TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA MANOKANA NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY

“VISIOCONFERENCE”

Nisy  ny  Filankevitry  ny  Minisitra  manokana  notanterahina androany    tamin’ny  alalan’ny  « visioconférence » izay  notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo minisitra vitsivitsy.

Tapaka nandritra izany, araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny fanendrena ny Général de Division SAHIVELO Lala Monja Delphin, ho Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l'État-Major des Armées)

                                 

Natao androany faha 17 Jona 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika