FIADIDIANA NY REPOBLIKA

FAMPAHAFANTARANA

 

Fanamby napetraky ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ny ady amin'ny kolikoly mba hananan'ny vahoaka fitokisana amin'ireo rafi-pitantanana isan-tsokajiny. Araka ny lalàna laharana 2016-020 tamin’ny 22 aogositra 2016 momba ny ady amin’ny kolikoly dia : voatendry mandritra ny 5 taona tsy azo havaozina ny Tale Jeneralin’ny BIANCO, amin’ny alalan’ny didim-panjakana raisin’ny Filohan’ny Repoblika. Ny Tale Jeneraly vaovao dia notsongaina avy amin’ireo kandidà telo natolotry ny « Comité ad hoc de recrutement » natsangan’ny Komity Mitandro ny Fahitsiana (CSI).

Noraisin'ny Filohan’ny Repoblika araka izany ny didim-panjakana laharana faha 2024-1498 tamin’ny 07 aogositra 2024 manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1417 tamin’ny 25 jolay 2019 ary manendry an’Andriamatoa RAZAKAMANANTSOA Gaby Nestor, ho Tale Jeneralin’ny Bianco

Ny Fitaleavan’ny Serasera

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika