TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 17 septambra 2025 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 17 septambra 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin'ny fihaonana an-tampon'ireo Filoham-pirenena sy Governemantan'ny COMESA ny 09 oktobra 2025, izay ialohavan'ny andiany faha 20 ny fivorian'ireo Minisitry ny Raharaham-bahiny eo anivon’ny COMESA ny 08 oktobra 2025 any Nairobi, Kenya.

    Lohahevitr'izany fihaonana an-tampony izany ny «Fanatsarana ny haitao ara-kajy mirindra ho fanamafisana ny rojom-piharian'ny faritra ho an'ny fandrosoana lovain-jafy sy mampiaty.» Anisan'ny ho resahan'ireo firenena mikambana eo anivon’ny COMESA ny sehatry ny varotra sy ny fampiasam-bola, ny angovo, ny fanjarian-tsakafo, ny fiovaovan'ny toetrandro, ireo rafi-pamokarana sy ny fotodrafitrasa.

    Ny 07 oktobra 2025 dia ho tanterahina ihany koa ny fivorian'ireo mpandraharaha ara toekarena eo anivon’ny COMESA, izay natao hampiroboroboana ny fampiasam-bola eo anivon’izany vondrona izany ary hijerena miaraka ireo vahaolana manoloana ireo fanamby ara-toekarena mila atrehina ankehitriny.

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny hamalian'i Madagasikara ny antso fanehoana fikasana (appel à manifestation d'intérêt) handray ny "Mission économique et commerciale de la Francophonie" (MECF) ny volana jona 2026.

    Ny MECF dia tafiditra ao anatin’ny fandaharan'asan'ny OIF izay mikendry ny hampivondrona ao amin’ny firenena voasafidy hampiantrano ity hetsika ity, ireo solontenan’ny orinasa sy ireo mpisehatra ara-toekarena avy amin’ny firenena mampiasa sy miteny frantsay (Afrika, Amerika, Azia, Caraïbes, Eoropa, Moyen-Orient ary ny Ranomasimbe Indianina). 

    Hahazo tombony manokana ny firenena hampiantrano izany satria hahazo laza sy firoboroboana bebe kokoa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena noho ny fanentanana ho ataon’ny OIF. Eo ihany koa ny fanomezana lanja manokana ireo laharam-pahamehana ara-toekarena sy ireo vinan'ny firenena handray ity hetsika ity izay hahazo sehatra manokana mandritra ireo fihaonana sy adihevitra samihafa mandritra ny MECF.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanetsehana ny tetibola sy fanomezana alalana manokana amin'ny fandoavam-bola amin'ny fikarakarana ny andiany fahatelo amin'ny fivoriana momba ny fiaraha-miasa iraisam-pirenen'ireo vondrom-bahoaka Malagasy sy Frantsay ny 18 sy 19 septambra 2025.

    Hanatrika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy izany fivoriana izany ny Filohan’ny Repoblika ny 18 septambra 2025.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampiatoana ny varotra sy famindrana tany ao anatin'ny dingana fanomanana ny tetikasa Havelo Mandrare. Izany dia hiarovana ny ampahan-tany hananganana ny tetikasa mba tsy hisy hivarotra na hanao tombana.

    Ny tetikasa Havelo Mandrare izay vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena amin'ny alalan'ny "Programme Régional de Résilience Climatique" PRRC dia mandray anjara amin'ny famahana ny olan’ny tsy fahampian-drano any amin'ny Faritra Anosy sy Androy amin'ny alalan'ny fametrahana tohadrano handrakotra velarana 66km² sy fananganana fotodrafitrasa fitarihan-drano ho ana velaran-tany mahatratra hatramin’ny 20.000Ha.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny latsakemboky ny "Autorité des Marchés Publics" ho an'ny RACop ho an'ny taom pikatrohana 2023, 2024 sy 2025.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin'ny fivoriambe isan-taonan'ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) sy ny Banky Iraisam-pirenena ny 13 hatramin’ny 18 oktobra 2025 any Washington D.C.

    Handray anjara amin'izany fihaonana izany ireo mpiantsehatra avy amin'ny sehatra miankina sy tsy miankina, ireo mpiara-miombon'antoka sy ireo solontena avy amin'ireo fiarahamonim-pirenena. Mandritra io fotoana io ihany koa no hijerena miaraka ny firosoan'ny fiaraha-miasa eo amin'ny Banky Iraisam-pirenena sy ny FMI.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny handraisan'i Madagasikara ny lanonana fanolorana mari-pankasitrahana "Personnes de l’Année 2026" (POTY 2026) avy amin'ny gazety boky African Leadership Magazine. Tsiahivina fa ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina no voahosotra ho mpitarika Afrikanina na "Leader Politique de l'année" tamin'ny taona 2024 ary ho fanomezan-danja izay haitarika izay indrindra no antony nangatahan'ity gazety boky ity ny hanatanterahana izany lanonana fanolorana mari-pankasitrahana izany eto Madagasikara.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny taratasy rafitry ny volavolan-drijan-tenin-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2026 (Lettre de cadrage PLF 2026).

    Ny volavolan-drijan-tenin-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2026 dia mifanindran dalana hatrany amin’ny Politika ankapoben'ny fanjakana izay mikendry ny fitomboana ara-toekarena mifototra amin’ny fambolena (fanovana ny rafi-pamokarana, fahaleovantena ara-bary), ny angovo (fampiasana angovo azo havaozina), ny fotodrafitrasa (lalana, seranan-tsambo, seranam-piaramanidina), fampiroboroboana ny mahaolona (fanabeazana, fahasalamana, fisitrahana rano fisotro madio, fiahiana ara sosialy) sy ny fitantana entitra ny kitapom-bolam-panjakana. Raha ny fandalinana ara-toekarena ankapobeny dia vinavinaina ho 4,8% ny tahan’ny fitomboana amin'ny taona 2026 ary 100 181 lavitrisa ariary ny harikarena faobe.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tetikasa "Appui à la Gouvernance Financière (PAGFI). Ny tetikasa dia ho tohanan’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana satria tafiditra ao anatin’ireo laharam pahamehana dimy napetrany, indrindra ny fanatsarana ny toe-piainan'ny mponina afrikanina sy ny fanamafisana ny fitantanana ara-toekarena. Ny tanjon’ny tetikasa PAGFI dia ny hanamafy ny fahaiza-mitantana ara-toekarena sy ara-bola eto amin’ny firenena, mba hanampy amin’ny fametrahana fepetra ho an’ny fampiroboroboana ny fitomboana mirindra sy maharitra ara-toekarena.

    Ireo rafi-panjakana misahana ny fitantanana sy ny fanaraha-maso ny volam-panjakana no hisitraka mivantana izany. Eo ihany koa ireo mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina, ny vahoaka iray manontolo, anisan’izany ny vehivavy sy ny tanora, noho ny fametrahana ny loharanon-karena amin’ireo sehatra laharam-pahamehana ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana.

    MINISITERAN'NY ATITANY + MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny "Sommet régional Afrique Australe sur les actions anticipatoires" ny 21 sy 22 oktobra 2025. 

    Ity fihaonana an-tampony ity dia hampivondrona ireo mpanapa-kevitra sy manampahaizana manokana amin'ny fomba fiatrehana sy fanamafisana ny fandrindrana ireo hetsika hiatrehana ny fiovaovan'ny toetrandro sy krizy hafa. Ireo mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola no handray an-tanana ny fikarakarana izany, toy ny Programme Alimentaire Mondiale miaraka amin'ireo sampan-draharaha eo anivon’ny Firenena Mikambana sy ny Croix Rouge. Ny Sekretaria eo anivon’ity fihaonana an-tampony ity moa no nisafidy an'i Madagasikara handray izany fihaonana lehibe izany.

    MINISITERAN'NY FILAMINAM-BAHOAKA 

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fangatahana fanemorana ny fe potoana fifaranan'ny fiaraha-miasa amin’ny fanamboarana sy fizarana ireo pasipaoro tsotra malagasy hiarahana amin'ny vondrona SEMLEX EUROPE S.A.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA 

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hampiasana ireo toerak'asa voafaritra ara-tetibola (postes budgétaires) miisa 300 an’ny minisitera. Tafiditra ao anatin'izany ireo mpitsabo sy ireo mpitsabo mpanampy ho an’ireo hopitaly sy CSB.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA + MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tatitry ny iraka ofisialy tany Washington DC ny 08 hatramin’ny 12 septambra 2025 izay nanao adisisika ny hanohizana ny African Growth and Opportunity Act (AGOA). Manan-danja lehibe ho an’i Madagasikara ny fitohizan'ny AGOA noho izy miantoka asa ho an'olona an'arivony ary manohana ireo sehatra stratejika (lavanilina, lohamenaka, coton, sns.) 

    Nihaona tamin'ny tompon’andraikitra amerikanina samihafa ny delegasiona malagasy toy ny "Conseil National de Sécurité" eo anivon’ny Maison Blanche, ireo mpikambana eo anivon’ny kaongresy amerikanina, ny Departemantam-panjakana sy ireo vondrona arak'asa samihafa (AAFA, FEMA, AGOA Alliance, Conseil International du Coton, sns.). Anisan'ny nanaovana adisisika ny mbola hitohizan'ny AGOA roa taona aorian'ny taona 2025 mba hahafahana mifanaraka ihany koa amin’ny politika amerikanina "America First". Nisy ihany koa ny fifampiresahana momba ny hampiroboroboana ny fiaraha miasa manokana eo amin'i Madagasikara sy Etazonia. Hisy rahateo ny fifampiraharahana momba ny Adjusted Reciprocal Tariff (ART) eo amin’ny firenena roa tonta.

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO 

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanavaozana ny fanomezana alalana amin'ny fitaterana akoran'afo ho an'ny Société Malgache des Pétroles VIVO ENERGY.

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA 

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fandefasana tolo-bidy manokana ho fanatanterahana ny tetikasan'ny Filohan’ny Repoblika fanodinana fako ho angovo eto Antananarivo. Tanjon'ity tetikasa ity ny hanodinana fako 800 taonina isanandro izay hamokatra 13MW ho an'ny «Grand Tana». Tafiditra ao anatin'ny tetibolam-panjakana ho an'ny taona 2025 ny fanatanterahana izany tetikasa izany.

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAINJAFY

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny hampiasana ny tahirim-bola ho an'ny tetikasa " gestion intégrée des paysages terrestres et marins de Madagascar". 

    Ity tetikasa ity dia hanampy amin’ny fanarenana ireo tontolo iainana simba, hanamafy ny fitantanana ireo faritra arovana ary hiantoka fa ny faritra fambolena sy ny tontolo iainana an-dranomasina ary ny fiompiana anaty rano dia hivoatra ho lovain-jafy sy manaja ny harena voajanahary. Olona maherin’ny 300 000 no hahazo tombontsoa mivantana indrindra ny vehivavy, ny tanora ary ireo vondrona marefo.

    Ho azo tsapain-tanana sy refesina ny vokatra azo : famoronana asa maitso amin’ny alalan’ny fambolen-kazo, ny jono, ny fiompiana algue sy ny fiompiana anaty rano, ary koa amin’ny fizahan-tany mifototra amin’ny natiora. Ny fitantanana tsara ny tany dia hampihena ihany koa ny fatiantoka ara-pambolena izay tombanana ho 141 tapitrisa dolara isan-taona, na manodidina ny 5 % amin’ny harinkarena ara-pambolena.

    Ity tetikasa ity dia novolavolaina niaraka tamin’ny Tahirim-bola ho an'ny tontolo iainana maneran-tany (FEM) sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an'ny Fampandrosoana (IDA). 

    MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny handraisan'ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola an-tanana ny fandraisan’anjaran’ireo atleta malagasy amin'ny lalao Tompon-daka eran-tany taranja karate sokajy Senior, Cadet sy Junior 2025.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hamindrana sorabola ho famatsiana ny fitaterana ny ekipam-pirenena BAREA A amin'ny lalao fifanintsanana Tompon-daka eran-tany ny 6 sy 9 oktobra 2025.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO

    Nolanian'ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin'ny didim-panjakana laharana faha 2023-245 tamin'ny 14 marsa 2023 mamaritra ireo fanomezan-dàlana amin’ny famokarana, fitaterana sy fitsinjarana ary fanambarana momba ny famokarana herinaratra.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1127 tamin'ny 06 jona 2019 ary manendry an'Andriamatoa RAMAROSANDRATANA Daniela, ho Sekretera Jeneralin'ny prefektioran'Ambositra

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA 

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-880 tamin'ny 26 jolay 2018 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRADINA Henri Bruno, ho "Directeur des Etudes, de la Recherche et de l’Assurance Qualité" eo anivon’ny Institut Supérieur de Technologie (IST) d’Antsiranana. 

    MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1043 tamin'ny 24 avril 2024 ary manendry an-dRamatoa RABENASOLO Andry Nirisoa, ho "Directeur de l’Unité d’Evaluation des Acquis Scolaire"

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA 

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ZAFINDRANDALANA Gildas Marie, ho Talem-paritry ny Fambolena sy Fiompiana Analanjirofo

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa SAMY MARISIKA Alfred, ho Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy Akoran'afo Toamasina.

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY 

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1422 tamin'ny 15 desambra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RASOANAIVO Hasina Heriniaina, ho Talem-paritry ny Asa Vaventy Bongolava

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA 

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-432 tamin'ny 19 avrily 2023 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMANANJARA Mbelomanantsoa Ravo, ho Talem-paritry ny asa, ny fampananan'asa ary ny asam-panjakana Androy

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa MIARANTSOA Tanjoniaina Claude, ho Talem-paritry ny harena an-kibon’ny tany Fitovinany sy Atsimo Atsinanana 

    MINISITERAN'NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1009 tamin'ny 29 septambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAHARISON Hajaina, ho "Directeur d’Appui à la Gestion et à la Planification Spatiales".

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAINJAFY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1499 tamin'ny 02 novambra 2022 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIANAIVO Niriantsambatra Anja Liva, ho Talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy Betsiboka.

    MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry ny Général de brigade RATSIMBAZAFY Rinah Harivelo Erick, ho "Directeur de la Police judiciaire" eo anivon’ny Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-857 tamin'ny 29 jolay 2020 ary manendry ny Colonel RAHERINJANAHARY Pierre Raymond, ho "Directeur du Système d’information et des télécommunications" eo anivon’ny Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1737 tamin'ny 02 oktobra 2024 ary manendry ny Colonel RAVELOMANANA Valona Tahina, ho "Directeur chargé de lutte contre le terrorisme, les stupéfiants et la criminalité transnationale organisée"

    SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY FAHAVITAN-TENA ARA-TSAKAFO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAOLISOA Ianja, ho Tale misahana ireo tetikasa momba ny favitan-tena ara-tsakafo

  

Natao ny  17 septambra 2025

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika