FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-­?PANJAKANA IAVOLOHA ? ALAROBIA 19 FEBROARY 2020 

 

  • I-­? FAMPAHAFANTARANA :

    HANAO VONJY AINA MAIKA ZAZA MIISA 35.000 AO ANATY DISTRIKA 06 ANY ATSIMO NY FITONDRAM-­?PANJAKANA :

    Distrika 6 no ahiana ho voakasiky ny haintany, tsy fahampian-drano sy tsy fahampiantsakafo any atsimon’ny Nosy : Amboasary Atsimo, Ambovombe, Bekily, Betioky, Ampanihy, Tsihombe.

    Vonjy aina raisin’ny fitondrana izao dia izao dia ny fandefasana camions-citernes hamatsy rano maimaim-poana ny mponina any amin’ireo toerana voakasik’izany, hizara sakafo hoan’ireo zaza amam-behivavy izay zazakely 35.000 eo ho eo no mila favotana maika amin'ny alalan'ny fanohanana ara-tsakafo, izay iaraha-misalahy amin'ireo mpamatsy vola sy ny tetikasa nutriset ary koa ny BNGRC izay handefa sakafo sy fanafody ary kojakoja ilaina ho an'ny mponina amin'ireo distrika.

    Hisy sites pilotes hajoro isak'ireo distrika tena voakasika ireo ahafahana mametraka vahaolana maharitra, mba tena hiadiana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo izay iainan'iny faritra Atsimon'ny Nosy iny efa an-taonany maro.

    Ireto avy ny zavatra ho atao amin'ireo sites pilotes ireo:

    • fanaovana forage hahazoana rano fisotro madio, fananganana orinasa ampiasana ny techniques d'ultrafiltration sy désalinisation ny ranomasina ho lasa rano fisotro. Hovatsiana fitaovana fanadiovana rano koa ato anatin'ny 3 volana ireo distrika ireo, izay afaka hanadio rano hamatsiana olona hatramin'ny 35.000 isaky ny site pilote. Hanampy pipeline 1 vaovao koa araka ny toromarika avy amin'ny Filoha.
    • fampiasana teknika ara-pambolena ahafahana manao vary an-tanety, mamboly katsaka sy vomanga, ahafahana mampiakatra ny vokatra ilain'ny mponina any antoerana.
    • fametrahana toeram-pitsaboana ampy fitaovana sy manana mpitsabo sy mpiasan'ny fahasalamana ampy isa. Omena zara tombony manokana ireo mpiasan'ny fahasalamana vonona amin’izany ka hananganana toeram-ponenana izy ireo miaraka amin'ny tobim-pahasalamana izay atsangana, asiana rafitra sy toerana mendrika ary indrindra hahazo tambinkarama manokana mifototra amin’ny fahalavirantany.
    • Herintaona no ipetrahany any dia hiova isantaona izany ary ampifandimbiasina mba tsy hanana olana amin'ny tsy fahampiana na tsy fisian'ny mpitsabo ny tobim-pahasalamana.
    • fananganana toeram-ponenana vaovao mendrika sy mifanaraka amin'ny filàna sy ny kolontsaina ary ny fomba amam-panaon'ny mponina any.

    Nanome toromarika ny Filoha mba hivory rahampitso dia rahampitso ihany ireo minisitra voakasika hahafahana manomboka maika ny asa amin'ireo sites pilotes ireo isan’izany ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, ny fahasalamana, ny indostria, ny rano, ny trano fonenana ary ireo misahana ny fandriam-pahalemana.

    Volan'ny fanjakana malagasy ranoray (ressources propres de l'Etat) aloha no entimanangana ireo « sites pilotes », fa ny fanitarana ny tetikasa no hiantsoana ireo mpamatsy vola aoriana kely.

    Ao anatin'ny 4 volana tsy maintsy vita ny fametrahana ireo sites pilotes hoy ny toromarika nomen'ny Filoha, izany hoe mialoha ny 26 jiona dia tsy maintsy vita ny fananganana.

    Ao anatin'ny 4 volana hanaovana ny asa anefa tsy afaka hitazam-potsiny ny fanjakana ka ny vahaolana ampiharina avy hatrany dia ny famatsian-drano maimaimpoana any antoerana omena ny mponina amin'ireo distrika tena voakasika ankoatra ny « camions citernes » alefa any hamatsy rano. Ny tohan'aina ara-tsakafo koa dia hanomboka avy hatrany. Ao anatin'ny 4 volana ho avy dia hisy ny fanampiana sy fanarahana manokana goavana homena ny mponina hanamaivanana ny olana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo.

    Ny Filohan'ny Repoblika dia hidina any an-toerana amin'ny faran'ny herinandro hiaraka amin'ireo ministra voakasika amin'ny fananganana ny sites pilotes, hiaraka aminy amin'izany koa ireo bailleurs de fonds toy ny BM, PNUD, PAM, OMS, UNICEF....

  • II-­? FANENDRENA :

    Ny filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam-­?panjakana ambony ireto :

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Fitsarana :

    • Atoa IMBIKI Herilaza, dia voatendry ho Sekretera Jeneraly

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana :

    • Atoa HERMAN Reminantenaina, dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’Amboasary-Sud
    • Ramatoa ZARA Amélie, dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’i Toliara II
    • Atoa RANDRIAMANGA Falinirina Manoela, dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’i Betioky-Sud
    • Atoa RAFENOLAZA Jean Jacques, dia voatendry ho lehiben’ny Distrikan ‘i Soalala

    Araky ny tolokevitry ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arakasa :

    • Atoa RAZAFIMAHEFA Herimanana, dia voatendry ho sekretera jeneraly

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry angovo sy ny akoranafo :

    • Atoa RAMAROSON Andry Heriniaina, dia Tale jeneraly misahana ny angovo sy ny akoranafo.
    • Atoa HERIMANANA Luciano, dia voatendry ho Tale misahana ny fitantanambola sy ny lojistila ary ny fananan’ny ministera
    • Atoa JINOT Razafimamonjy, dia voatendry ho tale miandraikitra ny fitantanana ny mpiasa
    • Ramatoa RAZAFIMAHATRATRA Dina Anjaraniaina, dia voatendry ho Tale misahana ny Emergence Energétique

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry fampianarana ambony ny fikarohana aratsiantifika :

    • Atoa RANDRIAMASITIANA Gil Dany, dia voatendry hoe Sekretera Jeneraly.

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry kolontsaina sy ny serasera :

    • Ramatoa RATSISETRAINA Dina Valisoa, dia voatendry ho Talen’ny Ivontoeran’ny Sarimihetsika sy Sarimiaina Malagasy (ISSM)

    Araky ny tolokevitry ny sekreteram-panjakana misahana ny zandarimariampirenena ao anatin’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena :

    • Colonel RABEMANANTSOA Josh, dia voatendry ho Kaomadin’ny farimpiadidian’ny zandarimariam-pirenena any Toamasina
  • III-­? FANAFOANANA :

    Araky ny tolokevitry ny Minsiteran’ny ati-tany sy ny fitsinjarampahefana :

    • Foana ny didim-panjakana manendry Sektretera Jeneraly, Talem-paritry ny fampandrosoana ny faritra ary ireo Tale misahana ny fiandraiketan-draharampanjakana ankapobeny isam-paritra ao amin’ny Faritr’i Vakinankaratra sy Vatovavy Fitovinany.
    • Foana ny didim-panjakana nanendry ireo talem-paritany rehetra
    • Foana ny didim-panjakana manendry ny mpandridnra jeneralin’ny Office National de Concertation sur la Décentralisation.
    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Préfet ao Ambovombe.
    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Préfet ao Tolagnaro.

    Araky ny tolokevitry ny ministeran’ny angovo sy ny akoranafo:

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Tale jeneralin’ny akoranafo

    Araky ny tolokevitry ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika :

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Seketera Jeneraly

    Araky ny tolokevitry ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika :

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Tale misahana ny Centre d’Information et de Documentation Scientifique et Technique (CIDST)
    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny tale misahana ny Centre Régional des OEuvres Universitaires Antananarivo (CROUA).
    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Tale misahana ny fampivoarana « Coordination et du Partenariat »

Natao androany 19 febroary 2020

Ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika