TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO NY ALAROBIA 24 JONA 2020

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    1- TARATASIN’NY FILOHAM-PIRENENA :

    Nampatsiahivin’ny Filoham-pirenena tamin’ireo minisitra isan-tokony ny fanatanterahana ireo asa sy vinam-panarenana ho an’ireo ministra isan-tokony araka ny voafaritra ao anaty volavolan-dalàna mifehy ny tetibola nasiam-panitsiana 2020. Araky ny fehin-kevitra sy drafitra ho enti-manarina ny toe-karena sy ny sosialy ao anatin’ny enim-bolana faharoa amin’ity taona 2020 ity voarakitra ao anaty volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana izay nankatoavin’ny Antenimieram-pirenena androany faha 24 Jona 2020, dia nanao fampahafantarana anaty taratasy mazava isaky ny ministera ny Filoham-pirenena nandritra ny Filankevitry ny Minisitra notanterahana androany tao amin’ny lapam- panjakana Ambohitsirohitra. Toy izao ny ambangovangon’ireo nasiany tsindrim-peo manokana :

    TARATASIN’ANDRIAMATOA FILOHAM-PIRENENA :

    NY FILOHAN’NY REPOBLIKA HO AN’IREO MPIKAMBANA AO ANATIN’NY GOVERNEMANTA :

    Toy izao ny toro-lalana ankapobeny sy isaky ny ministera tsara asiana fanamarihana sy fanarahana manokana araka ny voafaritra ao anatin’ny drafitra fanarenana sy fanorenana ho an’ny tapany faharoa amin’ity taona 2020 ity, izay voafaritra ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana.

    Eo amin’ny fitsipika sy fanatanterahana amin’ny ankapobeny izay voafaritra rehetra anaty drafi-panorenana izay efa nifampiresahana tamin’ireo mpandraharaha isan-tokony ihany koa :

    *Ny fanaovana asa fanampiny amin’ireo tetikasa efa an-dalana dia ilaina fahazoan-dalana manokana

    *Ilaina ny fanapariahana sy fampahafantarana ny rehetra any amin’ny distrika ireo tetikasa sy tsenam-panjakana rehetra atao isaky ny faritra.

    * Ny fampitaovana ara-informatika rehetra dia tokony ahitana solosaina, « imprimante » ary « onduleur » ka tokony ho 3,550 Millions Ar ny tombam-bidiny (ordinateur + imprimante + onduleur)

    *Ny asam-panjakana izay tanterahana dia tokony hanomezana ampaham-bola ho enti-manao ny asa hatramin’ny 20% mba hahafahan’ireo mahazo ny tetikasa manomboka avy hatrany ny asa sy manatanteraka izany ara-dalàna.

    *Ilaina ny fiaraha-midinika amin’ireo solombavambahoaka sy ireo avy any amin’ny faritra ny amin’ny fandrafetana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola ho amin’ny taona manaraka.

    * Ny ministeran’ny toe-karena sy ny fitantanam-bola dia mila manamarina hatrany ireo tetibola sy ny mari-bola aroson’ny ministera tsirairay avy indrindra eo amin’ny fanaovana ireo tetikasa.

    * Ny ministera isan-tokony dia tokony ho mailo tsara ary hampifanaraka tsara ny tetikasa aroso sy ny sora-bola entina manao izany sy izay soratana anaty tetibola mba hisorohana ny gaboraraka sy ny fanararaotana

    Ny ministera tsirairay dia mila manao jery todika sy fampitahana ny zava-bita na mifanaraka na tsia amin’ny tetibola efa voasoratra ny taona 2019 sy ireo voalaza tao anatin’ny tetibola 2020 rehetra, mba hahafahana manara-maso sy mijery ireo asa efa vita sy hisorohana ny fandaniam-poana ny volam-panjakana.

    Mahakasika ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola manokana dia :

    Mila mijery sy manara-maso ireo orinasa tsy ankanavaka izay nanatanteraka asa ny taona 2017-2018-2019 ary 2020 izay nahazo asam-panjakana ny amin’ny fandoavan’izy ireny ny tataonketra TVA nandritra ireo fotoana voalaza ireo.

    Mahakasika ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana :

    Ilaina ny fampitoviana ny karam-pokontany rehetra manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara mba ahafahana manamora ny « digitalisation » ny eny anivon’ny fokontany.

    Mahakasika ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy :

    Ilaina vitaina ao anatin’ny fotoana fohy nefa mazava tsara ny fandefasana tolo-barotra mahakasika « flyovers » 2 araka ny toromarika efa napetraka.

    Mahakasika ny Minisitry ny fizahantany, ny fitaterana ary ny famatarana ny toetrandro :

    Ilaina ny fijerena manokana ny fitantanana eo anivon’ny FCE. Mila hanovana fitsirihana manokana sy fanadihadiana lalina ny fanomezana ny tsenam-barotra manodidina ny fanatrehana ny asa “brise lames” any Soanierana Ivongo izay nomena ny taona 2018 nefa mbola tsisy asa mijoro ankehitriny izay efa nandoavana ampaham-bola ihany koa.

    Mahakasika ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo:

    Ny ministera dia tokony hanao fanadihadiana manokana eo anivon’ny ministera isan-tokony mahakasika ny fampiasam-bola manodidina ny solika, ka mila jerena amin’izany ny solika tena miasa marina isaky ny fiara sy ny sampan-draharaham-panjakana isan-tokony sy ireo izay voasoratra anaty tetibola mba hijerena ny fandaniam-poana hita lany manodidina ny solika sy ny fiara manerana ireo sampan-draharaham- panjakana isan-tokony.

    Ny ministera dia tokony hijery akaiky ihany koa ny fividianana ireo “groupes électrogènes” miisa 7 izay ambara fa afaka mamokatra herinaratra 1,2MW farafahakeliny nafarana avy any Belgique, ary mila mijery ihany koa izay fampitaovana hafa miaraka amin’ireo mpandraharaha eto an-toerana manodidina ny fampiasana ireo groupes mihodina amin’ny alalan’ny solika mavesatra.

    Mahakasika ny Minisitry ny fahasalam-bahoaka :

    Mila manokatra fandihadiana manokana ny ministera mikasika ny tetibola natokana ho amin’ny fanamboarana ny hopitaly manarapenitra any Maintirano sy ny fampitaovana azy izay ahiana ho mihoampampana raha ny tena mandeha ara-dàlana ny fandaniam-bola rehetra. Toy izany ihany koa ny tetibola sy ny sora-bola natokana ho an’ny fanarenana ny hopitaly manarapenitra any Manakara sy Morondava. Tokony hisy ny fijerena manokana ireo asa efa vita sy ireo heverina mbola ho vitaina ary ny sora-bola voalaza tamin’izany, ary mila aroso ny tsenam-barotra ho entina manarina indray ny hopitaly manarapenitra any Manakara.

    Ny minisitra dia mila manara-maso akaiky ihany koa ny fitaovana sy ny sora-bola entina ho an’ireo hopitaly eny anivo’ny Distrika, ny Hopitaly lehibe ary ny tobim-pitsaboana fototra CSB.

    Ilaina fanatsarana ny fanorenana ireo CSB mandray ireo reny mpiteraka mba hanasahana ny toeram-piterahana sy ny toerana handraisana ireo marary.

    Mahakasika ny Minisitra misahana ny fanabeazam-pirenena sy ny fanofanana arak’asa:

    Mila jerena manokana ary tokony hiafara hatramin’ny fanafoanana sy fanadihadiana lalina ny fametrahana tetibola mitentina 1,140 Milliara Ar ho an’ilay tetikasa « Kilasy pour tous »

    Tokony hanaovana fandihadiana manokana sy fanaraha-maso akaiky ny antony sy ny lalana tiana hiaviana amin’ny fametrahana sora-bola mihoampampana ary tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy manodidina ny fitsinjarana ireo boky sy rakibolana manerana ny Nosy izay tao anaty volavolan-dalàna mifehy ny tetibola nasiam-panitsiana 2020.

    Ireo tetikasa rehetra izay efa nahazoana tolo-bidy ara-dàlana ka efa azon’ireo orinasa dia tokony omena azy ireo faran’izay haingana ary hampahafantarana sy ilaina ny fanafainganana ny fanombohana ny asa azon’izy ireo anaty fanajana ny kalitao sy ny voafaritry ny asa.

    Ao anatin’ilay tetikasa fanorenana lakilasy miisa 1100 ka ahafahan’ireo distrika 119 mahazo lakilasy 2 ka hatramin’ny 4 ahitana toeram- pidiovana sy fampitaovana dabilio maoderina dia mila aparitaka dieny izao sy ampafantarina eny anivon’ny PRMP isaky ny DREN ny fandefasana ny tsenam-baro-panjakana mba hisian’ny mangaraharaha sy ny fanafainganana ary ny fanapariahana ny asa araka izay efa voalaza. Tsy tokony hihoatra ny 120 tapitrisa ariary araka ny efa voasoratra raha ny lakilasy 2 miaraka amin’ny toeram-pidiovana sy ny fampitaovana izany maoderina.

    Ny vola natokana ho an’ny fampandehanana ny sekoly na ny Caisse école dia mila atao tonga eny anivon’ny Sekoly avokoa iray volana mialoha ny fidiran’ny mpianatra ka 5000 Ar isaky ny mpianatra arakaraky ny habetsaha’ny mpianatra ka ilaina ny fisian’ny mangarahara sy ny fitantanana madio miainga ao amin’ny ministera araka ny sora-bola efa napetraka mipaka hatrany amin’ireo sekoly mba hanamaivanana ny vesatry ny fidiran’ny mpianatra ho an’ireo ray aman- dreny amin’ny taom-pianarana manaraka.

    Mahakasika ny Minisitry ny asa, ny fampananan’asa, ny asam- panjakana ary ny lalàna sosialy :

    Ilaina ny fampahafantarana any amin’ny faritra ary ao anatin’ny fotoana haingana ny fanamborana ireo biraom-paritry ny ministera toy ny any amin’ny faritra Anosy, Itasy, Betsiboka, Amoron’i Mania, Menabe, Manakara, SAVA ary Analanjirofo. Manodidina ny 450 tapitrisa ariary ny fanaovana ny biraom-paritra iray ary mila atao mangarahara izany. Ilaina ihany koa ny fandefasana mazava ny tsenam-barotra manodidina ny fividianana fiara tsy mataho-dalana 6 izay tsy tokony hihoatra ny 120 Millions Ar ny iray ary fiara matanjaka.

    Mahakasika ny Minisitry ny fampianarana ambony ary ny fikarohana siantifika :

    Ny fampitaovana ireo Oniversite rehetra araka ny voafaritra ao anaty volavolan-dalàna mifehy ny tetibola nasiam-panitsiana 2020 dia tokony hampahafantarina sy aroso haingana araka izay azo atao.

    Tokony hanara-maso sy hijery akaiky ny fanaovana ny totalin’isa sy totalin’ora fanampiny tena niasana marina ny Minisitra eo amin’ny fikajiana ireo tambin-karama mifandraika amin’izany ary mila atao ara- hairaha izany.

    Mila arahana akaiky ary tanterahana amin’ny fitsanjarana vatsim- pianarana manaraka ny fandoavana izany amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao.

    Mahakasika ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra :

    Ny tetibola natokana sy narafitra tamin’ny fanatanterahana ny asa mikasika ny toby fikirakirana fako tany Toliara no atao maodely eo amin’ny fandaniana manaraka ho entina amin’ireo toby vaovao vao haorina manerana ny faritra hafa.

    Ilaina jerena ihany sy hafainganina ihany koa ny fanaovana ny « centre d’enfouissement ».

    Mahakasika ny Ministry ny rano, fidiovana ary ny fahadiovana :

    Ireo tetikasa hanorenana toeram-pidiovana kasaina ho vatsian’ireo kaominina vola dia ho raisin’ny Fiadidiana ny Repoblika ny famatsiam- bola amin’izy ireny. Ny fitantanana kosa dia mijanona ho an’ny Kaominina.

    Mila jerena sy arahan’ny minisitra maso akaiky ny fandaniam-bola sy ny sora-bola ho enti-manatanteraka ny asa fampidiran-drano ho an’Antalaha, Antsiranana ary Kandreho. Tokony atao mifandraika amin’ny isan’ny mponina ny fandaniana amin’izany.

    Ny fanadihadiana sy ny fanarahana ny tetikasa fampidiran-drano ao amin’ireo distrika 60 izay mitotaly 7,5 Milliards Ar dia mila arahan’ny minisitra akaiky, izany hoe 125 Millions Ar isaky ny distrika izany, ary tokony jerena ny fampiarahana ny fanadihadiana amin’ireo distrika mifanakaiky mba hisorohana amin’ny fandaniana mihoampampana.

    Ho an’ny asa fampidiran-drano manokana dia mila arahana akaiky ny tombam-bidin’ireo fantsona mitondra rano isaky ny kilometatra, ny tombam-bidin’ny lany eo amin’ny fametrahana sy fampiasana ireny toby fakana rano ireny, ny tombam-bidy atao isaky ny manao lavadrano ary tokony hisy ny mari-bola mazava sy mitovy arakaraky ny toerana hampakarana rano, mba hisian’ny fitantanana mazava sy marina.

    Ohatra amin’izany ny tsy tokony hihoatra na manodidina ny 300.000 Ar ka hatramin’ny 1 tapitrisa Ar ny 60 « mètre linéaire »

    Tsy tokony hihoatra ny 150 tapitrisa Ar ny fanaovana lavadrano midina any amin’ny 50 metatra ary mamoaka rano fisotro madio 25m3 isan’ora.

    Mahakasika ny Minisitra lefitra misahana ny Tanana vaovao sy ny toeram-ponenana:

    Tsy maintsy tanterahina amin’ity taona ity ny famaritana ny tany ho entina manatanteraka ny tetikasa Tanamasoandro ary ilaina ampidirina ao ny Akademia nasionalin’ny fanatanjahantena avo lenta araka ny efa voafaritra ao anatin’ny tetikasa.

    Andry RAJOELINA

    Filoham-pirenena

    2- MAIMAIM-POANA NY FAMINDRAM-PANANANA HATRAMIN’NY FARAN’NY TAONA 2020 (Droits de succession) :

    Fa noraisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra androany ihany koa ny fanapahan- kevitra mikasika ny vola tokony aloha amin’ny famindram-pananana ka manomboka izao ka hatramin’ny faran’ny taona dia tsy andoavam-bola ny famindram-pananana ary tsy hisy ny sazy noho ny fahatarana ny fanaovana izany mandra-pahatongan’ny faran’ny taona 2020. Izao no natao ary noraisina dia mba hitsinjovana ny mpiray tanindrazana indrindra izay misedra fahasahiranana manoloana ny fiantraikan’ny valan’aretina teto amin’ny firenena.

    3- NOMENA FAHAFAHAN-KETRA NY ENTANA ENTINA MANDRAFITRA NY ORINASA MALAGASY MPAMOKATRA FANAFODY :

    Araky ny tapaky ny Filankevitry ny Minisitra dia nomena fahafahan-ketra ireo entana rehetra entina mandrafitra ny orinasa malagasy mpamokatra fanafody na ny PHARMALAGASY , izay tafiditra indrindra amin’ny ady atao amin’ny fisakanana ny fihanaky ny valan’aretina covid 19 ary koa entina mamokatra fanafody hitsaboana ny Malagasy. Izany dia araka ny voalazan’ny andininy faha 240 ao amin’ny lalana mifehy ny fadintseranana izay milaza fa tokony entina eo anatrehan’ny Filankevitry ny Minisitra ny fangatahana fanafahan-ketra ho an’ireo entana afaran’ny fanjakana tafiditra ao anatin’ny hamehana, na filana manokan’ny fanjakana, na noho ny antony ara-panjakana izay efa neken’ny filankevitry ny governemanta.

    4- TSY AZON’NY DAHOLOBE HATREHINA ARY VITSY IREO NASAINA HANATRIKA NY MATSO LEHIBE ATAON’NY TAFIKA ETSY AMIN’NY ARABEN’NY FAHALEOVANTENA :

    Noho ny hamehana ara-pahasalamana sy ny fanajana ireo fepetra ara- pahasalamana mifandraika amin’izany dia noraisina ny fanapahan-kevitra fa tsy azon’ny rehetra hatrehina ny matso entina hankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena, ka ireo filohana andrim-panjakana, ireo filoham- panjakana teo aloha, ny raiamandreny isam-paritra, ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto amintsika, minisitra vitsy, ny Governoran’Analamanga, ny Ben'ny tanana ary ny Préfet de police eto Antananarivo ary ireo manamboninahitra ambony (officiers généraux) ihany no manatrika ny matso lehibe, ataon’ny Foloalindahy Malagasy etsy amin’ny araben’ny fahaleovantena ny zoma 26 jona. Tsy azo hatrehina izany fa dia arahin’ny Malagasy rehetra amin’ny alalan’ny haino aman-jery rehetra mivantana avy ao amin’ny Televiziona Malagasy sy ny Radiom- pirenena malagasy.

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN- DALANA:

    A – FANDRAISAN’ANJARAN’NY FANJAKANA AO ANATIN’NY ORINASA PHARMALAGASY

    Hametraka petra-bola 100 tapitrisa ariary ao anatin’ny orinasa PHARMALAGASY ny fanjakana ary misokatra ho an’ny rehetra izay tsara sitrapo sy manana finiavana ny handray anjara amin’izany ny orinasa. Noraisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra natao androany ny didim- panjakana manome alalana ny fanjakana handray anjara ao anatin’ilay orinasa.

    B- Nakantoavina ny volavolan-dalàna findramam-bola amin’ny Fonds Saoudien de Développement ho entina manatanteraka ny fanamboarana ny tetezana eo amin’ny reniranon’i Mangoky eo amin’ny lalam-pirenena faha 9

    D- Nankatoavina ny volavolana didim-panjakana nanafoana ny didim-panjakana laharana faha- 2017-475 tamin’ny 13 jona 2017 izay nanomezana alalana ny orinasa tsy miankina iray tamin’ny fitantanana sy ny asa fanarenana ny seranana vaovao ao Toliara.

  • III- FANENDRENA OLOM-PANJAKANA

    Ny filankevitry ny Minisitra dia nanendry ireto olom-panjakana manaraka ireto:

    Araka ny tolo-kevitry ny Filohan’ny Repoblika dia :

    • Ny Général de Brigade RAKOTONIAINA Maminirina, dia voatendry ho Tale misahana ny fiarovana ny Filoham-pirenena

    Araka ny tolo-kevitry ny Praiminisitra dia :

    • Ny Général de Brigade ZAFISAMBO Ruphin Fortunat dia voatendry ho Talen’ny kabinetra sivilin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fiarovam- pirenena :

    • Général de Brigade RAVELONARIVO Jocelyn, dia voatendry ho Tale misahana ny Bureau Contrôle et Audit des Armées.
    • Colonel RAKOTOMANANA Lovasoa Nantenaina, dia voatendry ho Tale misahana ny Bureau Télécommunication et Système Informatique des Armées.
    • Colonel RASOLOFOMANDIMBY Ferdinand Paul dia voatendry ho Tale misahana ny Bureau Finance et Budget.
    • Général de Brigade RASOLOMAMPIONONA Marcel Soldat dia voatendry ho Major Général de l’Armée de Terre.
    • Lieutenant-Colonel RAMPANARIVO Solofoniaina Thierry dia voatendry ho Tale misahana ny Centre des Opérations Inter-Armées.
    • Colonel RAKOTOARIMANANA Heritiana Daniel dia voatendry ho Tale misahana ny Bureau Emploi des Forces.
    • Colonel RAKOTONDRASOA Hajarizaka Norbert dia voatendry ho Tale misahana ny Bureau de Pilotage des Restructurations.
    • Colonel NARIVONY José Marcellin, dia voatendry ho Tale misahana ny Bureau de Programmation et Evaluation.
    • Colonel RASOLONDRAIBE Jean Yves dia voatendry ho Tale misahana ny Bureau de Planification des Opérations.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fitsarana :

    • Atoa M. FLORENT Rakotoarisoa dia voatendry ho Filoha voalohan’ny Fitsarana ambony ao Toliara
    • Atoa RANDRIANANDRASANA Vonjiniaina dia voatendry ho tale misahana ny fitantanan-draharaha sy ny fitananam-bola eo anivon’ny Sampan-draharaha misahana ny Coordination Nationale des Pôles Anti-corruption.
    • Atoa RASIVIARISON Félicien, dia voatendry ho Lehiben’ny fampanoavana ao amin’ny Fitsarana ambony ao Toamasina.
    • Ramatoa RAKOTOMAHAZO Patricia Arisoa, dia voatendry ho « Chef du Siège de la Juridiction de Second Degré du Pôle Anti-corruption » ao Mahajanga.
    • Ramatoa RANORINE, dia voatendry ho « Chef du Ministère auprès de la Juridiction de Second Degré du Pôle Anti-corruption » ao Mahajanga.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana :

    • Atoa RAHARISON Andriambolahery Tsirinilaina dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’Ambanja.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arak’asa :

    • Atoa RAKOTOARISOA Victor James, dia voatendry ho Tale Jeneraly misahana ny « Education Fondamentale et de l’Alphabétisation ».
    • Atoa TSIRILAZA Jimio, dia voatendry ho Tale misahana ny fitantanan-draharaha sy ny fitananam-bola.
    • Atoa RAZANAKOLONA Diny, dia voatendry ho Tale Jeneraly misahana ny « Office National des Compétences et de la Formation Professionnelle. »

    Araka ny tolokevitry ny minisitry ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika :

    • Atoa RANDRIANARISON Ranasy Harisoa Primo dia voatendry ho Sekretera Jeneraly

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fitaterana, ny fizahantany ary ny famatarana ny toetrandro :

    • Ramatoa RALALARISOA Emilie Saholitiana, dia voatendry ho Tale misahana ny fitaterana anabakabaka.
    • Atoa ABDOU Soamadou Bine Morchid, dia voatendry ho Talem-paritra any Atsimo Andrefana.
    • Atoa RANDRIANARIVONY Maurisson, voatendry ho Tale iraisam-paritra ao Betsiboka sy Sofia.
    • Ramatoa ANDRIJOELINA Salohinirina Dewa Maminiaina, voatendry ho Tale iraisam- paritra ao Anosy sy Androy.
    • Ramatoa KOTOSON Louise Miranda, voatendry ho Talem-paritra ao Analanjirofo.

    Araka ny tolo-kevitry ny minisitry asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy :

    • Ramatoa ANDRIAMIHARIMANANA Clara Mireille, dia voatendry ho Tale misahana ny « Evaluation et de la Promotion de l’Ethique et de la Déontologie »

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika :

    • Ramatoa RAZAFINTSALAMA VAHINALAHAJA Eliane dia voatendry ho Tale misahana ny « Recherche et de l’Innovation ».
    • Atoa RATSIMBASOA Arsene, voatendry ho Tale misahana ny « Appui à la réforme de l’Enseignement Supérieur et de la Recherche »

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny tontolo iainana ary ny fampandrosoana maharitra :

    • Ramatoa RAKOTOMAHAFALY Herinirina Gilbertine, voatendry ho Talem-paritra ao Amoron’i Mania
    • Atoa RAZAFIARISON Elutin, voatendry ho Tale misahana ny « Unité de Lutte contre la Corruption ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Paositra sy ny fifandraisandavitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra :

    • Atoa ENIVEREALDO Zamabetsara, dia voatendry ho Tale iraisamparitra ao Toamasina.
    • Atoa RAKOTOARIVONY Toavina Julio Rocco, voatendry ho Tale iraisam-paritra ao Toliara.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy :

    • Ramatoa FANJARISOA Annie Doriane, dia voatendry ho Talem-paritra ao Betsiboka.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina :

    • Atoa BARISON Richard, dia voatendry ho Tale misahana ny fampiroboroboana ny teny Malagasy.
    .
  • IV- FANAFOANANA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nanafoana ireto didim-panjakana manaraka ireto:

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arak’asa :

    • Foana ny didim-panjakana mitondra ny laharana 2019-327 tamin’ny 07 martsa 2019 nanendry ny Tale Jeneraly misahana ny « Education Fondamentale et de l’Alphabétisation ».
    • Foana ny didim-panjakana mitondra ny laharana faha 2020-324 natao ny 11 mars 2020 nanendry ny Tale misahana ny fitantanandraharaha sy ny fitantanambola .

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1712 tamin’ny 18 septembre 2019 nanendry ny Talem-paritra ao Diana.
    • Foana ny didim-panjakana laharana 2019-1970 tamin’ny 16 octobre 2019 nanendry ny Tale Jeneraly mpisolo toerana ao amin’ny « Institut de Gemmologie de Madagascar (IGM) »

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Indostria sy ny varotra ary ny asa-tanana :

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Tale jeneralin’ny Centre Malgache de la Canne et du Sucre

Natao androany faha 24 Jona 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika