FIADIDIANA NY REPOBLIKA

FAMPAHAFANTARANA

Mbola mitoetra hatrany ny hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Mbola mihatra avokoa ireo fepetra rehetra noraisina tao anatin’ny 15 andro lasa. Amafisina ny fanajana hatrany ireto fepetra ireto :

Araka izany dia tokony tohizana hatrany ny fanaovan’ny rehetra aro-vava-orona ary mila hajaina hatrany ny fepetra arapahasalamana sy ara-pidiovana.

Mbola voarara ny famoriam-bahoaka mihoatra ny 400 ao anatin’ny efitra mihidy

 

Natao androany alahady faha 22 aogositra 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana
eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika