TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

- ALAROBIA 06 JANOARY 2021 -

 

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    TAONAN’NY ASA NY TAONA 2021 :

    « Ny asa no porofom-pitiavana hoy ny Filoha nandritra ny Filankevitry ny Minisitra voalohany natao androany tao amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Tsy manana fotoana laniana be intsony isika amin’ny fivoriana sy ny adi- hevitra, fa fotoanan’ny asa izao ary miandrandra vokatra avy aty aminareo Minisitra sy ny Governemanta ny Vahoaka Malagasy. Koa mila antsika miasa, haingana kokoa, tsara kokoa ary betsaka kokoa ankehitriny. Asa ahitam- bokatra  mivaingana  ary  mitondra  any  amin’ny  fampandrosoana  sy  ny fivoarana eto amin’ny firenena.» Ireo no hafatra nentin’ny Filoham-pirenena nametrahana ny sori-dalana ho amin’ity taona vaovao ity. Nohamafisiny ny tokony  hanombohana  sy  hanafainganana  ireo  tetikasa  toy  ny  lalana, tramway, ny angovo azo avy amin’ny rivotra, ny masoandro ary ny rano, ny fanomezana sy fampitomboana ny rano fisotro madio na an-tanan-dehibe na ambanivohitra.  Tsy maintsy atomboka amin’ity volana janoary ity dingana rehetra  mikasika  ny Tanamasoandro ka  hisy  ny  brigade  manokana hikarakara ranoray ny fanatanterahana io tetikasa io tsy maintsy hajoro eo anivon’ny ministera roa dia ny misahana ny asa vaventy sy ny misahana ny fananganana ny tanàna vaovao.

    Ny19 janoary 2021 no hanolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

    VOLAMENA 73,7 kg : NITORY NY FANJAKANA MALAGASY, TSY MAINTSY HAVERINA ETO AN-TANINDRAZANA NY ENTANA SY IREO MPANAO HOSOKA :

    Nitory ny fitondram-panjakana tamin’ny fanondranana an-tsokosoko ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany.

    Tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana io volamena io ao amin’ny banky foibe eto Madagasikara. Ary hiroso tsy ho ela ny fitsarana ity raharaha ity eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption.

    Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana.

    Tsy maintsy hampiharina ny lalàna. Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo. Marihana fa niato nanomboka ny volana oktobra 2020 ny fanodranana volamena sy vatosoa.

    RIVODOZA :  NORAISIN’NY  KFW  NY  FANDOAVANA  NY  SARAM- PIANTOHANA NY VOKATRY NY RIVODOZA AMIN’NY TAONA 2020-2021:

    Nampahafantarin’ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny  Governemanta  alemana,  ny  fandraisana  an-tanana  ny  saram- piantohana mitentina 2 tapitrisa dolara tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021.

    OTIV  BOENY :  TSY  MAINTSY  HAVERINA  NY  AMPAHANY  AMIN’NY VOLAN’IREO MPIKAMBANA :

    Ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

     

  • II- FANDANIANA VOLAVOLAN-DALANA SY DIDIM-PANJAKANA :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena :

    • Noraisina  ny  didim-panjakana  mametraka  ny  vondron-tafika  mpilatsaka an’elonaina na ny  “Premier Bataillon Parachutiste” sy ny didim-panjakana mametraka  ny  vondron-tafika  andiany  faharoa  amin’ny  « Infanterie  de Marine »

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola :

    • Noraisina ny didim-panjakana manova ny didim-panjakana laharana faha 2019-1125 nanova sy nanendry ny mpikambana vaovao ao amin’ny filakevim-pitondran’ny « Autorité de Régulation des Marchés Publics ».
  • III- FANENDRENA

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto :  

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fiarovam-pirenena :

    • Général de Brigade RAFIDIMANANA Teddy Françis, dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny « Office des Transmissions Militaires de l’Etat. » izay eo ambany fiahian’ny Fiadidiana ny Repoblika.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fitsarana :

    • Ramatoa RAZAFIARIVONY Berthine, dia voatendry ho lehiben’ny Fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana ambony eto Antananarivo.

                                 

Natao androany faha 06 Janoary 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika