TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY « VISIOCONFERENCE » NY 23 JOLAY 2020
NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY VISIOCONFERENCE NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY FAHA 23 JOLAY 2020 NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY :
-
I- FAMPAHAFANTARANA :
Fitantanan-draharaham-panjakana
Hotanterahina ny 13 aogositra 2020 ny Dinika politika iarahana amin’ny Vondrona Eoropeana, isan’ny zava-dehibe hiaraha-midinika amin’izany ny fomba fanatsarana ny fiaraha-miasa izay tokony hametrahana ny tena filan’i Madagasikara marina ao anatin’izany fiaraha-miasa izany. Miankina indrindra amin’ny fivoaran’ny toe- draharaha ara-pahasalamana eto amintsika ny fomba sy endrika entina manatanteraka izany Dinika politika miaraka amin’ny Vondrona Eoropeana izany.
Nomena fanalefahan-ketra manokana ny fanafarana sy fampidirana entana ho enti- miady amin’ny covid-19 nataon’ny orinasa Alpha Ocean Resurces Berhad iarahany amin’ny fanjakana.
-
II - FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA :
Araky ny volavolan-kevitra naroson’ny
Ministeran’ny toe-karena sy ny fitantanam-bola :
Nekena ny didim-panjakana manome alalana manokana ny fifanaraham-piaraha- miasa eo amin’ny Société Générale sy ny SPM amin’ny fanafarana vary 16.000 taonina hamatsiana ny eto an-toerana izay mitentina 5,3 tapitrisa dolara ka nahafahana nividy vary mora 345$ ny taonina avy any ivelany.
-
III – FANENDRENA
Ny filankevitry ny minisitra dia nanafoana ireto didim-panjakana ireto
Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Raharaham-bahiny :
- Ramatoa RAZANADRASOA épouse SANOU Marie Léontine, dia voatendry ho Tale misahana ny « Promotion du Partenariat pour le Développement »
- Ramatoa RABOZAKANDRAINA Nirina Angela, dia voatendry ho Tale misahana « Relations Bilatérales »
- Atoa SETILAHY Ludovic Richard, dia voatendry ho tale misahana ny « Relations Multilatérales »
- Atoa BEMAKA Jules Ricardo, dia voatendry ho Tale misahana ny « Système d’Informations »
Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana :
- Atoa Dr Marcellin Randriamanantena, dia voatendry ho Governoran’ny faritra Analanjirofo
- Atoa Daodo Arona Marisiky, dia voatendry ho Governoran’ny faritra Diana
- Atoa Andriatomanga Mokhtar, dia voatendry ho Governoran’ny faritra Boeny.
Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana ary Fidiovana :
- Ramatoa FATIMA Olga Abrahim, voatendry ho Tale misahana ny « Cellule de Bonne Gouvernance ».
- Atoa RAKOTONIRINA Fanantenana, voatendry ho Tale misahana ny « Cellule de la Recherche et du Développement »
Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa-tanana
- Atoa TOVONDRAINY Ramananandro, dia voatendry ho Tale misahana ny « Emergence Industrielle »
Natao androany faha 23 Jolay 2020
Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika