FIADIDIANA NY REPOBLIKA
Didim-panjakana laharana faha 2023- 165 Manova sy manampy ny andininy sasantsasany ao amin’ny didim-panjakana laharana faha 2021-822 tamin’ny 15 aogositra 2021 nasiam-panovàna tamin’ireo Didim-panjakana laharana faha 2022- 400 tamin’ny 16 martsa 2022 sy laharana 2022-1468 tamin’ny 18 oktobra 2022, manendry ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta
NY FILOHAN’NY REPOBLIKA,
Arakan ny Lalàmpanorenana ;
Araka ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1407 tamin’ny 19 jolay 2019 manendry ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta ;
Araka ny didim-panjakana laharana faha 2021-822 tamin’ny 15 aogositra 2021 nasiam-panovàna tamin’ireo Didim-panjakana laharana faha 2022- 400 tamin’ny 16 martsa 2022 sy laharana 2022-1468 tamin’ny 18 oktobra 2022, manendry ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ;
Araka ny tolo-kevitry ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta ;
DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PANJAKANA IZAO
Andininy voalohany. -Foana ary tsy manan-kery intsony ireo fepetra voalazan’ny didimpanjakana laharana faha 2021-822 tamin’ny 15 aogositra 2021 nasiam-panovàna tamin’ireo Didim-panjakana laharana faha 2022- 400 tamin’ny 16 martsa 2022 sy laharana 2022-1468 tamin’ny 18 oktobra 2022 voalaza etsy ambony, ka mahakasika:
- Ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ;
- Ny Minisitry ny Raharaham-bahiny ;
- Ny Mpitahiry ny Tombo-kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsaràna ;
- Ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy ;
- Ny Minisitry ny Asa Vaventy ;
- Ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro ;
- Ny Minisitry ny angovo sy ny ankoran’afo ;
- Ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena.
Andininy faharoa – Tendrena ho mpikambana ao amin’ny Governemanta amin’ny maha :
Minisitry ny Fiarovam-pirenena :
Général de Division RAKOTOARIJAONA Josoa
Minisitry ny Raharaham-bahiny :
Ramatoa SYLLA Yvette
Mpitahiry ny Tombo-kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsaràna :
Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana
Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy :
Andriamatoa RIVOTIANA Richard Jean Bosco
Minisitry ny Asa Vaventy :
Colonel Ndriamihaja Livah ANDRIANATREHINA
Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro :
Andriamatoa RAMONJAVELO Manambahoaka Valéry Fitzgerald
Minisitry ny angovo sy ny ankoran’afo :
Andriamatoa Soloniaina Rasamoelina ANDRIAMANAMPISOA
Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena :
Andriamatoa André Haja RESAMPA
Andininy fahatelo : Nohon’ny hamehana, ary araka izay voalazan’ny andininy faha-efatra sy faha-enina andalana faharoa ao amin’ny hitsivolana laharana roa amby enimpolo tsipika iraika amby efapolo tamin’ny sivy ambinifolo septambra roa amby enimpolo sy sivin-jato sy arivo mikasika ny fepetra ankapobe momba ny lalàna ifampitondrana eto an-toerana sy ny lalàna iraisam- pirenena ifampitondran’ny isam-batan’olona, dia manan-kery avy hatrany izao didim-panjakana izao raha vantany vao ampahafantarina amin’ny alalan’ny fampielezam-peo na fahitalavitra, ankoatra ny famoahana azy amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika.
Natao teto Antananarivo, ny 20 Febroary 2023
Ny Filohan’ny Repoblika,
Andry RAJOELINA
Ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta,
Christian NTSAY