TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY “VISIOCONFERENCE”

ALAROBIA 16 JONA 2021

NATAO  TAMIN’NY  ALALAN’NY  VISIOCONFERENCE  NY  FILANKEVITRY  NY  MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY :

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena

    Nankatoavina ny fandraisan’ny fanjakana an-tànana ny haban-tseranana sy ny hetra manokana momba ny fampidirana « containers » misy famokarana fanampin-tsakafo eto Madagasikara

    Ny 15 martsa 2021 lasa teo, teto Antananarivo, ny Fondation Mérieux dia nanambara ny fahavononany hanampy an’i Madagasikara amin’ny ady atao amin’ny tsy fanjarian- tsakafo  amin’ny  alalan’ny  fametrahana  ozinina  famokarana  fanampin-tsakafo  ao Tolagnaro ho an’ireo mpianatra any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara. Vonona hanolotra  maimaim-poana  ihany  koa  «  containers  »  fanampiny  misy  fitaovana famokarana fanampin-tsakafo ity Fondation lehibe ity.

    Vokatry  ny  fiaraha-miasa  eo  amin’ny  Fondation Mérieux  sy  ny  Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena dia ankizy miisa dimy alina (50.000) any amin’ny faritra Anosy sy Androy no hisitraka ny vokatr’io ozinina lehibe famokarana fanampin-tsakafo io, ka hahatratra 600 taonina isan-taona ny famokarana. Marihina fa hozaraina maimaim- poana any amin’ireo toeram-pisakafoanana an-tsekoly na « Cantines scolaires » maro izany.

    Resy  lahatra  amin’ny  vokatra  tsara  ateraky  ny  fisian’izany  ozinina  izany  sy  ny tombontsoa entiny ho an’ny daholobe, indrindra ho an’ny ankizy any amin’ny faritra atsimon’ny  Nosy  ny  Ministeran’ny  Fanabeazam-pirenena  koa  izany  indrindra  no nangatahana io fanalefahana  haban-tseranana  sy  fanalefahan-ketra  manokana  io, hampidirana  ireo  «  containers  »  misy  famokarana  fanampin-tsakafo  natolotry  ny Fondation Mérieux ireo.

    Ministeran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa

    Nankatoavina ny fampidirana maimaim-poana ireo fitaovana nafarana omena ny  Ivon-toerana  fanofanana  arak’asa  na ny  « Centre  de  formation professionnelle » na CFP ao Nosy-Be

    Ny Ministeran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa dia manohy ireo ezaka hanatanterahana ireo tanjona tratrariny, amin’ny alalan’ny fanatanterahana ireo fandaharan’asa fampianarana sy fampiofanana. Isan’izany ny fanampiana ny mpiasa hanana haitao mamaly ny filàn’ny tsenan’ny asa sy hanamorana ny fampidirana ireo rehetra voaofana eo amin’ny sehatry ny asa. Arak’izany dia nisy ny fifanaraham-piaraha- miasa teo amin’ny Ministeran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa ary ny fikambanana IMANGA sy HUMANISA XXI miaraka amin’ireo manam-pahefana any an-toerana sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra.

    Nanolotra fanomezana ho an’ny CFP Ampombolava Nosy-Be ireo mpandraharaha vahiny miara-miasa aminy. Ny tanjon’izao fiaraha-miasa izao moa dia ny hanomezana haitao sy haiasa  ireo  mpiofana  ao  anatin’ny  sehatra  « menuiserie  métallique,  mécanique automobile, moteur marin ary bâtiment » mba hamaliana ny filan’ireo sehatr’asa ireo. Ny fanatanterahana io fifanaraham-piaraha-miasa io dia mitaky ny fandraisan’ andraikitry ny fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny fanamoran’ ireo departemantam-panjakana ny fikarakarana ireo antontan-taratasy mba hampidirana maimaim-poana ireo fanomezana ireo.

    Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka

    Nankatoavina ny fahazoan-dalana handray ireto fitaovana ireto : “appareils mammographies analogiques » miisa folo (10) sy « scanners 64 barrettes » miisa dimy (5).

    Ireo hetsika stratejika rehetra tanterahina eo amin'ny sehatry ny fahasalamam- bahoaka dia mitondra mankany amin’ny fanatrarana ny tanjona lehiben’ny Ministera dia ny fahasalamana ho an’ny rehetra. Izany dia mitaky ny fanatsarana ny rafi-pahasalamana misy  ary  koa  ny  fampanarahana  fenitra  ireo  fiofanana  eo  amin’ny  sehatry  ny fahasalamana. Ny fanomezana fitaovana manara-penitra sy mifanaraka amin’ny filàna dia  isan’ireo  laharam-pahamehana  ao  anatin’ny  Politika  Ankapoben’ny  Fanjakana hahafahana manome kalitaom-pitsaboana tsara kokoa ho an’ny rehetra.

    Izany indrindra no nahatonga ny Ministeran’ny Fahasalam-bahoaka nanomana drafitra amin’ny fahazoana « scanners » miisa dimy ho an’ny Faritra Anosy sy Vakinankaratra, Sambava /Antalaha ary Maroantsetra sy « mammographies » miisa folo.  Ny fisitrahana izany fitaovana izany dia tafiditra indrindra ao anatin’ny tetikasam-pampandrosoana vaovaon’ny Ministera. Hahafahana mitily ny homamiadan’ny nono sy mijery akaiky ny fo sy havokavoka ary ireo taova rehetra ao anaty tratra eny hatrany amin’ny lamosina moa ireto  fitaovana  ireto ary  hisy  ny  fanofanana  ireo  tompon’andraikitra  mikasika  ny fampiasana azy.

    Ministeran’ny rano sy ny fahadiovana ary ny fidiovana

    Nankatoavina ny fandraisana an-tanana na « prise en charge à titre exceptionnel de Taxe sur la valeur ajoutée » an’ny fiara lehibe fakana fako na « Camion benne » miaraka  amin’ny  « Kit  de  maintenance »  ho  an’ny  Kaominin’Antananarivo Renivohitra

    Ao anatin’ny fiaraha-miasa miaraka eo amin’ny Ministeran’ny rano sy ny fahadiovana ary  ny  fidiovana,  ny  UNICEF  dia  mikasa  hividy  « Camion  benne » misy  « Kit  de maintenance » hanampiana ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra mba hanamafisana ny haitaon’ny sampana fandraofana ireo fako vaventy.

    Nankatoavina ny fandraisana an-tanana na « prise en charge à titre exceptionnel de Taxe  sur  la  valeur  ajoutée » mikasika  ny  fanafaran’ny  UNICEF  ireo  fitaovana fanasan-tanana  (20  litatra)  miisa  8000  ho  an’ny  Ministeran’ny  Rano  sy  ny fahadiovana ary ny fidiovana

    Mitentina 686 840 000 ariary ireo fitaovana ireo ary natao indrindra ho fanomezana fanohanana  ity  Ministera  ity  amin’ny  fanatanterahana  ny  asany  manoloana  ny hamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara.
  • II - FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA :

    Ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy 

    Nolaniana  ny  didim-panjakana manambara  ny  hampiasan’ny  fanjakana na « déclaration  d’utilité  publique des  réserves  d’emprises  des  installations  ou équipements » araka ny efa voalazan’ny  drafi-pandrindrana ny tanan-dehibe na ny « Plan d’urbanisme directeur de la ville » an’ny tananan’i Mahavelona Foulpointe izay voafaritry ny reniranon’i Onibe sy ny kaominina ambanivohitra Ampasimbe Onibe, ny  kaominina  ambanivohitra Andondabe,  ny  reniranon’i  Ifontsy ary  ny kaominina ambanivohitra Antentezambaro ary ny Ranomasimbe Indiana.

    Ao anatin’ny fanomezana fitaovam-piasana « outil de planification” ho an’ireo vondrom- bahoaka  hitsinjaram-pahefana sy  mba  hanatsarana  ny  fitantanana  ireo  faritra ambonivohitra na « espaces urbains », ny Ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy dia nanapa-kevitra hamolavola drafi-pandrindrana ny tanan-dehibe ho an’ny tananan’i  Mahavelona  Foulpointe.  Araka  ny andininy  faha  44  ao  amin’ny  Lalàna laharana faha 2015-052 tamin’ny 03 febroary 2016, mifandraika amin’ny fandrindrana ny tanan-dehibe  sy  ny  trano fonenana, ny drafi-pandrindrana  ny tanan-dehibe dia ekena  sy  tapahana  amin’ny  alalan’ny  didim-panjakana  avy  amin’ny  solotenam- panjakana  avy  any  amin’ilay  faritra.  Araka  izany  dia  nokarakarain’ny  Préfet  an’i Toamasina  ny  didim-panjakana  laharana  faha  02/21/MID/PREF-TOA  tamin’ny  08 Martsa 2021 mikasika ny fankatoavana izany drafi-pandrindrana ny tanan-dehibe ho an’ny tanànan’i Mahavelona Foulpointe izany.

    Ho fampiharana ny tapany faharoa amin’ny andininy faha 44 voalaza etsy ambony, ny drafi-pandrindrana ny tanan-dehibe na « Plan d’urbanisme directeur » izay nankatoavina dia natolotra ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy mba hanambarana ny hampiasan’ny fanjakana izany na « déclaration d’utilité publique ».

                                 

Natao androany faha 16 Jona 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika