TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO NY 02 SEPTAMBRA 2020 TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA
-
I- FAMPAHAFANTARANA
« Fifaliana - fifampitsinjovana » no tanjona amin’ny alalan’ny fanampiana Vatsy Tsinjo andiany faharoa :
Nanome toromarika manokana ny Filoham-pirenena androany ny hanamafisana hatrany ny lamina atao amin’ny fizarana ireo Vatsy Tsinjo andiany faharoa ho entina miatrika ny fiantraikan’ny ny valan’aretina covid- 19.
Ireto ny faritra tokony hisitraka izany amin’izao andiany manaraka izao, ka hifandrimbonan’ireo minisitra isan-tokony avy, miaraka amin’ny Fiadidiana ny Repoblika ny fananterahana izany na eo amin’ny fanarahamaso sy fandrafetana ny lisitra na eo amin’ny fitsinjarana, mba hisitraka izany avokoa ny tokantrano misedra fahasahiranana vokatry ny valan’aretina: Antsiranana, Toamasina, Mahajanga, Fianarantsoa, Toliary, Taolagnaro, Moramanga, Ambatondrazaka, Fenerive Atsinanana, Antsirabe, Manakara, Vatovavy Fitovinany ,Tsihombe, Ambovombe ary Amboasary. -
II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA
Araka ny tolo-kevitry ny Fiadidiana ny Governemanta :Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mamaritra ny fifaranan’ny Fivoriana tsy ara-potoanan’ny Antenimiera roa tonta. -
III – FANAFOANANA :
Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanafoanana ireto didim- panjakana manaraka ireto:
Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Indostria, ny Varotra ary ny asa-tanana:
- Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1595 tamin’ny 14 aogositra 2019 nanendrena ny Talem-paritra ao Sava.
Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny fampandrosoana maharitra:
- Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-886 tamin’ny 24 aprily 2019 nanendrena ny tale misahana ny « Développement de la Stratégie et du Partenariat pour le Développement Durable »
Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina :
- Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1246 tamin’ny 06 jona 2019 nanendrena ny talem-paritra Analamanga
Natao androany faha 02 Septambra 2020
Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika