TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA
Alarobia 20 aogositra 2025 – Lapam-panjakana Iavoloha
Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 20 aogositra 2025 ny Filankevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehan’ireo Minisitra isan-tokony. Ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa NTSAY Christian, dia mitarika ny delegasiona Malagasy mandray anjara amin’ny TICAD 9 any Japana.
Mialohan’ny fiantombohan’ny Filankevitry ny Minisitra dia nandray fitenenana ny Minisitry ny Fitsarana nisolo tena ny mpikambana eo anivon’ny Governemanta sy ny mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Fiadidiana ny Primatiora.
Niarahaba manokana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina izy ireo noho izao dingana lehibe tratra izao amin’ny maha Filoha hitantana ny vondrona SADC azy. "Raha tonga amin’izany toerana izany ianao dia satria nanaiky sy nifidy anao ny Filoham-pirenena hafa, noho ny zava-bitanao sy ny fitarihana nasehonao." hoy ny Minisitry ny Fitsarana. Nankahery manokana ny Filohan’ny Repoblika izy ireo amin’ny andraikitra lehibe izay sahaniny ary manao ny ezaka rehetra ho an'ny fampandrosoana an'i Madagasikara. Nampitain'ireo mpikambana teo anivon’ny Governemanta, izay niandraikitra ireo delegasiona nanatrika iny fihaonana an-tampon'ny SADC iny, ny fahafaham-pon'ireo vahiny tamin’izay rehetra hitan'izy ireo ary tsy nisalasala nizara izany tamin'ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta malagasy.
Nohamafisin’ny Minisitry ny Fitsarana nandritra ny fandraisam-pitenenany ihany koa fa reharehan'i Madagasikara ny fahavitan'ireo tetikasa goavana toy ny ampahany voalohany amin'ny lalambe migodana , ny teleferika izay tsy mbola ananan'ny firenena hafa aty Atsimon'i Afrika ary ireo tetikasa maro hafa.
Nisaotra manokana ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta sy ireo mpiara miasa aminy rehetra ny Filohan’ny Repoblika noho iny dingana lehibe iny. Fahombiazana tanteraka ny fikarakarana iny andiany faha-45 ny fihaonana an tampon'ny SADC iny ary nomarihin’ny Filohan’ny Repoblika fa tamin'ireo fivoriana notanterahina teto Afrika dia iny no anisan'ny tsara fanomanana indrindra ary tsy nitsanga-menatra i Madagasikara. Notsiahivin’ny Filohan’ny Repoblika ihany koa fa nandritra ny 20 taona naha-mpikambana an'i Madagasikara teo anivon’ny SADC dia sambany isika no nandray ny fitantanana izany vondrona izany. Porofon'ny fahatokisan'ireo mpikambana eo anivon’ny SADC izany, ary ny Filohan’ny Repoblikan'i Afrika Atsimo, Andriamatoa Cyril Ramaphosa, fa i Madagasikara no tokony hianaran’ny firenena hafa, satria nahay nampivondrona sy nitondra firaisankina teo amin'ireo firenena samihafa tamin'ireo dinika rehetra izay natrehina.
"Tsy mihemotra aho rehefa fantatro fa mety sy mahasoa an’i Madagasikara. Toy ny tamin’ny fanarenana ny Rova, na dia marobe ary ny teny manakiana sy nandratra, nankarary mihitsy, dia tsy niverin-dalana aho satria haiko fa hitondra soa ho an’i Madagasikara izany. Toy izany koa amin’ny "téléphérique" sy ny "autoroute"" hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Raha mafy ny fanoherana dia vao mainka manamafy fa mitondra vokatra lehibe izany ny ezaka ataontsika hoy hatrany ny Filohan’ny Repoblika, ary isika, hoy izy dia miasa mafy hatrany, hanamaivana ny fahasahiranan’ny vahoaka sy hanatsara ny fari-piainany. Mitodika amin’Andriamanitra isika hahazoana hery hanatanterahana ny fanamby rehetra napetraka, ho an’ny vahoaka Malagasy.
-
I- FAMPITANA AM-BAVA
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny fandoavana ny latsakembok'i Madagasikara ho an'ny taom-pikatrohana 2025 ho an’ny "Institut de Formation et de Recherche Démographiques" (IFORD).
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny dian’ireo iraky ny Banky Iraisam-pirenena momba ny "Programme axé sur les résultats" izay fandaharan'asa miompana amin'ny fanohanana mitentina 100 tapitrisa dolara ho an'ny fanatsarana ireo vokatry ny orinasa JIRAMA.
Ny 22 hatramin'ny 24 jolay 2025 lasa teo no nanatanteraka izany dian'izy ireo teto Madagasikara izany, ireo iraka avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Anton'izany ny fanomanana ireo fanavaozana entina hanatsarana ny sehatry ny famokarana angovo, ny fanarenana ny orinasa JIRAMA sy ny fampiroboroboana ny fandraisana anjaran'ny angovo amin’ny fampandrosoana ny firenena. Nahafahana nametraka ny lasitra ara-teknika sy ny fandaminana amin'ny fanatanterahana ny fandaharan'asa PForR ny dian'ireo iraky Banky Iraisam pirenena ireo teto amintsika.
MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo "subventions" ho an'ireo "cantines scolaires" sy ny fanomezana fitaovam-pamokarana ho an'ireo sampam-pianarana eo ambany fiadidian’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Ny fanohanana ireo "cantines scolaires" dia tafiditra ao anatin’ny fandaharan'asan'ny Fitondram-panjakana hiadiana amin’ny fialana an-daharana an-tsekoly.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tetibola ho an'ireo "caisses écoles" sy ireo "caisses de soutien" ho an'ireo sekoly eo ambany fiadidian'ny Minisiteran'ny fanabeazam-pirenena. Ireo tetibola ireo dia hanohana ny asa fanabeazana, ny fahazoana fitaovam pianarana ary ny fikarakarana hetsika ivelan'ny fandaharam-pianarana (activités extrascolaires).
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanatanterahana ny fifanaraham-piaraha-miasa, izay natao teo amin'ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, ny "Centre National de Production de Matériels Didactiques" na CNAPMAD amin’ny famokarana sy fanontana ireo boky fampianarana. Fanamby manokana napetraky ny Filohan’ny Repoblika ny fampitaovana boky fampianarana izay ilaina ho an’ireo mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana mba hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fampianarana eto Madagasikara
MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO
Nankatoavin'ny Filankevitry ny Minisitra ny firosoana amin’ny fanonerana ireo olona sy vondron’olona izay voatohitohina na simba ny antom-pivelomana noho ny fametrahana ireo andrinjiro lehibe entina hitaritana herinaratra ao anatin’ny tetikasa PRIRTEM I manomboka eo amin’ny kaominina ambanivohitra Ankadikely Ilafy, distrikan'Antananarivo Avaradrano hatrany amin’ny kaominina ambanivohitra Amboditandroho, distrikan'i Toamasina II ary ny distrikan’i Manjakandriana.
Izany dia fepetra hitsinjovana ny mahaolona izay anisan’ny takiana amin’ny tetikasa fampandrosoana. Ka tsy afaka miroso amin'ny fampiasana ny tany ny tetikasa raha tsy efa voavaha ny olana nateraky ny fitoeran’ny tetikasa ho an’ny fiveloman’ireo mponina voakasika izany.
-
II. FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA
SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA
Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisana anjaran'ny Fanjakana Malagasy amin’ny renivolan'ny orinasa izay hatsangana mitondra ny anarana "Société de Gestion et d'Exploitation du Transport par Cable à Antananarivo S.A». Nanao fanamarihana ny Filohan’ny Repoblika fa anisan’ny fotodrafitrasa ireharehantsika malagasy ny manana ny TELEFERIKA.
Ny Praiminisitra avy any Lesotho dia nanokana fotoana mihitsy nitsidihana sy nanandrana izany fitateram-bahoaka maoderina sy manara-penitra izany. Manova toe-tsaina ny fametrahana fotodrafitrasa tsara sy avo lenta ary manara penitra toy izao, hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Ka na maro ary ny nanakatsakana dia niroso hatrany ny fanatanterahana.
-
III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-976 tamin'ny 29 septambra 2021 ary manendry an-dRamatoa RAHANIRAKA Haingotiana, ho "Directeur de la Promotion de l’Entreprenariat"
MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAINJAFY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1067 tamin'ny 13 jolay 2022 ary manendry an'Andriamatoa REMY André, ho Talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy Ihorombe
-
IV. FANAFOANANA
MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-163 tamin'ny 02 febroary 2023 nanendry ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Fitovinany
Natao ny 06 aogositra 2025
Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika