TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA
Alarobia 03 septambra 2025 – Lapam-panjakana Iavoloha
Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 03 septambra 2025 ny Filankevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.
-
I- FAMPITANA AM-BAVA
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny handraisan'i Madagasikara anjara amin'ny andiany faharoa amin'ny fihaonana an-tampon'ny Afrique CARICOM, ny 07 septambra 2025 any Addis Abeba, Ethiopie.
Lohahevitr'izany fihaonana an-tampony izany ny hoe "Partenariat transcontinental en faveur de la justice réparatrice pour les Africains et les personnes d'ascendance africaine par le biais des réparations." Tanjona ny fanamafisana ny fifandraisana ara-politika, ara-toekarena sy ara-kolontsaina eo amin’i Afrika sy Caraïbes, fa ihany koa ny fanatanterahana ireo fanapahan-kevitry ny Vondrona Afrikanina. Ny fandraisan'i Madagasikara anjara amin'ity fihaonana ity dia hahafahany maneho ny firaisan-kinany amin'ireo firenena afrikanina ary hahafahana ihany koa mijery ireo mety ho lalam piaraha-miasa vaovao amin'ireo firenena mikambana eo anivon’ny CARICOM.
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAINJAFY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisana anjaran'i Madagasikara amin'ny andiany faharoa amin'ny fihaonana an-tampony afrikanina momba ny toetrandro (Sommet Africain sur le Climat), ny 08 hatramin’ny 10 septambra 2025 any Addis-Abeba, Ethiopie.
"Accélérer les solutions climatiques mondiales et le financement pour un développement africain résilient et vert" no lohahevitra ho dinihina mandritra izao fihaonana an tampony izao. Ny tanjona dia ny hanamafy ireo ezaka iombonana eto amin'ny Kaontinanta Afrikanina momba ny fiatrehana sy ny fanalefahana ny fiovaovan'ny toetrandro. Eo ihany koa ny fampisehoana ireo vahaolana vaovao sy hetsika ifotony, ho fanomanana ny COP30 izay hotontosaina amin’ny volana Novambra 2025 any Bresil.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fitsirihana ataon'ny iraky ny FMI eto Madagasikara ny 04 hatramin’ny 10 septambra 2025. Izao fitsidihana izao no antsoina hoe "fact finding" izay fitsirihana efa fanaon'ny eo anivon’ny FMI eo anivon’ireo Minisitera voakasika.
MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fividianana ireo fanampin-tsakafo be otrikaina ho an'ireo sekoly eo ambany fiadidian'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Tanjona ny hiantohana ny fitombon’ny zaza sy ny fahasalamany ary hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo indrindra eo anivon’ireo sekoly ianjadian'ny haintany. Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ihany koa ny hirosoana amin'ny fepetra manokana amin'ny hanjifana fanampin-tsakafo KAPIKINAKA.
Ny ozinina Nutrisud izay natsangana hamokatra an'ireo fanampin-tsakafo hiadiana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo any amin'ny Faritra Atsimon'ny Nosy no mamokatra ny KAPIKANAKA. Ireo singa hita ao aminy dia manampy ny zaza amin’ny fitombony sy ny fivelaran-tsainy. Ny fonosana KAPIKANAKA iray dia mitondra ny iray ampahatelon’ny kaloria ilain’ny zaza ao anatin’ny iray andro.
MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA + MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny iraka ofisialy any Washington D.C ny 06 hatramin’ny 13 septambra 2025 izay iompana amin’ny fanalavana na fanavaozana ny AGOA. Ny fandaharan'asa AGOA, izay manan-danja ho an'i Madagasikara indrindra ho an'ny fanondranana eo amin’ny sehatry ny lamba dia hifarana ny faran’ny volana septambra 2025. Tafiditra ao anatin'ny fandaharam-potoanan'izao iraka izao ny fanohizana ny adisisika momba ny fanohizana na fanavaozana ny AGOA. Eo ihany koa ny fanolorana ireo sehatra isan karazany azo ampiasam-bola eto Madagasikara anisan'izany ny lamba, ny harena an kibon’ny tany sy ny lavanila.
MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanavaozana ny fahazoan-dalana amin'ny fitaterana solika ho an'ny orinasa JOVENA MADAGASCAR
MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAINJAFY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny famatsiam-bola vaovao nifampiraharahana teo anivon’ny minisiteran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy entina hanohanana ny politikam-panjakana momba ny tontolo iainana eto Madagasikara.
Anisan'izany ny:
- ny Blended Finance Global Programme (BFGP)
- ny PSE na "Paiements pour les Services Écologiques"
- Tamberin'andraikitr'ireo orinasa (RSE)
- ny "Credits de Biodiversité"
- ny REDD + sy tsena Carbone.
Anisan'ireo mpiara-miombon’antoka amin'ireo famatsiam-bola ireo ny Banky Iraisam pirenena, ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola maneran-tany ho an'ny tontolo iainana na GEF.
Ireo fampiasam-bola ireo dia hanampy betsaka amin'ny fahafaha-miatrik'i Madagasikara manoloana ny fiovaovan'ny toetrandro ary hametraka ny firenena malagasy ho anisan'ireo mpiantsehatra manan-danja amin'ny fiahiana sy ny fiarovana ny zava boahary sy ny fampiroboroboana ny toekarena maitso.
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny handraisan'ny Fitondram panjakana an-tanana ny fanohanana ny fandraisana anjaran'ny delegasiona malagasy amin'ny fifaninanana ny ho Tompon-daka eran-tany taranja tsipy kanetibe, sokajy tanora "en tête à tête", "doublette", "mixte", ny 23 hatramin’ny 26 oktobra 2025 any Espagne.
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA + MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fankalazana ny faha-30 taonan'ny "Programme d'Action Mondiale pour la Jeunesse Rencontre de Haut Niveau" mandritra ny andiana faha 80 ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana any New York ny 25 septambra 2025.
Ity fivoriana ity dia natokana an’ireo Filoham-pirenena izay manolo-tena manokana sy manome ohatra ho an'ireo tanora na eo anivon’ny fireneny na manerana ny kaontinanta afrikanina.
Mahafeno tanteraka ireo fepetra takiana amin’izany Andriamatoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, noho ny fanaovany ho laharam-pahamehana ny tanora malagasy sy afrikanina, izay hita taratra amin’ireo hetsika lehibe sy fotodrafitrasa napetrany. Anisan’izany ny fandaharan'asa FIHARIANA, izay manohana ny fandraharahan’ny tanora, mba hahatonga azy ireo ho mpandray anjara feno amin'ny fanovana ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina eto amin'ny firenena
Ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina rahateo no Filoham-pirenena tanora indrindra nitarika ny SADC, sady Filohan’ny French-African Young Leaders 2025, ary koa mpampiantrano ny Fihaonana an-tampony YouthConnekt Africa 2025 eto Antananarivo.
SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hampiasana ny tetibola entina hanatanterahana ny fampanarahina fenitra (mise en conformité) ny Kianja Barea Mahamasina : fanitarana ny "gradins" sy fanajariana ny fidirana sy fivoahana raha misy hamehana (accès d'urgence).
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hampiasana ny tetibola entina hamaranana ny tetikasa fanorenana trano mora miisa 320 ao Imerintsiatosika izay ho tokanana tsy ho ela. Ny asa fanamboarana ny lalana sy famaranana ireo pitsopitsony ivelan'ny trano no asa mila atao alohan’ny hitokanana ireo trano mora ireo.
-
II. FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA
MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA
Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana amaritana ny dingana arahina mahakasika ny fananganan-jaza na «adoption plénière»sy ny sata mifehy ny "Autorité Centrale de l'Adoption Malagasy" (ACAM)
-
III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTOMANANA Eric Jean Michel, ho Tale Jeneralin'ny Institut National de la Statistique (INSTAT)
MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RASEHENO Harinirina, ho Talen’ny "Veille Sanitaire, de la Surveillance Epidémiologique et Riposte"
MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1114 tamin'ny 08 septambra 2023 ary manendry an-dRamatoa VOLA Manolozato Clémentine, ho Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena mpisolo toerana Androy.
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-433 tamin'ny 28 febroary 2024 ary manendry an-dRamatoa RAMAROFARANIRINA Julia Rodine, ho Talem-paritry ny Fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak'asa Fitovinany.
MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa DASY Kellyo, ho Talem-paritry ny harena an-kibon’ny tany Diana.
MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAINJAFY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1204 tamin'ny 23 septambra 2020 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRAVONINALA Valison Kiady, Talen’ny Centre National de Formation, d’Etudes et de Recherches en Environnement et Foresterie (CNFEREF)
Natao ny 03 septambra 2025
Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika