TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO NY ASABOTSY 19 SEPTAMBRA 2020
I- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA:
MITOHY NY HAMEHANA ARA-PAHASALAMANA FA HISY KOSA IREO FEPETRA ISAN-TSOKAJINY HAPETRAKA SY HANDRINDRANA NY FIAINAM-PIRENENA :
Nandritra ny Filankevitry ny Minisitra natao androany 19 Septambra 2020 dia noraisina ny didim-panjakana hanohizana ny hamehana ara-pahasalamana hoentina mandrindra ny ady amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara araka ny fanapahana avy amin’ny Filoham- pirenena, nolaniana nandritra izany ireo fepetra isan-tsokajiny tokony hapetraka rehetra hoentina miaro ny ain’ny Malagasy ary koa iahiana ihany koa ny fiainana andavanandron’ny mponina sy ny isambatan’olona. Natao toy ny mahazatra ny fakan-kevitra teo amin’ireo lehiben’ny andrimpanjakana 3 araka ny voalazan’ny lalampanorenana, ny fakan-kevitra tamin’ireo ankolafin-kery maro isan- tsokajiny na ara-toe-karena na ara-pahasalamana na ara-piarahamonina, ary ny Filoham-pirenena miaraka amin’ny Governemanta no mandray ny fanapahan- kevitra farany araka ny voafaritra ao anaty lalampanorenana.
Noho izany : mipetraka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny « FAHAMEHANA ARA-PAHASALAMANA» (état d’urgence sanitaire) manomboka androany 19 Septambra 2020 ary mihatra avy hatrany.
Ireo fepetra rehetra sy ny andinidininy mikasika ny lamina sy ny fandrindrana rehetra hoentina miatrika ny 15 andro manaraka dia hohazavain’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governementa mandritra ny fandaharana manokana hotanterahana rahampitso alahady amin’ny 08 ora alina ao amin’ny Televizionina Malagasy.
Toy izao ny didim-panjakana laharana faha 2020-1183 tamin’ny 19 septembra 2020 noraisina:
FIADIDIANA NY REPOBLIKA
*********
DIDIM-PANJAKANA LAHARANA faha-2020-1183 tamin’ny 19 septambra 2020
MANAMBARA AMPAHIBEMASO NY FAHAMEHANA ARA-PAHASALAMANA MANERANA NY TANIN’NY REPOBLIKA
NY FILOHAM-PIRENENA,
Araka ny lalampanorenana, ao amin’ny andininy faha 61;
Araka ny làlana faha 91-011 tamin’ny 18 jolay 1991 mahakasika ny Vanim-potoana manokana
Araky ny làlana laharana faha 2011-002 tamin’ny 15 jolay 2011 mikasika ny fifehezana ny fahasalamam-bahoaka ;
Araka ny didim-panjakana laharana faha 2019-1407 tamin’ny 19 jolay 2019 manendry ny Praiminisitra, lehiben’ny Goverenemanta;
Araka ny didim-panjakana laharana faha-2020-070 tamin’ny 29 janoary 2020 nanendry ny mpikambana ao amin’ny governemanta;
Araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 marsa 2020 milaza ny manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika.
Araka ny didim-panjakana laharana faha 2020 – 370 tamin’ny 04 Aprily 2020 milaza sy manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika.
Araka ny didim-panjakana laharana faha faha 2020-420 tamin’ny 17 Aprily 2020 milaza sy manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika.
Araka ny didim-panjakana laharana faha faha 2020-457 tamin’ny 02 Mey 2020 milaza sy manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika.
Araka ny didim-panjakana laharana faha faha 2020-483 tamin’ny 16 Mey 2020 milaza sy manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika.
Araka ny didim-panjakana laharana faha faha 2020-592 tamin’ny 30 Mey 2020 milaza sy manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika
Araka ny didim-panjakana laharana faha faha 2020-610 tamin’ny 13 Jona 2020 milaza sy manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika
Araka ny didim-panjakana laharana faha faha 2020-687 tamin’ny 27 Jona 2020 milaza sy manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika
Araka ny didim-panjakana laharana faha faha 2020-748 tamin’ny 11 Jolay 2020 milaza sy manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika,
Araka ny didim-panjakana laharana faha faha 2020-818 tamin’ny 25 Jolay 2020 milaza sy manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika
Araka ny didim-panjakana laharana faha faha 2020-890 tamin’ny 08 Aogositra 2020 milaza sy manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika
Araka ny didim-panjakana laharana faha faha 2020-1020 tamin’ny 22 Aogositra 2020 milaza sy manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika
Araka ny didim-panjakana laharana faha faha 2020-1087 tamin’ny 05 Septambra 2020 milaza sy manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika
Nandritra ny filankevitry ny minisitra taorian’ny fakankevitra natao tamin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny filohan’ny Antenimierandoholona ary ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana ;
DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PANJAKANA MANARAKA IZAO :
ANDININY VOALOHANY.- mitohy mandritra ny 15 andro eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ity didim-panjakana ity ny « Fahamehana ara-pahasalamana » noho ny antony ara-pahasalamana, nohon’ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dàlanan’ny asan’ireo fahefam-panjakana araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 marsa 2020 sy laharana faha2020-370 tamin’ny 04 Aprily 2020 sy ny laharana faha 2020- 420 tamin’ny 17 Aprily 2020, ny laharana faha 2020-457 tamin’ny 02 Mey 2020, ny laharana faha 2020-483 tamin’ny 16 Mey 2020, ny laharana faha 2020-592 tamin’ny 30 Mey 2020, ny laharana faha 2020-610 tamin’ny 13 Jona 2020, ny laharana faha 2020-687 tamin’ny 27 Jona 2020, ny laharana faha 2020-748 tamin’ny 11 Jolay 2020, ny laharana faha 2020-818 tamin’ny 25 Jolay 2020 , ny laharana faha- 2020 -890 tamin’ny 08 Aogositra 2020, ny laharana faha faha 2020-1020 tamin’ny 22 Aogositra 2020 ary ny laharana faha 2020- 1087 tamin’ny 05 Septambra 2020 voalaza etsy ambony.
ANDININY FAHAROA.- Ity didim-panjakana ity dia mitarika ny fampiharana ireo fepetra rehetra voafaritry ny fehezandàlana mahakasika ny Vanimpotoana Manokana (situation d’exception) mametra ny atao hoe Fahamehana.
ANDININY FAHATELO.- Ho fampiharana ny andininy faha 18 ao amin’ny làlana faha 91-011 tamin’ny 18 jolay 1991 mikasika ny Vanimpotoana manokana, izay mamaritra ny fahefan’ny Filohampirenena amin’ny fampiharana ny fanarahamaso ny fivezivezen’ny olona sy ny fiara, ny fanarahamaso ny famatsiana rehetra ary ny fanarahamaso ny fitaovam-piadiana dia natolotra ny Praiminisitra ny fanatanterahana izany.
ANDININY FAHA - EFATRA.- Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Minisitry ny Fitsarana, ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanambola, ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjarampahefana, ny Minisitry ny Fahasalamambahoaka, ny Minisitry ny Filaminam- bahoaka, ny Minisitry ny Paositra ny fampiroboroboana ny kajy mirindra, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Seketeram-panjakana misahana ny Zandarimaria eo ambany fiahian’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena no miantoka ny fanatanterahana izao didim- panjakana izao.
ANDININY FAHA-DIMY.- Noho ny hamehana ary ho fampiharana ny voalazan'ny andininy faha-6 ao anatin'ny didy hitsivolana laharana faha-62-041 tamin'ny 19 septambra 1962 momba ny fepetra ankapoben'ny lalàna anatiny sy ny lalàna iraisam-pirenena mifehy ny fifandraisana manokan'ny samy olona, ity didim-panjakana ity dia manan-kery avy hatrany raha vantany vao havoaka amin'ny onjampeo sy/na ny fahitalavitra, ary izany dia tsy miankina amin'ny famoahana azy amin'ny gazetim-panjakan'ny Repoblika.
Antananarivo faha- 19 Septambra 2020
Ny Filoham-pirenena
Andry RAJOELINA
Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta
NTSAY Christian
Natao androany faha 19 Septambra 2020
Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika