FIADIDIANA NY REPOBLIKA
FANAMBARANA
Didim-panjakana laharana faha 2025-141 tamin’ny 06 febroary 2025 manendry Loholon’i Madagasikara avy amin'ny Filohan'ny Repoblika.
Araka ny didim-pitsarana laharana faha 03-HCC/AR tamin’ny 19 martsa 2024 izay nanapaka ny fahabangan-toeran’ny Loholon'i Madagasikara, taorian'ny nanendrena an'Itompokolahy Richard Ramanambintana ho Filohan’ny Delegasiona Manokan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra,
Araky ny fepetra voalaza ao amin’ny andininy faha 81 ao amin’ny Lalàmpanorenana sy ny andininy faha 7 vaovao sy ny andininy faha 123 andalana faha 3 ao amin’ny lalàna fehizoro nasiam-panovana laharana faha 2015-007 tamin’ny 03 martsa 2015, ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara dia manendry ho isan’ireo mpikambana ao amin’ny Antenimieran-doholona an- dRamatoa RAKOTONDRAZAFY Lalatiana.
Natao ny 06 febroary 2025,
Ny Fitaleavan’ny Serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika