TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 23 DESAMBRA 2020

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    FANOHIZANA NY FANDALINANA NY PEM :

    Nitohy nandritra ny Filankevitry ny Minisitra natao androany teto amin’ny  lapam-panjakana  Iavoloha,  ny  fandalinana  sy  fandrindrana tsirairay ireo tetikasa sy tanjona napetraky ny ministera isan-tokony araka ny paikady hoentina mandrafitra amin’ny antsipirihany ny PEM, na ny Progamme pour l’Emergence de Madagascar.

    Tsiahivina  fa  tetikasa  azo  tsapain-tanana,  azo  refesina,  ary  ahitam- bokatra haingana sy mipaka mivantana any amin’ny vahoaka no arafitra sy atao, ary mitondra makany amin’ny fanatsarana ny toe-karena sy hampiakatra harin-karena faobe.
  • II- FANDANIANA VOLAVOLANDALANA SY DIDIM-PANJAKANA :

     Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena :

    Noraisina ny didim-panjakana nanendrena ireo manambonihitra ambony mitondra ny laharan’ny Jeneraly miisa folo (10) toy ny « Généraux de Brigade » na ny « Généraux de Brigade Aérienne » na ny « Contre-Amiraux des Forces Armées aux rangs » ary ireo manana ny laharam-boninahitra « Général de  Division » na « Général de Division Aérienne » na « Vice- Amiral » ho amin’ny taona 2020.

    Tafika an-tanety :

    • Général de Brigade RAKOTONIAINA Jean Aimé
    • Général de Brigade MAROTIA René
    • Général de Brigade DERAMASINJAKA Rakotoarivelo Manantsoa
    • Général de Brigade RAMIARAMANANA Joseph

    Tafika an-dranomasina :

    • Contre-Amiral ASSANY Bemarivo Jeannot

    Zandarimariam-pirenena :

    • Général de Brigade  RAMANOELINA Fanantenana Holison David
    • Général de Brigade KASSIMO Arona Besony
    • Général de Brigade RAKOTONIMPARANY Yves Olivier Nirina
    • Général de Brigade RAKOTONDRAZAKA Andriatsarafara Andriamitovy
    • Général de Brigade RAZAFINDRAKOTO Hermelan Serge

    Noraisina ny didim-panjakana nanendrena ireo manamboninahitra mitondra ny laharan’ny Colonels miisa iray amby telopolo (31) na ny « Capitaine de Vaisseaux des Forces Armées aux rangs » na ireo manana ny laharamboninahitra « Général de Brigade » na ny « Général de Brigade Aérienne » na ny « Contre-amiral » ho amin’ny taona 2020.

    Tafika an-tanety :

    • Colonel RAHAJANDRAINY Dieudonnée Jeannot Parfait
    • Colonel RASOLONIAINA Herintsoa Gabriel
    • Colonel IBRAMDJEE Zafiny Janin
    • Colonel RAKOTOMANANA Lovasoa Nantenaina
    • Colonel BEMAMY Bemanjary
    • Colonel ANDRIAMASINORO Fanjanirina
    • Colonel RAYMOND Boringa
    • Colonel MAMORISOA
    • Colonel SAIDI Sylvain Modeste
    • Colonel RAFIDIMANANA Teddy Francis
    • Colonel RAFALIMANANA Léonard Gabriel
    • Colonel RAFARALAHY Lala Nomenjanahary
    • Colonel ANDRIAMBAO RAMISA Nantenaina
    • Colonel ROBENARIMANGASON Herimamy
    • Colonel John Fitzgerald Montrouge
    • Colonel RANDRIAMIZARA Jean Pierre
    • Colonel RAHARISON Patrick Michel
    • Colonel RANDRIANANTENAINA Félicien Arthur
    • Colonel RAHARIJAONA Faly Michel
    • Colonel ELIASY Andrianandrasanomenjanahary Jules Ducret
    • Colonel RAKOTOARIMANANA Heritiana Daniel
    • Colonel RAKOTOZAFY Andriandraozy Derandraibe

    Tafika an’habakabaka :

    • Colonel RANDRIANASOLO Fils Hyppolite 

    Tafika an-dranomasina :

    • Capitaine de Vaisseau GA Jacquy Honoré
    • Capitaine de Vaisseau RAKOTOARISON François Hubert
    • Capitaine de Vaisseau TSIRINIAINA Gabriel

    Zandarimariam-pirenena :

    • Colonel RAVOAVY Nandrasanarisoa Zafisambatra
    • Colonel RAMASITERA Ny Haingo Zafinirina
    • Colonel MIANDRISOA Olivier
    • Colonel MAMELISON Mbina Nonos
    • Colonel BOTOTSARA Nathanaël James

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry Fanajariana ny Tany sy ny asa Vaventy :

    • Noraisina  ny  didim-panjakana  ahafahana  milaza  ny  filan’ny fanjakana ireto toerana ireto ho amin’ny fanorenana Tsena sy fananganana  toerana  ahafahana  mandray  sy  mitsinjara  ireo entana taterin’ny fiarabe  ao Besorohitra, fokontany Talatamaty, Kaominina Ambonivohitra Fianarantsoa, Distrikan’ny Fianarantsoa voalohany, Faritra Haute Matsiatra. 
    • Noraisina ny didim-panjakana hanalana sy hamindrana ny tany an’ny Corps de protection Civile fantatra amin’ny anarana hoe: « IVATO », TN 1521-H, « FLOTUS », TN 34848-H, « MIMI III », TN 34849-H  amin’ny  didim-panjakana  laharana  faha  2019-1029 tamin’ny 22 may 2019 nilazana ny filan’ny fanjakana noho ny fanorenana toeram-ponenana etsy Ivato Aéroport, Fokontany Ivato Aéroport, Kaominina ambanivohitra Ivato, Distrikan’Ambohidratrimo,    Faritra    Analamanga.    Hanaovana tetik’asa ho tombontsoan’ny rehetra. 
  • III- FANENDRENA :

    Ny filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam-panjakana ambony manaraka ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram- pahefana :

    • Atoa IOTOKAROZY dia voatendry ho Lehiben’ny Distrikan’Amboasary Atsimo.
    • Atoa RANOROSON Soloniaina Laurent, dia voatendry ho Lehiben’ny Distrikan’i Vondrozo
  • IV – FANAFOANANA

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nanafoana ireto didim-panjakana manaraka ireto

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-Tsiansa :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-579 tamin’ny 27 martsa 2019 nanendrena ny Tale misahana ny Fitantanana ny Mpiasa.

                                 

Natao androany faha 23 Desambra 2020 

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika