TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 28 JOLAY 2021

NOTANTERAHINA  TAO  AMIN’NY  LAPAM-PANJAKANA  IAVOLOHA  NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM- PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY 

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    MINISTERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavina ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny Filankevitry ny Ministra  sy  ny  fihaonana  an-tampon’ireo  Filoham-pirenena  sy  lehiben’ny Governemanta ao anatin’ny Vondrona SADC izay hotanterahina ny 09 hatramin’ny 18 Aogositra 2021 ho avy izao, any amin’ny Repoblikan’i MALAWI. I Malawi moa no firenena vao avy nandray ny fitantanana ny SADC.

    Tapaka nandritry ny fivoriana tsy ara-potoanan’ireo filoham-pirenena sy lehiben’ny governemanta tamin’ny volana Jona 2021 lasa teo tany Maputo Mozambika ny tokony hisian’ny fivoriana miaraka dia ny Filankevitry ny Minisitra sy ny fivorian’ny Filoham- pirenena ary ny Lehiben’ny Governemanta amin’ny volana Aogositra ho avy izao.

    Ho  isan’ireo  lohahevitra  hodinihana  mandritra  io  fivoriana  io  ny  mikasika  ny fivoaran’ny  fanatanterahana  ireo  hevitra  tapaka  tamin’ny  filankevitry  ny  minisitra,  ny fanatanterahana ny « Plan stratégique indicatif de développement régional » (RISDP 2020- 2030), ny fivoaran’ny fanatanterahana ny tondrozotran’ny SADC eo amin’ny sehatry ny indostria, ny fandinihana ny tatitry ny komity miandraikitra ny « finances » ary ny tatitry ny komity misahana ny « ressources humaines et de l’administration »

    MINISTERAN’NY ATI-TANY sy ny FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatoavina ny fanomezana Porte- Chars miisa enina (06) sy Camions Tracteurs miisa enina (06) ao anatin’ny “Nouveaux Projets d’Émergence” (NPE) amin’ity taona 2021 ity.

    Ho fanatanterahana ny Velirano faha roa ambinifolon’ny Filohan’ny Repoblika, ary hahafahan’ireo  Faritra  manatanteraka  amin’ny  antsakany  sy  andavany  ny  asa hiandraiketany ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy, indrindra ho an’ny asa fanarenana sy/na fanamboarana ireo làlana kaominaly, mba tsy hisian’ny fitokana- monin’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, dia efa nisy ny fanomezana fitaovana vaventy miisa dimy isaky ny Faritra.

    Mba  hanamoràna  ny  fivezivezen’ireo  fitaovana  vaventy  ireo,  dia  nangatahan’ny Minisiteran’ny  Ati-tany  sy  ny  Fitsinjaram-pahefana  ny  hanomezan’ny  Fanjakana,  ao anatin’ny « Nouveaux Projets d’Emergence » (NPE) ho an’ny taona 2021, « Camion-tracteur » sy « Porte Char » ho an’ny Faritany tsirairay avy.

     

  • II - FANENDRENA :

    MINISTERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1246 tamin’ny 30 Septambre 2020 ary manendry an’Atoa. MAMBA Serge Dieu Donné,  ho  Directeur  de  l’Education  Non  Formelle  eo  anivon’ny  Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena

    MINISTERAN’NY TONTOLO IAINANA sy ny FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1168 tamin’ny 21 oktobra 2020 izay manendry ny « Directeur de l’Unité de Coordination des Organismes Rattachés » eo anivon’ny  Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy.
    • Nankatoavina  ny  didim-panjakana  manendry  an’Atoa. RASAMOELINA  Andry Fidiniaina Moïse, ho « Secrétaire Général » eo anivon’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Nankatoavina  ny  didim-panjakana  manendry  an’Atoa. ANDRIANTSEHENO  José Dominique, ho Talen’ny Ivon-toeran’ny Sarimihetsika sy Sarimiaina Malagasy (ISSM) eo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina

                                 

Natao androany faha 28 jolay 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

Eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika