FIADIDIANA NY REPOBLIKA
---
DIDIM-PANJAKANA laharana faha 2025 - 1035
Anendrena ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta
NY FILOHAN’NY REPOBLIKA,
Araka ny Lalampanorenana,
DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PANJAKANA IZAO :
Andininy voalohany - Araka ny andininy faha 54 ao amin’ny Lalàmpanorenana, tendrena ho Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta :
General de Division ZAFISAMBO Ruphin Fortunat Dimbisoa
Andininy faharoa – Foana ary tsy manan-kery intsony ireo fepetra teo aloha mifanohitra amin’izao didim-panjakana izao.
Andininy fahatelo - Nohon’ny hamehana, ary araka izay voalazan’ny andininy faha 4 sy faha 6 andalana faharoa ao amin’ny hitsivolana laharana 62-041 tamin’ny 19 septambra 1962 mikasika ny fepetra ankapobe momba ny lalàna ifampitondrana eto an-toerana sy ny lalàna iraisam- pirenena ifampitondran’ny isam-batan’olona, dia manan-kery avy hatrany izao didim- panjakana izao raha vantany vao ampahafantarina amin’ny alalan’ny fampielezam-peo na fahitalavitra, ankoatra ny famoahana azy amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika.
Natao teto Antananarivo, ny 06 oktobra 2025
Andry RAJOELINA