ramatoa RANDRIANJAFIZANAKA Soary Tahafe, dia voatendry ho talem-paritra ao Atsimo-Andrefana.
    • Atoa RAKOTO Claude, dia voatendry ho Tale misahana ny « Promotion de la Recherche et de l’Intégration de la Démarche de Développement Durable ».
    • Ramatoa RAZAFINDRAHANTA Voahangiarivelona Hanitriniaina, dia voatendry ho Tale misahana ny « Reboisement et de la Gestion des Paysages et des Forêts ».
    • Atoa RAZAFINDRABE Rinah, dia voatendry ho Tale misahana ny « Aires Protégées, des Ressources Naturelles Renouvelables et des Ecosystèmes »

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra :

    • Atoa WILLIAM Jean Tsimamboly, dia voatendry ho Tale irasiam-paritra ao Antsiranana.
    • Atoa RAZAFINDRADIA Herbert Martino, dia voatendry ho Tale iraisam-paritra ao Mahajanga.
    • Ramatoa LOVATIANA Andrianaivo, dia voatendry ho tale iraisam-paritra ao Fianarantsoa.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena :

    • Atoa RAKOTONDRAIBE Haja Ny Aina, dia voatendry ho talem-paritra any Matsiatra Ambony.
    • Atoa HERIVAO Henri Rodrigue, dia voatendry ho Talem-paritra any Ihorombe

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny serasera sy kolontsaina :

    • Atoa RASAMOELINA Andry Fidiniaina Moïse, dia voatendry ho mpandrindra ny Cellule de Contrôle Interne (CCI).
  • IV – FANAFOANANA :

    Ny filankevitry ny minisitra dia nanafoana ireto didim-panjakana manaraka ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Praiminisitra :

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Sekretera Jeneraly lefitra eo anivon’ny Governemanta

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina :

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny « Chef de la Cellule de Contrôle Interne » teo aloha.

Natao androany faha 01 Jolay 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika