TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA
Alarobia 03 septambra 2025 – Lapam-panjakana Iavoloha
Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 10 septambra 2025 ny Filankevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.
-
I- FAMPITANA AM-BAVA
MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisana ireo mpianatra manamboninahitra lefitra miisa 100 ho an'ny andiany faha IV eo anivon’ny Sekolin'ny Manamboninahitra Lefitra ao Antsirabe. 90 amin'izany no lehilahy ary 10 vehivavy. Izany dia mba hahafahana manolo ireo miaramila efa nisotro ronono na nodimandry ary mamaly ihany koa ny filana manamboninahitra lefitra eo anivon’ny Tafika malagasy.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny handraisana ireo tanora ho an'ny kilasy 2025/2. Ireo tanora nanolotena sy voantso hanatanteraka ny "service militaire" mandritra ny roa taona dia manampy ny tafika hahatratra ireo tanjona stratejika mikasika ny politika amin'ny lafiny fiarovana sy fandriampahalemana. Satria dia anisan'ireo manatevin-daharana tokoa ny tafika malagasy izy ireo.
Hahafahana manohy ireo asa sy andraikitra hiantsorohan'ny dia handray tanora miisa 2000, nanolotena sy voantso, indray ny tafika malagasy ny 01 oktobra 2025 ho an'ny andiany 2025 /2
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny vola mila aloha hanonerana ireo olona voakasiky ny asa fanamboarana ny lalana an-tampon-tanànan'i Manakara sy Farafangana
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanomezana alalana hamindrana ny vola handoavana ireo ora fameno (heures complémentaires) sy ireo "vacations" ho an'ny taom-pianarana 2019 - 2020. Nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika ny hanafainganana ireo fanamarinana ireo antontan-taratasy rehetra izay mbola misy ary mila mametraka vahaolana ny tompon’andraikitra mba tsy ho tara intsony ny fandavoana ireo ora fameno sy vacations ho an'ny mpampianatra ireo.
MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanomezana alalana handoavana ireo fanampiana amin'ny fianarana sy fanazarana asa (allocations d'études et de stages) ho an'ireo mpianatra eo anivon’ny "Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques" (ESSA) ho an'ny telovolana fahatelo sy faha efatra ny taona 2025.
MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO + MINISITERAN'NY FITSINJARAM PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny vola mila aloha hanonerana ireo olona voakasiky ny asa fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro manana tanjaka 100MW amin'ny faritra fahatelo sy faha efatra (zones 3 et 4) eny amin’ny Lac Iarivo. Tsiahivina fa ity tobim-pamokarana herinaratra ity dia tetikasan'ny Filohan’ny Repoblika entina hampitomboana ny famokarana herinaratra eto an-drenivohitra.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO + MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fitaterana ireo fitaovana ilaina amin’ny tetikasa 105MW ao Ambohimanambola. Efa an-dalam-pamaranana ireo dingana ara-teknika entina hametrahana ity tobim pamokarana herinaratra 105 MW ao Ambohimanambola ity. Tafiditra ao anatin'izany ny fanamafisana ireo tetezana eo amin’ny lalam-pirenena faharoa izay hitaterana ireo fitaovana vaventy sy saro-pady ireo. Nangataka ny fanoloran-tena manokan'ireo Minisitra rehetrz voakasik'ity tetikasa ity ny Filohan’ny Repoblika mba hanafaingana ny fanatanterahana izany, ary tokony hamaivanina ireo dingana ara-taratasy izay mahatara ny fanatanterahana izany tetikasa izany izay hipàka mivantana amin’ny vahoaka. Laharam-pahamehana ireo asa mahakasika izany. Vinavinaina ny faran'ny volana septambra 2025 ny fitaterana ireo fitaovana vaventy ireo avy ao Toamasina hatrany Ambohimanambola.
Nanome toromarika ihany koa ny Filohan’ny Repoblika ny hanaovana mazava ny fampahafantarana rehetra amin'ny daholobe satria hisy fanelingelenana araka izany ny fifamoivozana izay handalovan’ny fitaterana ireo fitaovana ireo.
MINISITERAN'NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hametrahana fifanaraham-piaraha miasa fanomezana alalana amin'ny fanjonoana "thons" 2000 taonina miaraka amin’ny orinasa PFOI sy fanofana sambo iray avy amin’ny orinasa ALBACORA.
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny handraisan'ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola an-tanana ny fanohanana ny delegasiona malagasy handray anjara amin'ny lalao Tompon-daka eran-tany taranja kanetibe triplettes séniors vehivavy, ny 08 hatramin’ny 2025 any Douaisis, Frantsa
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny handraisan'ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola an-tanana ny fanohanana ny delegasiona malagasy handray anjara amin'ny lalao ny ekipam-pirenena vehivavy zandriny amin'ny andiany faha-21 amin'ny Tompon-dakan'i Afrika taranja Handball sy ny IHF Trophy Continental any Oran Algérie
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny iraky ny Youthconnekt Africa Hub ny 15 hatramin’ny 19 septambra 2025 eto Antananarivo. Ao anatin’ny fanomanana ny Fihaonambe YouthConnekt Africa 2025 izay hotanterahina amin’ny volana Novambra eto Antananarivo, dia hisy ny iraka fanomanana hataon’ny YouthConnekt Africa Hub ny 15 ka hatramin’ny 19 Septambra 2025. Ny delegasiona, dia ho tarihin’ny Talen’ny YouthConnekt Africa ary misy solontena avy amin’ny Vondrona Afrikana sy ny PNUD ihany koa. Tanjon'izao dian'izy ireo izao ny hijerena miaraka ny fanomanana izany fihaonambe izany. Ity hetsika ity, izay mitondra ny lohahevitra hoe « Afrika mendrika antsika », dia manome lanja manokana ny tanora sy traikefan'izy ireo ary firenena afrikanina manodidina ny 40 no handray anjara amin'izany.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hamindrana sorabola handraisana an-tanana ny fandraisana anjaran'ireo tanora malagasy amin'ny fankalazana ny faha 30 taonan'ny Fandaharan'asa maneran-tany ho an'ny tanora mandritra ny fivoriamben'ny firenena mikambana ny 25 septambra 2025 any New York
-
II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manendry ireo "Délégué Central du Control financier eo anivon’ny:
- Minisiteran’ny Raharaham-bahiny
Andriamatoa RANOSY Johnny James,
- Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fampiofanana arak'asa
Andriamatoa ANDRIAMIHAJA Patrick Marie,
- Haute Cours de Justice
Andriamatoa RAMAHATRATRA Marinjara,
MINISITERAN'NY ATITANY
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRATSIMBA Masiaritovo Antoni, ho Prefet an'i Farafangana
MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-130 tamin'ny 08 febroary 2023 ary manendry an-dRamatoa VOLA Manolozato Clémentine, ho "Directeur Général en charge des Etablissements Scolaires"
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANOSY Eliane, ho Tale Jeneralin'ny "Centre Nationale de Matériels Didactiques"
MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RATSIMANOHATRA Miora Hagah, ho Talem-paritry ny fambolena sy ny fiompiana Alaotra Mangoro
MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1172 tamin'ny 22 may 2024 ary manendry an'Andriamatoa RABARIJAONA Henintsoa Tsiory Helson, ho Tale Jeneralin'ny "Académie Nationale des Arts et de la Culture" (ANAC).
-
III- FANAFOANANA
MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023 -155 tamin’ny 15 febroary 2023 nanendry ny Tale Jeneralin’ny «Aviation Civile de Madagascar»
Natao ny 10 septambra 2025
Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika