FIADIDIANA NY REPOBLIKA
TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA - ALAROBIA 12 FEBROARY 2020

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    ETAT CIVIL: HARINDRA HITOVY AVOKOA ARY HAMETRAKA NY LAMINA VAOVAO :

    Hapetraka ny lamina sy paikady hanomezana soram-piankohonana ho an’ny zanaka malagasy rehetra manerana ny Nosy, ka ahafahana mahafantatra ny malagasy isambatan’olona raha vao teraka ary ahafahana mahafantatra ny tsirairay isam-batan’olona. Ny tanjona dia tsy hisy intsony ny zaza malagasy tsy manana kopia na olon-dehibe tsy manankaratra na koa ireo voalaza fa manan-karatra maro isaky ny faritra honenany. Hisy araka izany ny fomba fitantanana vaovao ny rejisitry ny soram-piankohonana amin’ny alalan’ny solosaina ka hanamorana ny fahafantarana ny isan’ny olom-pirenena malagasy, hanamorana ny fitantanana ny raharaham-panjakana izay hifaneraserana amin’ny olom-pirenena tsirairay. Tafiditra ao anatin’ny tetikady ho entina mametraka ny e-gouvernance izany izay ho entina manavao sy mametraka ho maoderina ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny ankapobeny.

    Baiko no nomen’ny Filoham-pirenena ny hifandrimbonan’ny minisitera rehetra amin’ny fametrahana sy fanamorana ny fanantanterahana io tetikasa ho entina mandrindra sy mahafantatra ny olom-pirenena tsirairay avy ary hanamorana ny fifandraisana amin’izy ireo amin’ny fitantananan-draharaham-panjakana.

  • II- FANENDRENA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto :

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola:

    • Ramatoa RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo, dia ho voatendry ho Sekretera Jeneraly

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana:

    Voatendry ho governoram-paritra ireto manaraka ireto :

    • Atoa RAKOTOVAO Vy Vato Rakotomaditra, dia voatendry ho Governoran’ny faritra Vakinakaratra
    • Jeneraly Razafitsotra Lucien Laurel, dia voatendry ho Governoran’ny faritra Vatovavy Fitovinany
    • Général de Brigade ELACK Olivier Andriakaja, dia voatendry ho Tale jeneralin’ny BNGRC
    • Général de Brigade RAMANANTSOA Gabriel, dia voatendry ho Tale miandraikitra ny « Patrimoine » sy ny Fitantanan-draharaha ao amin’ny BNGRC
    • Atoa. RAZAFIMANDIMBY John Heriniandry, dia voatendry ho Talen’ny « Centre d’Etudes, de Réflexion, de Veille et de l’Orientation » ao amin’ny BNGRC
    • Atoa. RAHOLINARIVO Paolo Emilio Solonavalona, dia voatendry ho Tale misahana ny « Etudes et de la Gestion des Risques » ao amin’ny BNGRC
    • Atoa. RAZAFIARISON Jean Jugus, voatendry ho Tale misahana ny « Opérations » ao amin’ny BNGRC
    • Atoa FALY Aritiana Fabien, dia voatendry ho Mpandrindra ny tetikasa ao amin’ny BNRGC

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ary ny toeram-ponenana:

    • Ramatoa RAKOTO Bebiarivola Marie-Louise, dia voatendry ho Sekretera Jeneraly.
    • Atoa. RABE Harimanana, dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny Fanajariana ny Tany.
    • Atoa. RATOLORANTSOA Petera, dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny Fananan-tany.
    • Atoa RANDRIANANDRASANA Hajaniaina, dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny asa Vaventy.
    • Atoa RANDRIANASOLOARIMINA Tiana, dia voatendry ho Mpandrindra ny tetikasa.
    • Ramatoa RAZANARISOA Harinjanahary, dia voatendry ho « Responsable de l’Unité Partenariat Public Privé ».
    • Atoa. RAHAINGOSON Harifidy Haja, dia voatendry ho Talen’ny Serasera.
    • Atoa. TSARANIRINA Marc Aurèle, dia voatendry ho Tale miandraikitra ny fitantanam-bola.
    • Atoa. RAMANANTSOA Antsivalahiniriko Eralison Pierrot, dia voatendry ho Tale misahana ny raharaham-pitsarana.
    • Ramatoa ANDRIAMANAJARA Domoina, dia voatendry ho « Directeur des Analyses et Prospectives ».
    • Atoa. SAMBISOLO Emile Joseph, dia voatendry ho « Directeur des infrastructures ».
    • Atoa. RAZEFASON Ando Malala, dia voatendry ho « Directeur de l’Entretien Routier ».
    • Atoa. RAZAFINDRALAMBO Manantsoa, dia voatendry ho « Directeur d’Appui aux Urgences ».
    • Atoa. RAZAFINDRAKOTOHARY Tiana Richard, dia voatendry ho « Directeur d’Appui à la Gestion Foncière Décentralisée ».
    • Atoa. RAHARO Laza Andriamanjato, dia voatendry ho « Directeur des Domaines et de la Propriété Foncière ».
    • Atoa. RANDRIAMAMPANDRY Cyrille, dia voatendry ho « Directeur des Études et Travaux Topographique ».
    • Ramatoa OLISOA Felana Raharisoa, dia voatendry ho Directeur du Développement Urbain Durable.
    • Ramatoa TSANTAVOLOLONA MASINIRINA Andrianantoandro, dia voatendry ho « Directeur des Ressources Humaines ».
    • Atoa. RAKOTOARISON Clark, dia voatendry ho « Directeur des Systèmes d’Informations. »
    • Atoa. ANDRIANIRINA Harifidy, dia voatendry ho « Directeur de l’Observatoire ».
    • Ramatoa ANDRIANAHARINOSY Mireille Natacha, dia voatendry ho « Directeur des Études et de l’Évaluation Environnementale »
    • Atoa. ANDRIAMASY RAKOTOARIVELO Haingovola, dia voatendry ho « Directeur de la Programmation et du Suivi-Evaluation ».

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry Fahasalamam-bahoaka:

    • Atoa. SOLOFOMALALA Gaëtan Duval, dia voatendry ho Sekretera Jeneraly

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry Rano, Fanadiovana ary Fidiovana:

    • Atoa. RANDRIATSIFERANA Simon Robison, dia voatendry hoe Sekretera Jeneraly.
  • III- FANAFOANANA :

    Araky ny tolo-kevitry ny Fiadidiana ny Governemanta :

    Foana ny didim-panjakana laharana 2015-107 sy laharana 2015-108 ny 11 febroary 2015 nanendry ny Sekretera Jeneraly sy ny lefiny misahana ny vaomiera iraisan’ny minisitera miady amin’ny fandrindrana ny ady amin’ny zava-mahadomelina.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana:

    Foana ny didim-panjakana manendry ny lehiben’ny distrikan’i Mampikony.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina:

    Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1263 tamin’ny 06 Jona 2019 nanendry ny Tale misahana ny « Régulation des Médias ».

 

Natao androany 12 febroary 2020

Ny Sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika