TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 21 JOLAY 2021

NOTANTERAHINA  TAO  AMIN’NY  LAPAM-PANJAKANA  IAVOLOHA  NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM- PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    Nankatoavina ny tsy fandoavana haban-tseranana sy hetra na « exonération » amin’ny fampidirana fanindroany indray ireo fitaovana sy kojakoja samihafa entina hanamboarana  ny trano fandidiana fo (Bloc de chirurgie cardiaque) eny amin’ny hopitaly Soavinandriana (CENHOSOA)

    Ny Filankevitry ny Minisitra natao ny 23 jona 2021 teo dia nanome alalana ny amin’ny tsy handoavana ny haban-tseranana sy ny hetra manokana amin’ny fampidirana voalohany fitaovana sy kojakoja samihafa entina hanamboarana trano fandidiana fo ( Bloc de chirurgie cardiaque) eny amin’ny hopitaly Soavinandriana (CENHOSOA). Nozaraina telo (03) izany fampidirana fitaovana sy kojakoja samihafa  izany, ary efa an-dalana ny fampidirana faharoa, satria niainga ny 18 jona 2021 teo.

    Araka  izany,  io  fampidirana  faharoa  io  dia  tokony  hamoahana  naoty  hafa ankoatran’ilay naoty nivoaka tamin’ny fampidirana voalohany satria samihafa ny lisitra sy ny fomba fitaterana ary ny faktioran’ ireo entana.

  • II - FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA sy VOLAVOLAN-DALANA :

    Noraisina ny didim-panjakana mikasika ny fampiantsoana fivoriana tsy ara- potoana ireo parlemantera manomboka ny  03 aogositra 2021 ho avy izao.

    Taorian’ny lanonana lehibe notontosaina androany maraina faha 21 jolay 2021 teto amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, izay nanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa miisa efatra mitentina 490 tapitrisa dolara teo amin’ny fanjakana malagasy sy ny Banky Iraisam-pirenena dia ilaina ny fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoana na « session extraordinaire » an’ireo  parlemantera.  Izany  no  hatao  dia  ahafahana  manome fankatoavana  ara-dalàna  io fifanaraham-piaraha-miasa  vao nosoniavina  io sy ny fampiasana izany famatsiam-bola izany na « ratification de la convention ».

    Raha  tsiahivina  dia  toa  izao  manaraka  izao  ny  mikasika  ny  hampiasana  io famatsiam-bola vao azo io.

    - 100  tapitrisa  dolara  hatokana  hanamafisana  ny  tetikasa  fividianana  vaksiny hiarovana amin’ny Covid-19 sy hanamafisana ny sehatra ara-pahasalamana

    - 150  tapitrisa kosa dia hatokana ho an’ireo tetikasa  ara-toekarena « projet de transformation  économique  pour  la  croissance  inclusive  (PIC3) » ahafahana manarina io sehatra io taorian’ny krizy ara-pahasalamana

    - 200  tapitrisa  dolara  no  hatokana  ho  an’ny  tetikasa  maharitra  mikasika  ny fanamboaran-dalana  eto  Madagasikara  ka  làlana  mitotaly  1200km no  ho voakasik’izany

    - Ary farany, 40 tapitrisa dolara, hatokana amin’ny tetikasa mikasika ny fambolena.

    Ezahina horaisina mandritra io fivoriana tsy ara-potoanan’ny parlemantera io ihany koa ny fanapahan-kevitra mikasika ny « Fonds souverain »

  • III - FANENDRENA :

    PRIMATIORA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-1639 tamin’ny 05 desambra 2018 ary manendry ny Colonel ANDRIANAMBININA Olivier ho « Directeur de la sécurité » eo anivon’ny Primatiora.

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha-2020-526 tamin’ny  27  may  2020  ary  manendry  ny  Général  de  Brigade  RAMASY RAZAFINDRATOVO Heritiana, ho « Coordonateur Général des Projets » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANTIFIKA

    • Noraisina  ny  didim-panjakana manendry  an-dRamatoa TSIAZONANGOLY  Arielle Fanarine,  ho « Directeur  des  Bourses  Nationales et  Extérieures » eo  anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiantifika..

     

                                 

Natao androany faha 21 jolay  2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

Eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika